Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Afrika : Ny Tantara “Adino” Momba Ilay Kaontinanta

Matetika voatonontonona ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany tao Afrika, na amin'ny tsara na amin'ny ratsy, amin'ireo aretin-tsamihafa mikiky ilay kaontinanta. Tsy dia fahita izany adihevitra ahitàna marimaritra iraisana izany mikasika ny tena fiantraikan'ny fanjanahantany teo amin'ny fivoaran'ireo firenena Afrikana sy ny olany miverimberina. Kanefa, iray amin'ny fiantraikan'io vanim-potoana io no toa tsy dia mba maha-be resaka : ny tsy fahafantarana ny tantara afrikana talohan'ny fanjanahantany.
Tsy zoviana intsony ny fahitàna ampahany tsy azo tsinontsinoavina amin'ireo afrikana mpianatra, nandritra ny vanim-potoan'ny fanjanahana sy taoriany, zara raha manana fahalalana ny tantaran'i Afrika. Mbola ireny mpianatra ireny ihany matetika no mahafantatra bebe kokoa ny tantaran'ny firenena nanjanaka azy raha mitaha amin'ny an'ny firenena nahaterahany, zavatra iray avandravadran'ilay fomba fiteny hoe “nos ancêtres les Gaulois”, na ireo Gaulois razambentsika ampiasaina any Côte d'Ivoire na any Sénégal.

Vehivavy mihogo volo -Antananarivo, Madagascar, avy amin'i postalectrice ao amin'ny flickr, CC-license-BY-NC-3.0

Ny zava-dozan'ny Tantara notsinontsinoavina

Mifanohitra amin'izay nambaran'ny filoha frantsay teo aloha, Sarkozy, momba ny toerana tànan'ny lehilahy afrikana ao anatin'ny tantara tao anatin'ny kabariny tany Dakar, Ny tantaran'ny kaontinanta afrikana dia rakotra  sivilizasiona manan-karena sy olona manana ny maha-izy azy. Saingy io tantara io dia mazàna no tsinontsinoavina tafahoatra na tsy fantatra mihitsy. Ho setrin'ilay kabary malaza tao Dakar no nanoratan'i  Adame Ba Konaré, Maliana mpahay tantara, ny andrana iray, niaraka tamin'ny fanampian'ireo namany mpahay tantara, nomeny anarana hoe “Petit précis de remise à niveau sur l'histoire africaine à l'usage du président Sarkozy, na Fanitsiana kely mikasika ny tantara Afrikana homena ampiasain'ny filoha Sarkozy. Ao amin'ny savaranonandon'io andrana io, ireo mpanoratra azy dia manazava ny antony tena ilàna ny fampahafantarana tsara ny tantaran'i Afrika sy ny fomba hanaovana izany :

Ilaina indrindra indrindra ny filofosana hanasaraka ny tantara araka izay tratra, ny tena tantaran'i Afrika sy ny vahoaka Afrikana, ao Afrika sy ivelan'i Afrika. Mangetaheta fahalalàna ny tanora Afrikana. Ara-drariny ny fametrahan-dry zareo fanontaniana izay saika miverimberina foana amin'ny hoe : fa fomba ahoana no nahatonga antsika amin'izao misy antsika ankehitriny izao ? Miara-dàlana amin'izay voasoratra, efa manana karazana fitaovana ara-teknika maro isika mba hirosoana amin'io fanasaratsarahana io.

Lahatsarin'ny fandaharana iray niresadresahana ny tantara adino momba an'i Afrika, nataon'i Dembeto

Any Guinée, mampitandrina ny amin'izay ho vokatry ny fanadinoana ny tantara i Papa Attigou Bah, manoloana ny krizy politika miverimberina zakain'ny kaontinanta. Ao anaty lahatsoratra iray “L'AFRIQUE POLITIQUE, UNE HISTOIRE OUBLIEE?” Afrika Politika, Tantara Adino? , apetrany ny fanontaniana hoe :

Ny andian-taranaka vaovao afrikana, ireo izay teraka nandritra sy taorian'ny fahaleovantena, ve afaka ny hahita tombony tsy mitanila amin'ny fianarana ny tantaran'ireo tolona politika nifanesisesy nataon'ireo razantsika nandritra ny vanim-potoana talohan'ny fanjanahana antsoina hoe vanim-potoanan'ny fahaleovantena afrikana? Ary koa, tombana toy ny ahoana moa no azon'i Afrika tsoahana ankehitriny avy amin'ireo taompolo maro nangirifiry nanaovany tolona politika sy demaokratika, izay tamin'ity indray mitoraka ity dia io andian-taranaka izay niady ho an'ny fahaleovanten'i Afrika io ihany no mitantana azy ? [..] Afaka ny ho kaontinantan'ny ampitso ary tsy maintsy ho izany i Afrika ao anatin'ity taonarivo faha-3 ity, raha toa ny andian-taranaka vaovao ka mandray  ny andraikitra rehetra tokony hotànany manoloana ny tantara.

Ao Madagasikara, tsy mahazo laka ireo boky momba ny tantaran'i Madagasikara nosoratanà Malagasy. Io dia azo hazavaina amin'ny hoe ny teny frantsay no mbola mitoetra ho teny mibahan-toerana amin'ny fampianarana ao anatin'ny sehatra izay raha ny tena marina ampiasàna teny roa. Rakotoarisoa Victor James manazava fa :

Misy ny fampiasàna teny roa, izay ahazoan'ny frantsay vàhana. Amin'ireo taranja ofisialy valo any amin'ny kilasy Famaranana, ny Malagasy ihany no atao amin'ny teny Malagasy ary roa hafa (ny Filôzôfy sy ny Tantara-Jeografy) izay ananan'ny mpampianatra safidy (rehefa manao ny fampianarany), sy ny mpianatra (rehefa miatrika ny laza adina izy ireo). Io fanazavana io dia mampiseho amintsika fa ao anatin'ny faritry ny seha-panabeazana, latsa-danja kokoa ny teny Malagasy miohatra amin'ny Frantsay.

Miverina Mianatra Tantara

Marobe ny fandraisana andraikitra ho fampiroboroboana ny hifikiran'ny vahoaka afrikana indray amin'ny tantarany. Ny UNESCO dia nanomboka tetikasa iray tamin'ny 1964, fanomanana ny famerenana indray ny Tantara Ankapoben'i Afrika izay ikendrena ny :

..hitsaboana ny tsy fahalalàna faobe momba ny lasan'i Afrika. Mba hiatrehana io fanamby io izay mifototra amin'ny famerenana manangana indray tantara irain'i Afrka afaka amin'ireo fihevitreverana fahatany ara-poko nolovaina tamin'ny fifanakalozana mainty hoditra ho andevo sy ny fanjanahana, ary fandrisihana vina afrikana, ny UNESCO dia niantso ireo afrikana manampahaizana manokana sy ireo avy amin'izao tontolo izao tamin'izany fotoana. [..] Ambany fanaraha-mason'ny Komity siantifika iraisam-pirenena iray izay ny roa ampahatelony dia afrikana avokoa, ny fandrafetana ireo bokibe valo  amin'ny Tantara Ankapoben'i Afrika dia nilàna fanetsehana mpahay tantara niisa 230 sy manampahaizana manokana nandritra ny 35 taona.

Ao amin'ny facebook,  ny vondrona “Mémoire d'Afriques” dia mametraka ho tanjona ny hanainga :

adihevitra iray manodidina ny olo-malaza iray teo amin'ny tantara afrikana na ny vahoaka mainty. Ny antony dia ho famahàna ny lela amin'ireo resaka izay mazàna ambara ho fady, mba hanesorana ny vovoka mandrakotra ny fasan'ireo mahery fo mainty hoditra [..] ny tanjona tsotra napetrakay dia ny hanao izay hahitan'ny zanakay, ny fianakaviambe panafrikana sy ny zanany am-pielezana, ny hanaitra adihevitra ary angamba fahalinana ihany koa. [..] Azonao atao ny maneho ny hevitrao mikasika lohahevitra iray izay mahaliana anao ary tafiditra ao anatin'ny faritry ny zavatra mahaliana anay eto. Nefa tsy mikisaka mankany amin'ny resabe tsy mahasoa, ny faniratsiràna na tsy fifandeferana [..] isika tsy maintsy manantena hoe ny fahalinantsika amin'ny tantaran'ny kaontinantantsika dia hitohy hampiray antsika.

Tantara iray manan-karena, matevina loatra ka tsy ho àry ho voatanisa etoana amin'ny tena maha-izy azy. Noho izany dia ampahany nofantenana no resahana, ohatra, ny tantaran'i Togbè Agokoli, mpanjakan'ny Ewés, nanangana ny Fanjakana Notsé tao Togo [lahatsary]:

Vahinin'ny tantara 040612 ” Ny Mpanjaka Togbui… natolotry ny  telesud

Ao Accra, Ghana, nasiana ny “iray volan'ny tantara mainty”[en]  tamin'ny volana Martsa lasa teo mba hankalazàna ny tantara panafrikana.  Marobe ireo mpiondana aterineto nankasitraka ity zotom-po hampahafantatra bebe kokoa ny tantara Afrikana ity.

Taorian'ny nijereny ny lahatsary tetsy ambony, Boris Amouzou dia manamafy hoe :

Ny tiako tao anatin'ilay fandaharana, dia izy nahafahantsika namerina niaina iny ampahan-tantaran'i Togo verintsika iny..

Saingy ny fiverenana mianatra ny tantaran'ny kaontinanta dia asa maharitra. Mampahatsiahy antsika i Jacques Binet fa ireo tomponandraikitra afrikana dia mizaka ihany koa ny ampahany amin'ny fanakianana momba io tantara adino io :

Ilaina averina noho izany fa ny daholobe sy ireo parlemantera afrikana dia naniry sekoly iray sy fandaharanasa mifanaraka tsara amin'ireo misy any Frantsa.

Malassem anefa mihevitra fa ny tsy fahalalàna ny tantara afrikana dia tsy  olan'ny tsy fahampiana mikasika ny hoenti-mana intsony fa resaka zotom-po :

Ry Afrika, ry Afrika-ko. Afrikan'ireo mpiady nanana ny hambony. Misy dindo hatrany ny tantara. Fahavoazana ho an'izay te-hitohy hitoetra ao anatin'ny tsy fahalalàna mandrakizay.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny