12 Jona 2012

Tantara tamin'ny 12 Jona 2012

Yemen: Voazava Ny Tanjak'i Arabia $aodita

Tsy afenina intsony ny herin'ireo mpiray vodirindrina amin'i Yemen, manankarena sy mantajaka, amin'ny raharaha anatiny. Tsapan'ny Yemenita am-polo taona maro ny fitsabahan'ny Arabia Saodita. Ankehitriny ny Yemenita dia manana lisitr'ireo mpanao politika sy filoham-poko voalaza fa karamain'ny Araia Saodita. Tahaka izao ny fanehoan-kevitr'ireo Yementai mpampiasa aterineto, ato amin'ity lahatsoratra nosoratan'i Noon Arabia ity.

Palestina: Akoho Mpampihorohoro Tao Gaza Natao Resabe Tao Amin'ny Twitter

Ny 5 Jona , voadaroky ny fanafihana an'habakabaka Isareliana ny toeram-piompiana akoho iray tao atsimon'i Lemak'i Gaza, namoizana ny ain'ireo akoho mpikakakaka am-polony maro. Ho setrin'io fanafihana io, ireo mpampiasa Twitter dia nalaky tokoa tamin'ny famoahana tenifototra mahatsikaiky, #JihadiChickenBrigade, na Brigadin'akoho Jihad, izay tsy ela dia lasa fironana be nanerana izao tontolo izao.