Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. Tamin'ny voalohandohan'ity volana ity, voasambotra tany amin'ny Serananam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Bahraina i Rajab rehefa niverina avy tany Beirut. Isan'ireo niampangàna azy ny fanoratana lahatsoratra “manala baraka” tany anatin'ireo tambajotra sosialy (Twitter). Voampanga ho niantso ny fanaovana hetsi-panoherana avy amin'ny alalan'ireo tambajotra sosialy ihany koa izy. Raha ny fantatra dia mampibaribary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Bahrain ireo lahatsorany. Na efa miaraka amin'ny fianakaviany aza i Rajab amin'izao fotoana izao, tsy mbola miala ireo fiampangana azy. Midika izany fa afaka samborina indray izy amin'ny fotoana rehetra, ary voarara ny fivoahany an'i Bahrain. Kasaina hotanterahana ny 17 Jona ny fakana ambavany azy manaraka. Mbola tsy te-hanaiky indray ireo fahavalon'ny Aterineto fa hetsi-pamoretana tena goavana ataon'ireo manam-pahefana Bahraini ny fampiangana ny mpiaro ny zon'olombelona izay mampihatra ny zony amin'ny fahalalahana miteny.

Hanohy hiady araka ny nampanantenainy an'ireo vahoaka tany Bahrain sy ireo mpanohana azy erak'izao tontolo izao ilay Mahery fo Nabeel Rajab anatin'ity lahatsary fohy ity, izay nalaina vantany vao nivoaka izy:

Ny tenin'i Nabeel taorian'ny namoahana azy

 

(Dikateny: “Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra.”)

Eo amin'ny manodidina ny 750 eo ireo voafonja noho ny heviny any Bahrain isan'izany ireo mpitoraka bilaogy, ary ireo mpanao gazetim-bahoaka. Aoka tsy ho adinointsika fa nanjavona efa herintaona mahery izao ny mpitoraka bilaogin'ny Global Voices, Ali Abdulemam ary tsy misy mahalala ny toerana misy azy (na ny fianakaviany aza). Araka ny voalazan'i Rajab, mitohy ny tolona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.