Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine

Niteraka korontana goavana tany Maung Taw, Rakhine Myanmar ny vaovao nilaza hoe nisy tovovavy Rakhine voaolana sady novonoina. Hita [my] tamin'ny marain'ny 29 May ny razana, izay nahitana tataka teo amin'ny tendany, sofiny, ary ny sorony.

Voampanga telo avy hatrany no notazonina nefa maro ny olona no mahatsapa fa mihisatra ny asan'ny fitsarana. Mponina Rakhine manodidina ny 700 no maneho fanoherana [my] nanoloana ny trano fiasan'ny polisy sy ny masoivohon-draharaha eo an-toerana.

Andro vitsy taty aoriana, Silamo sivy no maty [my] taminà fanafihana fiara fitateram-bahoaka rehefa nanana hevitra diso ireo mpanao fitsaram-bahaka fa hoe tao anatin'ny fiara ireo ankizy nanolana. Manohitra ny fampiasana ny teny hoe ‘kala’ tao amin'ny  gazetin'ny governemanta izay nitatitra ny loza ireo Silamo any Yangon, izay lazain'izy ireo fa teny fanompana.

Mazoto niresaka ity olana ity ireo mpampiasa aterineto. Ny sasany leon'ny herisetra, ny sasany nanoratra mikasika ny tsy mampisy dikany ny valifaty, ny hafa kosa miantso ny vahoaka tsy hanafangaro ny ady ara-pinoana sy ny olana ara-pifindra-monina.

Andro vitsy lasa izay, nanafika toeram-bahoaka tany Rakhine ny vondrona iray mpampihoroho. Nanoratra [my] mikasika ilay korontana i Naing Htoo Aung :

Vahoaka Silamo aman-jatony izay avy nahavita ny vavaka isaky ny Zoma avy ao amin'ny Moske Kyaut no nanafika trano fandraisam-bahiny sy nanimba ny tafonà banky iray tsy miankina amin'ny fanjakana . Ny tolakandro, trano fandraisam-bahiny maro sy tranokely fivarotan-tsakafo enina no nodoran'izy ireo. Nihitatra tany an-tanànan'ny Bo Hmu teo akaiky teo ny afo. Trano roa tao an-tanàna mihitsy ihany koa no may. Nanafika ny tanànan'ny Yay Myaing sy ny trano fitokana-monin'ny Bodista any amn'ny tanànan'ny Shwe Yin ihany koa ireo mpampihorohoro.

May ihany koa ny hopitalim-panjakana ary tsy maintsy nihetsika haingana ireo mpiasa tao mba hamonjena ireo marary tao amin'ny hopitaly. Nila nitsoaka [rki]  haingana ireo mponina manodidina ny hopitaly ary nitady fialofana tany amin'ny trano fitokana-monina Bodista. Raha ny tatitry ny governemanta, dia olona valo no maty tao anatin'ireo savorovoro.

Tanàna Rakhine may. Sary avy amin'ny pejy Facebookn'ny Vondrona Eleven Media

Mitoraka bilaogy ihany koa ny mponin'ny aterineto Myanmar mikasika ny herisetra:

Nandefa tafika mitam-piadiana ny governemanta Myanmar hisakana ireo milisy, nefa raha ny tatitra alefan'ny mponin'ny aterineto, dia tsy voafehy mihitsy ny fandehan-draharaha. Teo amin'ny manodidina ny adin'ny 5 taty aoriana, namoaka ny lalàna miaramila izay mihatra avy hatrany tao Maung Taw  ny governemanta.

Nanameloka ny fanafihana avy hatrany ny mpampiasa Facebook. Maro ireo naneho ny hatezerany tamin'ny mpifindra monina Bengali izay voampanga ho nanomboka ny fanafihana. Nangataka maika [my] fiarovana ho an'ny vahoaka Rakhine i Demo Waiyan, mafàna fo amin'ny aterineto:

Hataoko hoe tena fanompana ny mponina ao Rakhine sy ny fiandrianam-pirenena izao. Manantena aho hoe hiaro ny foko Rakhine-ntsika ny tafika mitam-piadiana. Asandrato ny lazanareo amin'ny fanaovana an'izany. Hanohana anareo ny vahoaka raha toa ka natao hiaro ny fitonian'ny vahoaka ianareo. Mangataka ny handefasana tafika mitam-piadiana maro kokoa ho fiarovana ny Vahoaka Rakhine eo an-toerana aho.

Namafisin'i  Kyaw Myo Khine ny zon'olombelona amin'ny fiarovan-tena:

Manana zo hiaro tena isika. Ataoko fa azon'i DASSK[Daw Aung San Suu Kyi] tsara hoe tsy (olan'ny) fanaovana tsinontsinona ny vitsy an'isa akory izy ity. Tsy (mpikambana ao amin'ny) olom-bitsy akory izy ireo. Tena olan'nyfiandrianam-pirenena mihitsy izy ity sy fampihorohorona tsotra izao ary dia dimony fahavalon'ny fahalalahana ry zareo.

Ireo mpitarika ny andian'ny “valo valo” izay nafahana avy tany am-ponja tamin'ny volana Janoary farany teo no nilaza fa tsy tokony hekena ho isan'ny vondrom-poko Myanmar ny Rohingya (mpifindra-monina Bengali). Nilaza [my] i Ko Ko Gyi, mpitarika antoko politika, fa tokony afaka mahazo ny zom-pirenena izy ireo raha vitany ny manaporofo fa efa nipetraka an-taona maro dia maro tao Myanmar izy ireo ary raha efa afaka miteny tenim-paritry iray eo amin'ny firenena ry zareo. [Fanamarihana: Mifanohitra amin'ny fijerin'ny maro any ivelan'i Myanmar izy ity izay manao hoe isan'ny vondron'ny vitsy an'isa tena henjehana indrindra maneran-tany ny vahoaka Rohingya .]

Etsy ankilany kosa, maro amin'ireo mponin'ny ateriento no diso fanantenana tamin'ny haino aman-jery any an-tsesitany sy ny haino aman-jery matanjaka toy ny Channel News Asia raha nofaritan'izy ireo ho toy ny fifandonana ara-pinoana ilay fanafihana. Nokianin’ i Myo Set ny tati-baovao ‘tsy mifanaraka’ nataon'ny haino aman-jery mahazatra.

Hitan'ireo tena nasionalista sy mafana fo ara-tsosialy any Myanmar ho isan'ny tena vondrona mafana fo miteraka ny fifandonana ara-poko ireo vondrona haino aman-jery malaza any an-tsesitany . Nampitandrina i Ko Ko Kyi fa mety ho iray amin'ny antony mahatonga ny toe-draharaha hikorontana ny tsindry ataon'ny avy any ivelany. Ao amin'ny pejy Facebook-ny dia mangataka ny manampahefana iray ao amin'ny governemanta Myanmar  fa tokony tsy ho faritan'ny haino aman-jery Burmese any an-tsesitany ho toy ny fifandonana ara-pinoana ilay korontana.

Maro ireo Burmese miantso ny hanakanana ireto vondrona haino aman-jery sy mpanao tsindry aloka ireto no miparitaka toy ny afo eo amin'ny Facebook.

Nanamafy ireo mafana fo ara-politika fa tsy fifandonana ara-pinoana mihitsy ity olana sedrain'ny firenena ity fa olana goavana izay nateraky ny Birao misahana ny Fifindra-monina any Myanmar. Milaza izy ireo fa efa ela no nijaly ireo Rakhines (Arakanese) eo an-toerana noho ny  nataon'ny mpiasa mpanao kolikoly avy amin'ny Tafika Mpiaro Sisintany any Maung Daw.

Nahagaga anefa, na dia tsy fitaovana malaza eo amin'ireo mponin'ny aterinto ao Myanmar aza ny Twitter, dia nanjary toerana niresahana izany sy nifanakalozana fomba fijery mikasika ny korontana any Rakhine. Nampiasa ny tenifototra #Myanmar na #Burma, #Rohingya sy #Rakhine ny mponin'ny aterineto hanaraha-maso ny zava-misy. Ireto ny sasany amin'ireo bitsika mikasika ilay fanafihana.

@maynyein: Raha mpitsoa-ponenana ny  #Rohingya, dia ahoana no mahatonga azy ireo hanana fitaovam-piadiana?? Taiza no nahitan'izy ireo basy?? Mazava anie izany fa #Fanafihan'ny mpampihorohoro e (#Terrorist Attack).

@nyanhtunlinn: Enga anie mba ho voaaro ny Vahoaka #Rakhine any #Burma #Myanmar ! Mijoroa miaraka aminay #BBC #CNN #Aljazeera ! Vaovao marina lazaina ..re e!

@forgetmefrd: @captain_amarito in-jaton'i #Bengali fantatra amin'ny hoe #Rohingyas miaraka amin'ny trano maron'ireo mponina ao an-toerana may no marina , #Rakhine #Myanmar.

‏@tayzar44: Maninona ny vaovao avy any ivelany no milaza fa nisy nanafika ny #Rohingya ??? MANINONA? Ny marina dia izy ireo no manafika sivily…

@Thant: Mpampihorohoro ireo, fa tsy mpanohitra, manana fitaovam-piadiana izy ireo noho ny fanohanan'ny Bengali ary iharam-panafihana amin'izao ny foko #Rakhine. Mandainga ny #BBC.#Myanmar

Mizara ny ahiahiny ihany koa ireo mponin'ny aterineto mikasika ny fiarovana ireo olona eo an-toerana any Maung Taw sy ny renivohitra Buu The Taung any amin'ny fanjakana Rakhine.  Manahy [my] mikasika ireo mponina voatafika tany Rakhine i Min Thein:

Nilaza hoe handeha hatory aho nefa tsy mety. Satria mbola tsy afaka matory miaraka amin'ny tahotra sy ny ahiahy ihany koa izy ireo.

Nampakatra hafatra mitovitovy amin'izany ihany koa i Su Myat Lwin:

Ahoana moa no ahafahantsika matory anio alina nefa ny rahalahintsika sy ny anabavintsika toy ny any amin'ny helo??

Efa nandidy ny fametrahana Lalàna Miaramila ny governemantan'i Myanmar any Maung Taw sy any Buu Thee Taung. Hmuu Zaw, manam-pahefana ao amin'ny biraon'ny filoham-panjakana dia nanamafy  [my] tamin'ny vahoaka fa hiaro ny vahoaka Rakhine amin'ny mpampihorohoro ny tafika mitam-piadian'ny governemanta. Misy vaovao tsy voamarina hoe hanao fanoherana ny korontana ataon'ny Bengali any Yangon ny vahoaka.

Nampitandrina [my] azy ireo i Ko John mba hisorohana ny fifandonana ara-pinoana izay mety hamadika ny fanovana vao haingana vitan'ny governemanta:

Mety tsy hampahazo aina ireo Silamo any Yangon izany fanoherana izany. Mety hanohitra ny Bengali/Rohingya ihany koa izy ireo.

Thaka ny manaparitaka vaovao tsy mitombina mikasika ny fifandonana ara-pivavahana/foko ny haino aman-jery any an-tsesitany.

Mety hitondra ny firenena hiverina hibanjina ny fiovàna tsara ny hetsi-pahatezerana fohy toy itony.

Nangataka ihany koa izy fivondronana sy fanohanana tsy misy hatak'andro ho an'ny  foko Rakhine iharam-panafihana :

Noho izany, te-hangataka antsika rehetra aho. Aza manao izany hetsi-panoherana izany. Ho solon'izany , tsy aleo aza ve mitambatra isika dia manampy ny foko Rakhine?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.