GlobalVoices anaty

Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Français · Macédoine : L'art du graffiti dans l'ère du néo-classique revisité à Skopje
বাংলা · মেসিডোনিয়া: দেওয়াল-চিত্রে "পুনরুজ্জীবিত অতীতকাল"
Español · Macedonia: Grafiti en "Tiempos de resucitada antigüedad"
bahasa Indonesia · Makedonia: Seni Graffiti dalam "Zaman Kuno Bangkit Kembali"
русский · Македония: граффити во "времена возрождения античности"
Български · Македония: Графити изкуството във "Времена на възродена античност"
繁體中文 · 馬其頓:在消失前記錄塗鴉藝術
简体中文 · 马其顿:在消失前记录涂鸦艺术
македонски · Македонија: Macedonia: Graffiti Art in "Times of Revived Antiquity"
Shqip · Maqedoni: Arti i grafiteve në "Kohë të antikës së ringjallur"
English · Macedonia: Graffiti Art in “Times of Revived Antiquity”

Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho tao amin'ny efi-pivorian'ny tranombakoka vao nohavaozina Buffalo TAG 2012.

Nampitondrania ny lohateny hoe “Liona, Mpiady ary ny Artistan'ny Graffiti : Tohitra kolontsaina mandritra ny Fotoan'ny Antikite Velomina indray” ny lahatsary fampafantarana.  Mampifandimbiasina  [mampifanakaiky] (teny manandanja eo amin'ny petra-kevitry ny zavakanto jinery!) ny filazalazana ny ezaky ny fitondrana hametraka famantarana vaovao, voalambolambo araka ny fanao klasika/barôka eo afovoan-tanànan'ny renivohitra Masedonianina amin'ny alalan'ny tetikasa Skopje 2014 (izay mampisongadina ny Liona vita amin'ny alimo), sy ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo avy amin'ny mpanao graffiti.

Nanoratra izao [mk] tao amin'ny bilaoginy ilay arkeology Dimitrovska, nanindrona ny filazana re matetika avy amin'ny olona mahasahy miteny ampahibemaso any Makedonia:

Nanao ity lahatsary fampafantarana ity izahay… mba hanangona sy hilazalaza ny sombim-pitiavana graffiti izay nanjavona na an-dalan'ny hanjavona noho ny fomba vaovao ampidirina eto amin'ny firenena, indrindra fa eto Skopje. Tsy misy idirana politika ny tetikasa, ary tsy mieritreritra hiditra resaka politika ihany koa izahay. Vola kely no nenti-namelona ity tetikasa madinika momba ny graffiti Makedonianina ity, ary mikasa ny hampiseho–tsy misy sivana na fanambaràna namboamboarina–ny feo sy ny hevitry ny mpanakanto momba ny graffiti izay efa nanoritsoritra na mbola manoritsoritra ity kolontsaina an-tsary madinika ity, izay mahavoasazy  eo anatrehan'ny lalàna ny fanaovana azy, saingy  ampiasain'ny kilasy politika (fa tsy be loatra) eo amin'ny fitondrana.

Ao amin'ny horonantsary, mahatsapa ny filàna ampihenana ny fitsabahana resaka politika ihany koa ireo mpanakanto nitafatafàna. Nolazain-dry zareo fa sahiran-kevitra eo amin'ny tahotra ho voasazy (50 Euros raha kely indrindra) raha tratra manoratra izay tiany hosoratana, sy ny lasa mivarotra ny talenta noho ny antony varotra na tetikasa-na fitondrana ao an-toerana, izay iarahan'ny mpanakanto graffiti vitsivitsy miasa indraindray mba handravaka amin'ny fomba ara-dalàna ny tranom-panjakana singanina manokana. Nomarihan-dry zareo ihany koa ny fiforonan'ny elanelana taranaka manasaraka ny samy mpandala ity kolontsaina madinika ity.

Izao indray ny nosoratan'ny [mk] mpiara-manoratra, ethnôlôgy Jakimovska tao amin'ny bilaoginy tamin'ny 2007, tao amin'ny lahatsoratra niresaka ilay sehatra malaza avy amin'ny sarimihetsika Life of Brian [Fiainan'i Brian]:

Mety ho tsy mampino fa efa kolontsaim-bahoaka ny graffiti! Raha tsy jerena ny joro hoe mitondra hafatra amin'ny alalan'ny fandokoana na fehezanteny ny graffiti, fa endrika fomba filaza sy fifandraisana io ho an'izay nanao azy sy izay mamaky azy eny amin'ny rindrina manerana ny tanàna. Raha misy zava-miafina lalina ao anatinao ao, zavatra manempotra sy mandoro anao, soraty eny amin'ny rindrindra izany dia hanambara azy io [ny rindrina]… Anisan'ny tiako ohatra ny ”Tsy vehivavy ny vehivavy iray raha tsy vehivavy izy,” “Isaorana Andriamanitra fa tsy mpino aho”…

Taloha ny mpibilaogy tahaka an'i Alexx [mk] na i Django [mk] efa nanoratra momba ny graffiti ao Skopje. Tsy manana fisiana ao amin'ny aterineto ireo artista nasongadina, saingy mamoaka ny asany ao amin'ny Facebook tsindraindray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny