Korea Atsimo: Fandrindràm-piterahana Niteraka Resaka Be

Ny 7 May 2012 dia nanambara ny sampandraharaha Koreana misahana ny Sakafo sy ny Fanafody fa ny fanafody fampiasa maika ho fisorohana ny vohoka, fantatra amin'ny hoe morning-after pills, na ‘Pilina raisina ny ampitson'iny’ dia ho azo jifaina malalaka. Na izany aza, ireo pilina atelina ho fisorohana vohoka izay namidy malalaka teo aloha dia ilàna taratasim-panafody. Ho an'ny tanora dia mbola ilaina hatrany ny taratasim-panafody ho an'ireo pilina fampiasa maika.

Niteraka resabe teny anivon'ny aterineto ireto fiovàna tampoka teo amin'ny fepetra fomba fahazoana fanafody  ireto. Na dia mbola misy aza ny resaka mandeha eny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny mpitsabo momba ny risika sy ny maha-mahomby na tsia an'ireny fanafody fampiasa maika ho fisorohana vohoka ireny, maro amin'ireo Koreana mpampiasa ny aterineto no naneho ny tsy fitovian-keviny amin'izao fiovàna henjana izao. Araka izay voatanisa ao amin'ny lahatsoratra vaovaon'ny Hangyoreh [ko], nanakiana ilay fanapahan-kevitra ireo fikambanana mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ireo vehivavy tanora tsy mbola manambady, fanapahana izay mamadika ireo fanafody fisorohana vohoka efa mahazatra ho lasa sarotra dia sarotra.

Contraceptive pill. Image by Flickr user  Beppie K (CC BY-NC-SA 2.0).

Pilina fisorohana vohoka. Sary an'ilay mpampiasa Flickr, Beppie K (CC BY-NC-SA 2.0).

@redparco , mpampiasa Twitter, dia mampahatsiahy [ko] ny olona mikasika ny fitsaratsarana mahazo ireo vehivavy tsy manambady tonga manatona mpitsabo ara-pananahana ao anatin'ny fiarahamonina  Koreama Atsimo, izay mbola somary mpifikitra amin'ny fomban-drazana sy mandray ny lehilahy ho loham-pianakaviana :

유럽은 다들 그렇게 하고 있다는 얘길 하려면 한국에서도 그 나라들처럼 부인과 진료나 사전,사후 피임약의 접근성이 좋아져야지. 한국 미혼 여성들이 사전 피임약 처방 받으러 산부인과 자연스럽게 드나들 수 있는 분위기나 마련하고 할 말이지.

Raha toa ry zareo [sampandraharaha misahana ny Sakafo sy ny Fanafody] te-handray ny tranga Eoropeana ho ohatra, dia tokony hataon-dry zareo izay hampahalalaka ny fahafahana manao fizahana ara-pananahana sy mahazo ireo fanafody fisorohana vohoka — tahaka izay atao any amin'ireo firenena Eoropeana ireo. Farafahakeliny ry zareo mba tokony hametraka rivo-piarahamonina sosialy izay hahazoan'ireo vehivavy tsy manambady aina tsara rehefa mba mamonjy mpitsabo ara-pananahana haka fanafody fitelina ho fisorohana vohoka.

Niala avy any  i @marisusa [ko] niaraka taminà tohan-kevitra nitovitovy tamin'izay :

[…] 사후피임약이라는 단어 뉘앙스가 피임책임을 여성 일방에게만 지우는 방식으로 악용될 우려가

Ny pilina raisina ny ampitson'iny, na ‘morning-after pill‘ dia tahaka ny fanomezan-tsiny ny vehivavy amin'izay nitranga ihany. Ary dia mety hisy ny fanararaotana amin'ny fampiasana azy amin'izay fijery izay.

ThinkThink, taorian'ny nanasàny namana hafa hanatevin-daharana adihevitra iray, dia naminavina [ko] hoe ilay fiovàna tampoka teo amin'ny politika ity dia manaraka lalan-kevitra amin'ny fikatsahana tombony betsaka ho an-tena fa tsy ny ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny daholobe akory. Shin Jae-eun dia nanamarika avy hatrany teo ambanin'ny lahatsoratr'ilay mpampiasa aterineto hoe :

병원처방이 필요해지면 남의 눈 의식하다보니 못가기도 할꺼고 피임률은 줄고 오히려 낙태률이 높아질듯 싶네요[…]진짜 적극 반대네요.

Rehefa lasa tsy maintsy ilàna taratasim-panafody ny fanafody [fitelina] fisorohana vohoka, ireo olona matahotra ny mason'ny hafa dia tsy ho sahy hamonjy [mpitsabo ara-pananahana] an-kalalahana – izay hiafara amin'ny fitomboan'isan'ny fanalàn-jaza sy ny tsy fahombiazan'ny fandrindràm-pterahana […] Manohitra azy io tanteraka aho.

Raha ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto mampitandrina momba ny loza mety hateraky ny pilina fampiasa maika ho fisorohana vohoka, indraindray manondro azy ireny ho toy ny  ‘baomba hormonaly’, ilay mpampiasa Twitter, @__mangmang kosa nibitska hoe [ko]:

사후피임약은 그야말로 ‘응급'피임약이고, 일반의약품으로 전환되는 건 옳다고 생각한다. 그러나 경구피임약(사전 복용)이 전문의약품화되면 10대들, 작은 공동체에 사는 비수도권 여성들의 피임약 구매는 현실적으로 더 어려워질 거다.

Raha ny marina, ilay pilina fampiasa maika ho fisorohana vohoka – araka ny anarany rahateo – dia pilina “fampiasa anaty hamehana”, noho izany dia tsy misy zavatra tokony tsy hahamety ny famarotana azy malalaka. Kanefa,  rehefa navadika ho tsy maintsy ilàna taratasim-panafody ny pilina fitelina ho fisorohana vohoka, dia tena henjana izany, azo lazaina ho tsy vitan'ny tanora intsony, sy ny vehivavy miaina any amin'ny faritra kely ivelan'ny tanàn-dehibe sy anaty vondrom-piarahamonina madinika ny hividy ilay pilina [lavitry ny mason'ny olona].

Ery ankilan'ireo vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy, ny fiangonana Katolika dia manohitra ilay fanapahan-kevitra. Ny fiangonana Katolika ao amin'ny faritanin'i Chungcheong aza dia nanao hetsi-panoherana  teo anoloan'ny tranoben'ny Sampandraharaha misahana ny Sakafo sy ny Fanafody, nampitandrina fa ilay pilina [fampiasa maika ho fisorohana vohoka] dia mety hanimba ny maoralin'ny olona sy hanome lesona ratsy mikasika ny lanjan'ny aina, indrindra fa ho an'ireo adolantsento  – tohan-kevitra iray tsy lanin'ireo mpampiasa Twitter marobe.

@symadam5 nibitsika hoe [ko]:

사후피임약 일반의약품 판매로 성문란,낙태조장을 주장하는 가톨릭은 […] 현실감각이 없는건지,이 나라 불법낙태와 해외입양율 보면 이미 최고수준인데 왠 상상력?사전피임못함 사후라도 해야니 긴급,응급피임약인데 72시간내 먹는게 낙태란건 과장이 심해

Ry zareo Katolika izay manamafy fa ny fanaovana izay hampahalalaka ny fanjifàna pilina fampiasa maika ho fisorohana ny vohoka dia hampiroborobo ny fahasimban'ny ara-maoraly sy handrisika ny fanalàn-jaza – fa efa tsy mitehan-tany intsony ve ry zareo e ? Ny tahan'ny fanalàn-jaza tsy araka ny lalàna sy ny tahan'ny fananganan-jaza iraisam-pirenena dia efa faran'izay ambony be sahady eto amin'ity firenena ity. Karazana fomba fisaina manidintsidina toy inona ity an-dry zareo ity e? Raha tsy afaka mahazo pilina fitelina ho fisorohana vohoka ny olona iray, dia tokony ho afaka mandray ny pilina fampiasa maika izy – izay no antony iantsoana azy hoe fisorohana  ‘maika’. Dia efa fanitàrana tafahoatra kosa ny filazana fa azo adika ho fanalàn-jaza ny fandraisana ilay pilina ao anatin'ny 72 ora.

Ity fanovàna tamin'ny politika mikasika ny fisorohana vohoka ity dia tokony hanomboka hanan-kery amin'ny fiandohan'ny taona ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.