- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolgaria: Hetsi-panoherana Manohitra Ny Lalàna Momba Ny Ala Ao Sofia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Tamin'ity herinandro ity, vita fahirano nandritra ny roa andro i Sofia renivohitr'i Bolgaria ny 13 sy 14 Jona noho ireo fihetsiketsehana tsy nahazoana alàlana manohitra ny fanovàna tsy mazava ny Lalàna momba ny Ala, fantatra amin'ny hoe “Amendments ‘Vitosha ski’ [1]” satria voalaza ho natao teo ambany teritery nataon'ireo orinasa tomponà toby filalaovana fikorisàna ambony ranomandry ao an-tendrombohitr'i Vitosha akaikin'i Sofia izany fanovàna izany. Manodidina ny 5.000 ireo olona (2.000 tamin'ny andro voalohany ary 3.000 ny faharoa) nandray anjara tamin'ireo hetsi-panoherana.

Ny Lalàna momba ny Ala dia manome alàlana ny fametrahana karazana fotodrafitrasa sy fitaovana samihafa momba ny fikorisàna ambony ranomandry nefa tsy ilàna fanovàna ny toetoetry ny tany. Maro ny olona mihevitra fa ireo “oligarques,” olom-bitsy mitàna ny fahefana ara-politika, miaraka amin'ireo tsindry aloka ataony amin'ny Parlemanta, dia maniry ny hahafahan'ny olon-tsotra mampiasa ireo tany ireo.

Ireo mafàna fo mpiaro ny tontolo iainana sy ireo olona hafa dia nifandamina izy samy izy niaraka tamin'ny fanampian'ny Facebook [2] [bg], Twitter, ary ny SMS.

Ny 13 Jona, andro voalohan'ireo hetsi-panoherana, dia andro nahaterahan'ny praiminisitra Bolgara Boiko Borisov [3], ahiahiana ho mifandray tendro amin'ireo “oligarques.”

Ilay Bolgara mpanao gazety, Ivan Bedrov, dia nanoratra hoe “Arahaba nahatratra ny fitsingerenan'ny nahaterahanao, andriamatoa Boiko” tao amin'ny bilaoginy [4] [bg], sady nampakatra lahatsary iray avy amin'ny famoriam-bahoaka ny 13 Jona :

Doraid al Hafid, mafàna fo iray sady mpikambana ao amin'ny  Fikambanan'ireo Eoropeana Mpanao Gazety – Bolgaria [5], dia nampakatra ity saripika avy amin'ny famoriam-bahoaka ny 13 Jona ity ho ao amin'ny pejiny Facebook :

Aongano i Boiko!

Miisa 24 ny olona nosamborin'ny polisy tao anatin'ny roa andro nisian'ny hetsi-panoherana, ary olona teo no voalaza fa naratra.

Ity ambany ity ny lahatsary iray noraketin'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity, mampiseho ny fanombohan'ny fisamborana tamin'ny 13 Jona:

Taorian'ny famoriam-bahoaka ny 14 Jona, nizotra tampoka ho any amin'ny tranobe fiasan'ny Filoha ny olona. Ity lahatsary ity dia mampiseho ny fisian'ireo polisy marobe :

Betsaka ireo lahatsary avy amin'ireo hetsi-panoherana no azo jerena ato [6] sy eto [7].

Ny pejy Facebook “Occupy Bulgaria”, na Bodoy i Bolgaria, (izay ahitàna mpikambana maherin'ny 14.000) dia nampakatra saripika 44 [8] avy amin'ny hetsi-panoherana ny 14 Jona.

Misy fanangonan-tsonia iray ao amin'ny Avaaz: “Angataho ny Filoha hanao didy tsy azo ivalozana amin'ilay lalàna vaovao momba ny Ala sy hamàrana ny fanomezan'ny Governemanta vàhana tsy am-pieritreretana ireo olom-bitsy” [9].

Ny hetsi-panoherana fahatelo dia nokasaina hatao ny 15 Jona. Ny Hetsika Facebook [10] [bg] ho azy io dia nomena anarana hoe “Bahano ny Tetezana Orlov Bridge III.”