Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika

Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra.

Tsy noraisin'ny Fitsaran'ny Distrika afovoany ao Seoul  ny fitoriana nataon'ny mpanoratra sy ny tranom-pirinty namoaka ireo boky nosokajian'ny minisiteran'ny Fiarovana ho “manakorontana” na “mampivily lalana” tamin'ny  31 mey 2012. Nilaza izy ireo fa ny fandraràna ny boky eo anivon'ny tafika dia fandikana ny zo an'olo-tsotra hanara-baovao, izay anisan'ny zo demokratika voalazan'ny Lalampanorenana Koreana. Naneho ny ahiahiny sy ny fahatezerany ihany koa ny vahoaka Koreana mikasika ny fanapaha-kevitry ny fitsarana. Hita ao amin'ireo boky 23 ny boky be mpividy momba ny toekarena sy boky misy fizarana roa avy amin'ilay progresista Amerikana Noam Chomsky.

Books for sale in Seoul

Fivarotam-boky ao Séoul, Koera Atsimo (2008). Sary: Christopher Rose, Flickr (CC BY-NC 2.0)

Tamin'ny taona 2008 no nanomboka nandrara ny boky ny minisiteran'ny Fiarovana, nasongadina tamin'izany fa miendrika fanakorontanana ny boky manome firaisan-kina amin'i Korea Avaratra komonista sy ny tsikera amin'ny rafi-toekarenan'i Etazonia sy Korea Atsimo, izay mety hampihena herimpon'ny tafika. Nanamafy izy ireo fa afaka mandrara boky izay hita fa mpanohana an'i Korea Avaratra, manohitra an'i Korea Atsimo sy manohitra ny Amerikana, na manohitra ny rafitra kapitalista.

Araka ny voalazan'ny lahatsoratra tao amin'ny gazety Koreana tatsimo Hankook [amin'ny teny koreana], notsikerain'ny konservatera Koreana-Atsimo ihany ny fanapaha-kevitry ny fitsarana noho ny tsy fanomezany fanazavana ampy tsara mikasika ny boky lazaina fa manakorontana sy noho ny tsy firaharahiany ny tombontsoa very sy ny voka-dratsin'izany eo amin'ny lazan'ny mpanoratra sy ny mpanonta ny boky.

Taorian'ny lahatsoratra, nanome tsiny ny fanapaha-kevitry ny fitsarana ireo fanehoan-kevitra marobe  :

Chung Jae-hwa naneho hevitra hoe:

이게 자칭 보수들의 수준이지…. 신자유주의를 비판하거나 정부에 조금만 비판적이면 불온서적….멀쩡한 좌파도 보수세력의 눈에는 종북세력이 되버리는 현실.

Izao no mampiseho ny fahambanian'ny kaonservatera. Raha vao misy mitsikera ny “néo-libéralisma sy ny governemanta dia nosokajian'izy ireo ho toy ny «manakorontana » izany. Amin'ny fijerin'ireo olon'ny antoko ankavanana, heverina ho mpanohana an'i Korea avaratra izay mpanohana ny antoko ankavia.

Toa hita fa tsy mba fantatr'ireo tanora marobe mpiserasera mihitsy fa efa nisy teo aloha izao karazana sivana izao, kanefa miahiahy kosa ny taranaka efa nahazo taona fa mety ho mariky ny fiverenan'ny sivana ara-kevitra izao, izay nahazo laka rehefa nanjakazaka nandritra ny fitondrana jadona miaramila. Tratran'izany sivana izany ihany koa ny sarimihetsika sy ny boky tany amin'ny taona 60 sy 80 raha noentin'ny miaramila mpanao didy jadona ny firenena tamin'izany. Noheverina ho mpanohana an'i Korea Avaratra ireo manam-pahaizana marobe, mitsikera ny governermanta, alohan'ny hanenjehana azy ireo.

Tao amin'ny Twitter, @hanget nanoratra hoe:

21세기에 불온 서적이라는게 있다는걸 오늘 처음 알았다.

Tsy noeritreretiko mihitsy hatramin'izao fa mbola manana boky « manakorontana » isika amin'izao taon-jato faha-21 izao.

@merong2221 nanontany hoe:

지금 제가 70년대에 살고있나요? 불온서적? 이념? 아정말 유신시대로의 회귀내

Miaina amin'ny taona 70 aho ankehitriny ? Boky manakorontana ? Misy foto-kevitra ? Fahaverezana tanteraka mankany amin'ny taona Yusin. [Fanamarihana: vanim-potoana Yusin tamin'ny taona nitondran'ny filoha Park Jung-hee tamin'izy nanafoana ny fahalalahan'ny tsirairay, nanambara izy tamin'izany fa “latsaka an-katerena ny firenena”. Izany vanim-potoana izany no voafaritra fa vanim-potoana maizina indrindra teo amin'ny tantaran'ny Koreana ankehitriny]

@blu_pn nanoratra hoe :

법원이 국방부가 베스트셀러 책을 포함한 23종의 도서를 ‘불온서적'을 지정한 행위에 대해 기본권 침해가 아니라고 판결했단다. 대체 지금이 몇년도인가? 아무리 보수적으로 보아도 저건 냉전시대 논리로 21세기를 재단하는 문화적 자해행위다. 한심한…

Nanapa-kevitra ny hanasokajy ny boky 23 ho « manakorontana » ny fitsarana, izay boky ankatoavina manerantany anefa, tsy fanitsakitsahana ireo zo fototra eo anivon'ny tafika ve izany fanapaha-kevitra izany. Vanim-potoana inona izao iainantsika izao ? Mino aho fa fihetsika famonoana ny kolontsaina ny fanapaha-kevitra tahaka izany, na dia fomba fijerin'ny kaonservatera aza,  izay mampiseho miaraka izay (mitranga) amin'ny taon-jato 21 sy ny lojikan'ny Ady Mangatsiaka. Mampahonena tanteraka.

Bad Samaritans: The Myth of Free Trade and the Secret History of Capitalism

Iray amin'ireo boky tratran'ny sivana : Bad Samaritans – The Myth of Free Trade and the Secret History of Capitalism (Tantaran'ny Fifanakalozan ara-barotra sy ny tantara miafin'ny Kapitalisma, nosoratan'i Ha-Joon Chang.

Tezitra Seoh Hae-sung (@jiksseol) :

법률 이전에 책과 지혜를 가두는 사회를 이성적 문명사회라고 보기 어렵다. […] 이 불온을 판단한 자들이야말로 지식기반 문명사회에서 축출해야 하는 불온한 자들이다. 책을 놓아주어라.

Sarotra ny milaza fa ao anatin'ny fiarahamonina mandroso isika raha toa ka foanan'ny lalàna ny boky sy ny fahaizana. Ireo olona namoaka didy fa « manakorontana » ny boky no tokony hoesorina ao anatin'ny fiarahamonina mandroso tsara. Aza sivanina ny boky .

Jeong Yu-mun (@Jymjeongnaneso hoe :

국방부 지정 불온서적을 읽고싶은 마음이 급 땡기는건… 순전히 판사님 덕분이다.

Misaotra ireo mpitsara, toa tahaka ny te hamaky mafy ireo boky lazain'ny tafika fa manakorontana ireo aho.

Marobe ireo olona milaza fa tsy mazava amin'izy ireo tanteraka ny antony nanasokajiana ny boky  be-mpividy momba ny toekarena nosoratan'i Chang Ha-Joon, « Bad Samaritans: The Myth of Free Trade and Secret History of Capitalism » (« Samaritana ratsy fanahy : Anganon'ny fifanakalozana ara-barotra sy ny tantara miafin'ny kapitalisma »), ho «manakorontana ». Chang, mpahay toekarena Koreana Atsimo fanta-daza ao amin'ny Oniversiten'i Cambridge, nanoratra tao amin'ny bokiny fa tsy tokony hampihatra ny fifanakalozana ara-barotra malalaka ny firenena mahantra fa tokony kosa harovana sy tohanan'ny governemantany alohan'ny hidirana amin'ny fifaninana lehibe iraisam-pirenena.

Mampiseho ny valandresaka natao tao amin'ny New America Foundation ao Etazonia izay nilazalazan'i Chang momba ny bokiny ity lahatsary Youtube eto ambany ity.

@100HyeRyun namehy hoe :

장하준 교수의 ‘나쁜 사마리아인’ 국방부 불온서적 지정은 정당하다는 법원의 판결은 도저히 수긍키 어렵다.인터넷상 경제학 전반에 대한 부담없는 교양경제서라고 소개되어 있고 책 내용도 그러하다.이런 책조차 인정하지 못하는 지금의 우리 현실이 부끄럽다.

Nosokajian'ny tafika ho “manakorontana” ny bokin'ilay mpampianatra Chang Ha-jun, Samaritana ratsy fanahy, ary nohamafisin'ny fitsarana izany fandraràna izany – fanapaha-kevitra izay tsy azoko mandrakizay. Marobe ireo fanehoan-kevitra hita ao amin'ny aterineto mikasika ny boky izay milaza fa «mora vakiana, boky momba ny toekarena izay manazava ny fomba fandehan'ny toekarena amin'ny ankapobeny », ary tena toy izany indrindra. Sanganehana tanteraka aho mahita fa miaina amin'ny fiarahamonina tsy manaiky izany boky izany isika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.