Bahamas: Famakafakàna Bilaogera Momba Ny Valim-pifidianana

Ny valim-pifidi-anana ankapobeny ny alatsinainy teo tany Bahamas no nanome governemanta vaovao ho an'ny firenena : ny Antoko Mirona Liberaly (Progressive Liberale Party na  PLP), izay nipetraka tamin'ny toeran’ny mpanohitra tao amin’ny parlementa teo aloha, no voafidy ho eo amin’ny fahefàna, izay antsoin’ireo bilaogera hoe fandresena fikorisan'ny tany [goavana] . Nanao tomba-maso vetivety tamin’io valim-pifidianana io i Rick Lowe ao amin'ny Weblog Bahamas:

Lazain'ny tatitra fa nahazo farafaha-keliny 27 tamin’ny  toerana 38 ny PLP nandresy ny antoko mitondra FNM [Hetsi-pirenena Afaka] ka hanangana ny governemanta vaovaon’i Bahamas

Tsy nahazo toerana ny antoko vao misondrotra DNA [Fiaraham-Pirenena Demokratika] fa mety ho nanimba ny toerana roa noheverina ho azon'ny FNM. Izaho anefa tsy mieritreritra fa izy ireo no nahatonga ny FNM ho resy.

Arahabaina Atoa. Perry Christie sy ny PLP.

Tonga iray andro taorian'ity lahatsoratra, izay niadiany hevitra amin'ny tamin’ny rahalahin’i Perry Christie efa lasa praiminisitra ankehitriny “miezaka ny miaro ny zava-bita ara-toekaren'[ny teo aloha]” ka ilazany ilay bilaogera ho “ tsy mahalala ny zava-misy mihitsy” amin'ny maha-manampahaizana momba hetra azy izao fiarahabana ny antoko nandresy izao

Ny teboka vita tamin'izany fotoana, (Febroary 2012)  eny fa na dia eo aza ny fidiram-bola ambony vokatry ny fiodin'ny toekarena manerantany mandeha tsara, mivandravandra ho an'ny fitondrana ny nampiditra fatiantoka tahaka izao. Hita miharihary fa tsy miaro ny fampidiran-ketram-panjakana  na politika ara-toekarena izany.

Manan-jo rehetra hiaro ny fomba fijerin'ny rahalahiny eo amin'ny zava-bita ara-toekarena Atoa Chistie, saingy tsy manome azy zo hanova ny hevitry ny olona hafa izany

Ny fananana toe-tsaina tsara no tokony ho lohalaharana eo amin’ny governemanta mba tsy hanaovan’izy ireo fahadisoana mitovy fanindroany indray.

Nandritra ny andron'ny fifidianana aza,  namoaka eritreritra sendra nandalo momba ny fepetra isan-karazany mety nisy fiantraikany eo amin’ny valim-pifidianana ny Blogworld :

Ity no fotoam-pifidianana mahasondriana indrindra izay niseho efa ela, tena efa ela, satria ny faminavinàna tsirairay tsy maintsy ampiarahana amin'ny fihodina vaovaon'ny baolina sady tsy mahazatra : ny fisongadinan'ny hetsiky ny antoko fahatelo.

Tsy miteny ny DNA aho. Satria manangona ny zavatra niova teto amin'ny firenena ny Fiaraham-Pirenena Demokratika (DNA), zavatra heveriko hitombo, na dia mahomby amin'ny famelezana ny DNA aza ny naman'ny antoko roa. Fa momba ny fizarana [fisafidianana] eo amin'ny antoko roa lehibe ao Bahamas nivelatra [tsy nahy=par defaut]. Noho ny fisarasarahana ela sy manana ny heriny eto amin'ny firenentsika ny faka niaviany: ny fanasokajiana efa an-jato taona ireo Bahamiana mainty ho “teratany” (nosokajiana ho “mponina” ireo Bahamiana fotsy hoditra) izay manompo ireo tsaratsara kokoa noho izy ireo no ilàna azy ,fa tsy hitondra. Efa nalevina tao anatin'io fifanavahana ho roa io ny fisarahan-kevitra FNM-PLP, na amin'ny tsara na amin'ny ratsy, ary ampolony taona ny mpanohana ny PLP no efa nirona tamin'ny fanomezana vahana ny ny Bahamiana mainty hoditra, raha misolovava amin'ny Hetsika Bahamas tokana kosa ny mpiandany amin'ny FNM (ny tiako lazaina tsy voatery hitovy dika ny hoe Bahamiana sy mainty). Vokatr'izany, izay rehetra nifidy in-droa na mihoatra dia tokony hahatsiaro fa tsy nisy fampielezan-kevitra tahaka ity vao natrehina ity navela hiresaka volon-koditra, na eny amin'ny sehatra fihaonana izany, na taratasy ho an'ny tonian'ny famoahana, na tamin'ny fakana faka andian-tsarimihetsika amin'ny fahitalavitra Amerikana

Nopotehin'ny hetsiky ny antoko fahatelo izany dongona izany. Manan-tantara ny fifidianana 2012 raha amin'ny endriny maro, fa ny iray tena nanivaka dia tsy voamariko ny firesahana foko nandritra ny fampielezan-kevitra… ny zavamisy tsotra tsy lohahevitra lehibe ho an'ny ankamaroan'ny Bahamiana intsony ny resaka foko. Tsy miteny aho hoe tsy misongadina intsony ao amin'ny fiaraha-monintsika io; fa ny ny tolo-kevitro hoe tsy izany intsony no antony voalohany mamaritra teneniko ny fahafahana hahomby eto Bahamas. Miha-tsy misy antony ny fototra nananganana ny FNM sy ny PLP, ary ho very ao anatin'ny fotoana vitsivitsy ny ‘mpikatroka fototra’ eo amin'ny roa tonta.

Mitohy ny lahatsoratra:

Misy zava-dehibe eto, ary zavatra heverina ho tsy tao an-tsain'ny manam-pahaizana. Ny sakana lehibe indrindra eo amin'ny antoko fahatelo hahazo laka avy amin'ny mpifidin'ny Bahamas dia ny fahafahany mampita hafatra. Hatramin'ny fifidianana ampahany notontosaina tao Elizabeth tamin'ny 2010, nila vola betsaka dia betsaka ny antoko fahatelo mba hahenoana ny feony fotsiny. Saingy nanova tanteraka ny kianja ny fahatongavan'ny Facebook sy ny Twitter, ny ankamaroan'ny fahazoan'ny onja maitso manohy ny famoriana dia ny fisian'ny kandidàn'ny antoko fahatelo tao amin'ny aterineto, ny asany, ny fahafahana mifandray aminy ary ny fanetre-tenan'izy ireo hifampiresaka amin'ny mety ho mpifidy. Misy fahasamihafana betsaka amin'ny fomba mahazatra ny antoko ela nihetezana amin'ny politikan'ny fanaovana ho toy ny Tenin'Andriamanitra izany.

Noho izany antony izany, mieritreritra aho fa akaiky loatra ity fifidianana ity hotsaroana. Mino aho fa maro ny zavatra mety mitranga rehefa manomboka ho tonga ny valim-pifidianana afaka adiny iray any ho any. Izay mety hitranga rehetra. Fandresena goavana ho an'ny FNM, lazaina hoe ny fitambaran'ny 4 ampitomboina 7 manome toerana 28? Eny indrindra. Fandresena goavana ho an'ny PLP, amin'ny isa mitovy? Mazava tsara. Trano misasaka, ahitana fitovian'isa eo amin'ny FNM sy ny PLP, ka ny DNA no mampifandanja ny roa tonta? Mety azo heverina. governemantan'ny vitsy an'isa na iraisana, ka ny DNA no miantso ny rehetra? Izany koa.

Rehefa nandeha ny raharaha, ny faminaniany faharoa no marina indrindra. Nampifanaraka ny Weblog Bahamas fa “voamarika” ity fifidianana ity, tamin'ny filazana fa:

Ity fifidianana miavaka, tsy tahaka ny tamin'ny fifidianana 1992, ity no nampiseho vanim-potoana vaovao ho an'ny vahoakan'i Bahamas ( tamin'ny 1992, rehefa nilatsaka tao anatin'ny fahamatorana ara-politika isika, rehefa avy nialoka tao ambany fanevan'antoko politika tokana nandritra ny fotoana lava, izany no nipoiran'ny adolantsento ho ao anatin'ny tontolo

Asehon'ny 2012 kosa, fa tapitra ny lala-kizorana, ary azo lazaina ho matotra ara-politika ihany isika amin'ny maha-vahoaka antsika.

Nanoso-kevitra tao amin'ny lahatsoratry ny bilaoginy i Edward Hutcheson fa “fotoana manantantara ho an'Atoa Perry Christie iny”:

Nanam-bintana izay tara loatra vao azon'olona hafa vitsy eo amin'ny fiainana Atoa Christie, ary ny fahaizany nanararaotra izany no nandrombahany takelaka vitsy eo amin'ny bokin'ny tontolo politikan'ilay mpifanandrina taminy izay resiny.

Ny fanomezantoky, “ny fampielezan-kevitra nentina tamim-pinoana” makadiry, ny vondrona mpitondra fivavahana noraisim-peo te-hahazo mihoatra noho ireo nanao fahadisoana, ny depiote izay mieritreritra fa manan-jo hotendrena ho minisitra, ireny sy ny fangatahana hafa mila Percival Gladstone Christie tiantsika hojerena nefa tsy mbola hitantsika hatramin'izay. Afaka manao izany am-pilaminan-tsaina tanteraka izy ka ataony afera toy ny mahazatra izany, saingy ho an'ireo tsy afa-nanararaotra ho isan'ireo hany azon'ny Bahamiana isaina ? Ny ho voatonona tahaka ny hisefoana an'i Pindling sy i Ingraham aloha mbola mila mametraka « finoana » sy « mametraka ny Bahamiana ho lohalaharana » ao anatin’ny zavamisy tsy manavaka izay lazain'ny mpitarika iray sy izay nomaniny ho an’ny Bahamiana rehetra.

Kanefa nisy vokatra hafa avy tamin'ny fifidianana izay nifampiresahan’ireo bilaogera-  ny fialàn'ny praiminisitra teo aloha Hubert Ingraham amin'ny maha-mpitarika ny Free National Movement [Hetsi-Pirenena Afaka] azy sy ny filazany fa « tsy hianiana amin'ny maha-mpikambana ao amin’ny Parlemanta an’ny Abaco Avaratra azy ary tsy hianiana amin'ny maha-mpitarika ny mpanohitra azy». Nanazava i Larry Smith ao amin'ny Bahama Pundit :

Eny, efa resy sy niala i Ingraham teo aloha – tamin’ny 2002, rehefa voailika avokoa ny FNM sy ny governemantany. Fa tsy hisy kosa ny fiverenana amin'ity indray mitoraka ity – ny taona sy ny fisehoan-javatra no hahitana izany… Ankoatra ny fanaovana ny mety indrindra sy ny fialana tsy ho mpitarika antoko, niteny ihany koa i Ingraham fa tsy handray ny toerany any Abaco Avaratra, ka mamela ny FNM ao hanam-pahasahiranana eo amin'izay hitondra azy…

Mampihomehy (mampalahelo ho an'ny sasany) fa iray andro monja taorian'ny nangatahiny tamin'ny vahoakan'i Bahamas mba hanome vintana farany azy hamitàna ny “asa eo amin'ny androm-piainako”, amin'ny alalan'ny fifidianana faninefany tsy misesy indray ny antoko FNM , ny fiatoan'i Ingraham eo amin'ny raharaham-panjakana.

Ny hirahiram-boron'Ingraham ho praiminisitra no fotoam-pandrosoana goavana sy tena nilàna fampiasam-bolan'ny fotodrafitrasa. Fa ny vokatry ny Fijotsoana [ara-toekarena] Goavana koa niteraka fahasorenana ara-toe-karena ho an'ny Bahamiana ankapobeny, izay naneho ny fahasorenany tamin'ny alalan'ny isam-bato ampy hanoherana ny antoko eo amin'ny fitondrana.

Ny hajia nampiasana tao amin’ity lahatsoratra ity, VIP-Bahamas-parlemanta t, avy amin’i est _studio_jari , nampiasana noho ny Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0) Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i est studio jari ao amin'ny flickr

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.