Gresy: Mitombo Ny Herisetra Ataon'ny Polisy Amin'ireo Mpifindra Monina

Ambony ambany ny media sosialy Grika taorian'ny lahatsary iray nakarina tao amin'ny Facebook sy Twitter, nampiseho ireo manampahefana avy amin'ny polisy nanao tsinontsinona ampahibe-maso mpifindra-monina iray voatàna am-ponja tao an-tanànan'i Athenes. Tamin'ny faran'ny Janoary 2012 no niseho ity trangan-javatra ity, fa tsy voamarina mazava tsara kosa ny toerana tena nisiany.

Ireo polisy mandeha fiara (DIAS ho an-dry zareo Grika) hatraminà olona manao fitafy tsotra, no nampiasa herisetra tamin'ilay olona voatàna, izy tsy nanohitra akory ny fisamborana azy, araka izay anehoan'ilay lahatsary azy tsara :

Araka ny ambaran'i Nikos Soulis, talem-pamokarana horonantsary, izay nandrakitra ilay tranga, nandoro fanariam-pako iray ilay zalahy io, mety hitera-doza ho an'ireo fiara niantsona teo akaiky teo izany:

@nikosoulis: @Louki_p nandoro kitapo fanariam-pako lery.. notandindonin-doza ireo fiara niantsona teo. Tsara ny nisamboran-dry zareo azy, saingy inona no nanaraka? Nahoana?

Nanokatra fanadihadiana anatiny mikasika ilay tranga ny Polisy, saingy nilaza tao amin'ny Facebook ilay vavolombelona nanatri-maso fa tsy mba isan'izay nampanantsoina hametraka fanamarinana, na dia napetrany tany amin'ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana Miahy ny Mpitsoa-ponenana tao Gresy aza ilay lahatsary. Fanadihadiana anatiny, izay matetika tsy tonga hatraiza akory, no efa nisy sy nampanaovina fahiny taminà tranga mitovitovy amin'izao.

Ho valin'ny fanehoan-kevitra iray nataon'ny Minisitra Mpiahy ny Vahoaka, Michalis Chrisochoidis (@chrisochoidis), tamin'ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny 21 April 1967, i Damian Mac Con Uladh (@damomac) mpanao gazety dia nanentana an'ilay minisitra mba handray fepetra avy hatrany:

@chrisochoidis: Ακόμη και μια τραυματισμένη δημοκρατία είναι καλύτερη από καθόλου δημοκρατία.

@chrisochoidis: Aleo demaokrasia maratra toy izay tsy misy demaokrasia mihitsy.

@damomac: @chrisochoidis Atoa Minisitra, miangavy anao hanohana amin'ny fanampiana ity “demaokrasia maratra” ity amin'ny alàlan'ny fandroahana ireo polisy nidaroka io lehilahy io !

Na dia tsy niraharaha ilay tranga aza ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovao nahazatra, teo noho eo sy natevina kosa ny fanehoan-kevitra tany amin'ireo media sosialy, ary mbola navoakan'ireo mafàna fo tany ivelany koa aza:

@teacherdude: Tsy nisy fanamarihana tao amin'ny vaovaon'ny TV Grika mikasika ilay fidarohana miharo habibiana nataon'ny polisy tamin'ilay mpifindra monina tao Athenes ary voarakitra tanaty lahatsary http://www.youtube.com/watch?v=RG4Cf1T8bR4 Tsy atao mahagaga.

@SykoFantiS: Υπάρχει κάποιος που πιστεύει ότι η ομάδες ΔΙΑΣ προσφέρουν έργο;

@SykoFantiS: Mbola misy ve olona mihevitra fa ny ekipan'ny DIAS dia [manompo sy miaro] azy?

@v_emman: Αυτή δεν είναι αστυνομία, είναι συμμορία τραμπούκων. Ντρέπομαι για λογαριασμό σας. http://j.mp/Id5a2W @hellenicpolice

@v_emman: Tsy polisy izao, fa andian-jiolahim-boto. Mahamenatra ahy ny fitondrantenanareo. http://j.mp/Id5a2W @hellenicpolice

@libertarian: @hellenicpolice στο 4ο είχα δει να βάζουν κράνος σε κρατούμενο και να τον κλωτσάν στο κεφάλι.

@libertarian: @hellenicpolice Indray andro aho nahita olona voatàna, nisatroka aroloha, voadakadaka teny amin'ny lohany tao amin'ny kaomisarian'ny boriborintany faha-4.

Tranganà herisetra marobe nataon'ny polisy tamin'ireo mpifindra monina no efa notaterina fahiny, tamin'ny 2007, ny famoahana lahatsary iray nampiseho mpifindra monina iray nanaovana herisetra tao aminà kaomisaria iray dia niteraka hatezerna nanerana izao tontolo izao. Ny Aogositra 2008, ny polisy Grika dia efa in-tsivy raha kely indrindra no voaheloky ny  Fitsarana Eoropeana Miaro ny Zon'Olombelona noho ny tranganà herisetra.

Tanatin'ny traikefa ara-pitsarana nizorany, ny Network to Record Incidents of Racist Violence, na Tambajotra Handraketana ireo Herisetra noho ny Fanavakavahana, dia nahangona tranga 63 nandritra ireo volana roa farany tamin'ny 2011, ka ny 18 tamin'ireny dia nifandray daholo tamin'ny herisetra nataon'ny polisy, ary nomarihany fa “mihanaka ny herisetra noho ny fanavakavahana sady amin'ny taha mampivarahontsana”. Tao anaty tatitra nivoaka vao haingana, ho fiomanana amin'ny jery todika momba an'i Gresy atsy ho atsy havoakan'ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana, dia notondroin'ny ONG iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona Human Rights Watch ho “tsy ampy tanteraka” ny ezaky ny firenena ho fiarovana ireo mpifindra monina sy ireo vondrona marefo, raha tao anatin'ny jery todika fanaony isan-taona ho an'ny 2011, ny tambajotram-pikarohana tsy miankina RED dia nandray an'i Gresy ho ohatra mibaribarin'ny fipoahan'ny herisetra noho ny fanavankavahana sy ny tsimatimanota ao Eoropa.

Nandritra ny fe-potoam-piasany teo aloha tamin'ny naha-Minisitra Mpiahy ny Vahoaka azy, Atoa Chrisochoidis dia niezaka nanangana birao iray hiatrika ireo tranganà fihoaram-pefy ataon'ny polisy

@chrisochoidis: .@asteris Περί ΓΑΠΑ: αναβαθμίστηκε η διερευνητική του δυνατότητα και αποκτά αυξημένη τυπική ισχύ καθώς θα κυρωθεί με νόμο και όχι με Π.Δ.

@chrisochoidis: .@asteris momba ny GAPA [ilay birao]: nasondrotra ny fahafahany manadihady, ary ilainy ny fitomboan'ny fahefana omen'ny lalàna, ary hohamafisin'ny lalàna izany, fa tsy fanapahana avy amin'ny filoham-panjakana.

Ny ‘Birao natao Hiatrika ireo Tranganà Fihoaram-pefy” dia natsangana araka ny lalàna [el] tamin'ny Martsa 2011, saingy mbola eo ampiandrasana ny tena ho firotsahana an-tsehatra. Ny ONG Grika Hellenic League for Human Rights dia niantso [el] ilay didy ho “fihemorana mazava” sy “seho iray faran'izay ratsy” noho izay efa nambara tany am-piandohana.

το Γραφείο δεν θα είναι ανεξάρτητος φορέας όπως αρχικά είχε δηλώσει ο Μιχ. Χρυσοχοϊδης και είχε ακολουθήσει μάλιστα και η ανάλογη ηλεκτρονική διαβούλευση, αλλά αυτό που το νέο σχέδιο νόμου προβλέπει είναι μια τριμελής επιτροπή [δικαστικών]. Η επιτροπή αυτή, όπως διευκρινίστηκε δεν θα έχει καμία δυνατότητα διερεύνησης της καταγγελίας αλλά θα κρίνει μόνο αν η καταγγελία θα είναι παραδεκτή, παρεμποδίζοντας ουσιαστικά την ποινική διερεύνηση.

Tsy ho masoivoho tsy miankina akory ilay birao, araka izay nambaran'i Michalis Chrysochoidis tany am-piandohana, ary araka ny fanamarihan'ny fakàna  ny hevitry ny daholobe teny anivon'ny aterineto, saingy araka ny napetrak'ilay tolo-dalàna vaovao dia ho kaomity [n-dalàna] iarahan'ny telo tonta mitantana. Ity kaomity ity, araka ny nazavaina, dia tsy hanana fahefana hanadihady fitarainana, fa fotsiny hanapaka raha toa ka azo raisina izy ireny, ary mibahana ny fanaovana fanadihadiana ny  heloka bevava.

Maherin'ny 2.400 ireo mpikambana nirotsaka ho ao amin'ilay vondrona Facebook [el] natsangana taorian'ny fampanginana an-terisetra ireo hetsi-panoherana tao amin'ny kianjan'i Syntagma, Athenes, tamin'ny 28-29 Jona 2011, natao hanangonana antontan-kevitra momba ny herisetra ataon'ny polisy,  raha nanodidina ny 15.000 kosa ireo mpikambana nirotsaka ho ao amin'ilay pejy Facebook misy tanjona, nitondra ny anarana hoe  ‘Atsaharo ny habibiana ataon'ny polisy Grika’, noforonina iray andro taorian'ny namonoan'ny polisy an'i Alexandros Grigoropoulos 15 taona.

Ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices,  Asteris Masouras, dia niara-niasa tamin'ny fikarohana sy fanoratana ity lahatsorara ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.