Gresy: Ny Aingam-panahy Ao Ambadik'ilay Sarinà ‘Maenad Maoderna ‘

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Eoropa anaty krizy

“Manonofy isika. Samy mbola velon'aina. Saingy … tsy maintsy miady.”  Ireo no fehezanteny efatra izay nanaraka ilay sary teo aloha nitondra ny lohateny hoe  ‘Greek Maenads’, an'ilay sady mpakasary no bilaogera ‘Dimitris the Athens‘. Mampiseho vehivavy tanora iray miboridana ilay sary, sary iray amantarana ny Maenad maoderina [Maenad , vehivavy fahiny mpanaraka an'i Dionysus araka ny lovan-tsofina], mandeha rà eo amin'ny foitrany ary toa mitazona zazakely vao teraka eny an-tànany, ny saina Grika.

Ilay sary, izay nitety izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny media sosialy, dia manasongadina ny toe-javatra ara-psikolojika iainan'ny vahoaka Grika amin'izao fotoana, ny reharehany very sy ny hatezerany, nandritra ny niainany ny krizy.

Nanazo aingam-panahy i Dimitris the Athens mba hamorona ilay sary avy amin'ireo Andriamanibavy Grika teo amin'ny tantara fahiny, nantsoina hoe Maenads. Ao amin'ny bilaoginy, manoratra [el, uk] mikasika azy ireny izy :

Andriamanibavy ny Maenades, ireo vehivavy manodidina sy mpanara-dia ny Andriamanidahy Dionysus, ny anaran-dry zareo dia midika ara-bakiteny hoe “mpisary gaigy. (…) Araka izany, ny tena toetra mampiavaka ny Maenads dia ny fisariana gaigy fanaon-dry zareo tonga amin'ny faratampony izay mazàna nalainy tahaka avy amin'i Dionysus ary anatin'ny fifangaroharoan'ny dihy sy ny hamamoana noho ny zava-mahadomelina dia tsy voafehin-dry zareo intsony tenany, manomboka mikiakiaka  sy mitondra tena toy ny gaigy, mahery fihetsika sy lasa lavitra noho izay fitondrantena feno herisetra tsy takatry ny saina. Ao anatin'izao andro maoderina eto Gresy izao, mbola misy ny Maenads ary mbola mitohy mitondra fahasorenana…

Modern Greek 'Maenad'. Photo by Dimitris the Athens, dimitristheathens.blogspot.gr.

'Maenad'-n'ny Grika Maoderina. Sary an'i Dimitris the Athens, dimitristheathens.blogspot.gr.

Dimitris the Athens, nanao tafatafa manokana ho an'ny Global Voices mikasika ny sariny, dia miteny hoe natosika sy nentanin'ny ainganm-panahy avy amin'ny tsy firakan'ny olona sy ny fahantrana misy manodidina antsika ankehitriny izy :

Maharary ahy sy mandreraka ahy ny mahita sary any anaty fampahalalam-baovao vahiny mampiseho ireo olona tsy manan-kialofana,  ny mpifindra monina, ireo mpanao politika tsy mahavita azy. Hoavy…. Fahaterahana indray… Hambo…. any rehetra any…

Momba ny Maenads-n'ny Gresy Maoderina, hoy izy hoe :

Tsy vitako ny manavaka azy ireo mazava tsara saingy  azoko “fofonina” tsara ny fisian-dry zareo. Ao anatin'ny làlany tsara ry zareo ary efa miomankomana. Tsy lavitra antsika. Azontsika atao ny mahita an-dry zareo eny amin'ny fototra, eny anatin'ny fahatsiarovan'ny atifanahin'ny vahoaka eny, izay hanao hetsika tsy misy hidiran'ny Andriamanidahy Dionysus akory, amin'ity indray mandeha ity.

Ho toy ny hafatra iray mazava avy amin'ilay sary, dia eo ny filàna mihetsika sy miady., Dimitris the Athens dia manome ny fanazavany mikasika ny dikan'ny hoe ady :

Ny ady dia manomboka amin'ny fanapihana ny vata fahitalavitrao sy fihetsehana amin'ny zavatra rehetra izay nivadika ho toy ny foto-kevitra ary nampietry ny hambontsika (ny fanomezantsika lanja ny tenantsika). Ity ady ity tsy hoe resaka ara-bola na politika, ady ara-pitondrantena io.

Mino mafy mihitsy izy fa ny olan'ny Grika dia olana ara-pitondrantena, saingy araka ny famintinany, nindramany ny tonon'ilay hira Grika manao hoe :
Hafa tsy ho toy ny taloha ny andro ho avy, saingy ho andro mahafinaritra kosa.
Nisarika ny sain'ireo media sosialy sy tranonkalam-baovao maro ilay sary, tsy tao Gresy ihany fa manerana izao tontolo izao. Papapetrou Patroklos, mpampiasa Twitter dia nibitsika hoe :
@ppapapetrou76: Tena ilainao ny mahita/ mamaky an'ity  : #MAENADS http://dimitristheathens.blogspot.com/2012/05/maenads.html Sary tena manohina ahitàna vahivavy iray mandeha rà mitazona ny sainam-pirenena  #greek grika
Ny tranonkalam-baovao Greek Reporter dia manoratra  mikasika ny fiantraikan'ity sarinabout the impact of the bloody Maenad:
Ny mpampiasa ireo tambajotra sosialy marobe manerana izao tontolo izao, toy ny Facebook sy Twitter, dia namoaka ilay sary tany amin'ny mombamomba azy ireo daholo, niteraka fiforonana rojonà Maenad Grika mihoson-drà, nifampizara ilay hafatra. (…) Ilay teny faneva lava mampiasa teny fohy dia izay ao an-tsain'ireo Grika isan'andro vaky, hoe miady amin'ny olana ara-bola i Gresy ary mety ho antony io mahatonga ilay sary ho lasa malaza be avy hatrany .
Ny fanehoan-kevitry ny olona mikasika ilay sary dia manaporofo mivanta ny fanamariha'ilay mpaka sary fa ao anatin'izao andro maoderina eto Gresy izao, mbola misy ny Maenads ary mbola mitohy mitondra fahasorenana…
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Eoropa anaty olana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.