Nepal: Shristi Shrestha No Misalotra Ny Oliravina Nepal 2012

Nanako eny amin’ny fifanakalozam-baovao rehetra ara-tsosialy ny resaka Oliravina Nepal tamin'ny nifidianan'ny mpikarakara an’i Shristi Shretha  nandritra ny Famaranana lehibe momba ny hatsaran-tarehy sy bika tamin’ity taona ity. Tao amin’ny Hotelin’i Annapurna, an-drenivohitr'i Nepal, Kathmandu, moa no nikarakaràna ny lanonana.

Shristi Shrestha izay hita sahisahy sy matoky tena no voasalotra ho oliravina Nepal 2012 teo amin’ny andiany faha-17 tamin’ity lanonana manan-tantara ity. Izy no hisolo tena an’I Nepal amin’ny Oliravina Manerantany 2012 izay hotontosaina amin’ny faha 18 aogositra 2012, any Inner Mongolia, Shina. Nosatrohana ny diademan'ny Oliravina Nepal Iraisam-pirenena i Subeksha Khadka ary nosatrohana ny Oliravina Nepal Tany kosa i Nagma Shrestha tamin’ny fifaninanana. Jereo eto ny fanasatrohana ny diadema!

Na dia hetsika fanao isan-taona aza izy ity, notontosaina fito volana taoriana ny fifaninanana mba hahazoan’ireo ho mpandresy fotoana ampy hikarakaràna ka hahafahana mandefa azy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny hatsaran-tarehy. Manantena dingana lehibe ho vita mandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny hatsaran-tarehy sahady i Nepal.

Efa matihanina amin'ny filatroana sady heverina matetika ho mpilatro Britanika-Nepaly fakan-tahaka ary ela nipetrahana tany Angletera i Shristi Shrestha, Oliravina Nepal 2012, anarana tsy afaka am-bavan’ny maro amin’ny alina. Nisolo ny toeran’I Malina Joshi izay nosalorana nandritra ny fito volana fotsiny I Shrestha.

Shristi Shrestha - Miss Nepal - Image via Naresh Shrestha, Himalayan Times (used with permission)

Shristi Shrestha – Oliravina Nepal – Saripika avy amin’i Naresh Shrestha, Himalayan Times ( nahazoana alalana)

Zavatra iray mahaliana momba ity Oliravina Nepal ity anefa izy tsy mbola nialana fifanolanana mihitsy. Na fanoherana avy amin'ny mpikatroka mpandala ny zon’ny vehivavy mpikatroka na amin'ny fomba fikarakarana azy, mitombo an-dalana isaky ny fifaninanana ireo fifanolanana. Avy eo , misy ny fanoherana tsirairay mandresy lahatra izay mendrika kokoa hisalorana efa vita ny fifaninanana.

Tao anatin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Antony nahatonga ahy tsy nanaraka Oliravina Nepal 2012 sy ny fiantraikany”, Sworup Shakya nanoratra hoe :

Turns out Miss Nepal 2012 was already decided, long before it even stared. I found out that there were multiple pages and blog posts that were supporting one lady, Shristi Shrestha for the crown.

Efa tapaka hatry ny ela mialoha ny fifaninanana ny ho “Oliravina Nepal 2012”. Nahita pejy maromaro sy lahatsoratra blaogy aho izay manohana vehivavy tokana, manome ho an’i Shristi Shrestha ny satro-boninahitra.

Sambany natao ankalamanjana ny hetsika tamin’ny dingana famaranana ny “Oliravina Nepal” ary araka ny nambaran’ilay bilaogera hafa –  Samriddhi Rai, izay efa nandray anjara tamin’ny “Oliravina Nepal” indray mandeha ka efa nahazo ny laharam-boninahitra Fijoroana maha-izy azy (personnalité) tsara indrindra tamin'ny fifaninanana Oliravina mpanjakavavin’ny Fizahantany iraisampirenena 2011 :

The stage was bad. I mean it was so, you know, school-functions-have-better-stage-than-that types. I at least assumed that it must've looked good on TV but NO, people who watched the event on TV had the same notion.

Ratsy ny fizotrany. Ny tiako lazaina, na ny sekoly aza mahavita tsara kokoa noho izao. Farafaharatsiny mba nihevitra aho fa tsara ny fijery azy tamin’ny FAHITALAVITRA saingy TSIA, nitovy fijery ireo olona nijery ny lanonana tamin’ny fahitalavitra.

Ho fanamarinana ireo tsikera, manoratra ao amin'ny pejy Facebook-ny ny “Oliravina Nepal” 2002, Malvika Subba  iray amin’ireo malaza indrindra tamin’ny “Oliravina Nepal” :

Grapes are sour cried the fox and that's what some people remind me of when they criticize others win and things that they could never achieve. I wonder if u had achieved the same status, would you still be saying grapes are sour!!!!

Marikivy ny voaloboka hoy ny tabataban'ny fosa ary izany no ahatsiarovan'ny olona ahy rehefa mitsikera ireo fandresena hafa sy izay zavatra tsy tanteraky ry zareo hatramin'izay. Manontany tena  aho raha mahatratra izany dingana izany ianao, mbola hiteny ve ianao hoe marikivy ny voaloboka!!!!

Zavatra iray tsy maintsy hisy mandrakizay ny fitsikerana ny Oliravina Nepal. Samy manana ny fijeriny amin'izay mendrika tao amin’ny fifaninanana ny tsirairay ary hisy hatrany ny adi-hevitra. Fa tena ilaina fantarina kosa raha mba mahita fivoarana amin’ireo mpandresy amin’ny fifaninanana iraisampirenena ny firenena. Mendrika ny mpandresy tamin'ity taona ity , araka ny fijeriko sady nosoratako tao amin'ny bilaogiko apetrako etsy ambany hoe  “Shristi Shrestha – Fanantenana Vaovao” :

Shristi Shrestha is a new hope for Nepal in international beauty pageants, especially when the country has yet to see some notable achievements in crucial pageants like Miss World. Congratulations to Shristi – She deserved it!

Fanantenana vaovao ho an’ny Nepal amin’ny fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika iraisam-pirenena I Shristi Shrestha, indrindra fa raha efa nahavita dingana lehibe tamin’ny fifaninanana hatsaran-tarehy tahaka ny Oliravina Manerantany ny firenena. Arahabaina I Shristi – mendrika izany izy!

Ahoana ny eritreritrao momba an’I Shristi Shrestha – Oliravina  Nepal 2012?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.