17 Jona 2012

Tantara tamin'ny 17 Jona 2012

Yemen: Iza No Hitàna Ny Fitsinjaram-Pahefana Ao Yemen Taorian'ny Fodiamandrin'ny Printsy Nayef ?

Maneho hevitra mikasika ny fahafatsan'i Nayef bin Abdulaziz Al Saud, Printsy mpandova fanjakana sady Minisitry ny Atitany reo Yemeni mpiondana aterineto. Izy no lehilahy matanjaka nitàna ny fitsinjaram-pahefana tao Yemen ary ambara ho niketrika ny fanisahana ny Al-Qaeda hiala tao Saudi Arabia ho any Yemen. Voatanisa ao anaty Wikileaks ihany koa izy ho nanondro an'i Yemen ho firenena tsy mankaiza.

Pakistana: Mandria Am-piadanana Mehdi Hassan, Mpanjakan'ny Ghazal

  17 Jona 2012

Nodimandry ny Alarobia 13 Jona 2012 i Mehdi Hassan Khan, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe 'Mpanjakalahin'ny Ghazal’, taorian'ny aretina nitarazoka tany anatinà trano fitsaboana tany amin'ny tanànan'i Karachi any Pakistana.. Manome ny fanomezam-boninahiny azy ireo mpampiasa aterineto.

Tiorkemenistana: Mamarana Ny Fanaovan'ny Fanjakana Ampihimamba Ny Fiverenan'Ilay Tambajotranà Finday Rosiana

Taoriana fikatonana tsy nisy fanazavana nataon'ny governemanta tamin'ny 2010, hamerina ny asany any amin'ny firenena ilay tambajotra mpandraharaha finday Rosiana malaza MTS, izay nanana mpanjifa sahabo eo amin'ny antsasaky ny mponina Tiorkemenistana eo. Faly ireo mponina ao Tiorkemenistana mpampiasa aterineto amin'ireo vaovao ireo, manome sosokevitra ny amin'ny hanomezan'ny tambajotra tolotranà finday tsara kalitao sy fidirana amin'ny aterineto tsy voasivana, mamarana ny fanaovan'ny fanjakana ampihimamba io sehatra io.