Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina

Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manontany tena ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io  ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany,  anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy. Raha tsaraina avy amin'ny fironana ara-politika ankehitriny ao Eoropa [en], ny fanomezantsiny ny fifindra-monina ho nahatonga ny olana ara-toekarena dia fomba fijery iray isan'ny nitondra lanja tsy azo namaivanina ho an'ny elatra farany havanana nanerana ny kaontinanta.

Réfugiés Africains par Vito Manzari on Flickr (CC BY 2.0).

Mpitsoa-ponenana Afrikana, sary an'i Vito Manzari tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Raha toa zary mahazatra io kabary tsara lahatra io, dia satria miverina foana sahala amin'ny kodiaran-tsarety nandritra ny taonjato maro miaraka amin'ny olana tsirairay teo amin'io kaontinanta io. Ao amin'ny bilaoginy Crêpe Georgette,  i Valérie dia manoritsoritra ny fifandimbiasan'ireo fomba fijery ny fifindra-monina tao Frantsa nanomboka tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-19 ka hatramin'izao :

Raha misy hevitra iray mibahan-toerana izao, dia ny fisainana fa hoe nahay niditra tsara teny anivon'ny fiarahamonina ireo andianà mpifindra monina fahiny (italiana, poloney, espaniola, belza …) raha mifanohitra amin'izany kosa ireo andiany taty aoriana, vao haingana, dia ny avy any Maghreb sy ny Afrikana.
Ireo andiany fahiny dia mpiasa mpamokatra, tsy nametraka olana ary re mazàna ny hoe noraisin-dry zareo frantsay tsara mihitsy.
Hitantsika araka izany fa ireo fomba filaza ankehitriny momba ny mpifindra monina tonga taty afara dia tsy inona fa famerenana fotsiny ny hevitra efa niraikitra sy efa voaray fahiny ary dia nampiasaina manohitra ireo vondrom-piarahamonina mpifindra toerana rehetra (na izy avy any amin'ny faritany na avy any amin'ny firenena vahiny).

Manao fampitahana ireo fiampangàna ny tsy nahatafidiran'ireo mpifindra monina italiana sy espaniola amin'ny an'ireo mpifindra monina ankehitriny avy any Eoropa atsinanana sy Afrika i Valérie :

Nandritra ny taonjato maro, ireo vahoaka mpifindra monina – nefa koa ireo vahoaka mahantra amin'ny ankapobeny – dia noraisina foana ho toy  ny maloto, naloan'ny fiarahamonina, miforitra anaty fahafinaretan'ny nofo sy ireo fomba amam-panao avy any an-tany lavitra any. Izay re ankehitriny any amin'ireo tanàna  « manam-pironana islamika », « feno » vehivavy mirakotra “burqa” mitaiza zaza 10 , dia tsy inona , araka ny hitanareo, fa fotsiny fiverenan'ireo fomba filaza natao an'ireo andiam-pifindra monina rehetra teo aloha. Ny Italiana koa mba manao nahandro tsy mamely, miteraka betsaka sy mitafy voronkitsay. Ny poloney manala-baraka tena amin'ny fifikirany amin'ny maha-katolika azy amin'ny endrika hafakely sy ny fijoroany mandritra ny lamesa raha toa mipetraka kosa ireo frantsay.

Tsy ny krizy irery ihany no antony

Kanefa, tsy ampy hanazavàna io fijery manohitra ny fifindrà-monina io fotsiny raha ny krizy. Ao anaty matoandahatsoratra momba ny hoavin'ny kolontsaina marolafy ao Frantsa, Julie Owono manipika hoe [fr] :

The reason for the growing worry over the future of Europe is not simply related to the crisis. Contrary to what some politicians were quick to explain on the evening of the first round, it seems that the French who gave their vote to extremism do not suffer that much from the immigration scourge. French analysts have found that, while the latter represents a major concern for 62 per cent of National Front voters, areas where the party has received a significant number of votes do not have a particularly high immigration rate.

Mampanahy tokoa ny hoavin'i Eoropa ary tsy noho ny krizy fotsiny ihany. Mifanohitra amin'izay fanazavana nataon'ny mpanao politika sasany tamin'ny fiafaran'ny fihodinana voalohany, ireo izay nandrotsa-bato ho an'ny elatra farany havanana dia tsy voakasik'ilay fahakaikezan'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpifindra monina loatra. Namoka ireo manampahaizana fa 62% amin'ny mpifidy avy amin'ny Front National no monina any amin'ireo faritra manana tahanà mpifindra monina ambanin'ny salan'isa.

Tranga Eoropeana

Ireo vahiny ao Eoropa, avy amin'ny Digital Dreams ao amin'ny FlickR License-CC-BY

Ilay Tsianjery Maimbo hanoherana ny fifindrà-monina dia tsy voafetra ho ao Frantsa irery ihany. Any Gresy, ny antoko politika Néo-Nazi “Aube Doré” dia manararaotra ny fikororosiana ara-toekarena lalovan'ny firenena mba handavahana mandritra ny fifidianana ankapobeny [en]. Any Grande-Bretagne, James  dia maneho hevitra noho ny fanamafisan'i Cameron, Merkel sy Sarkozy fa hoe tsy fahombiazana ny kolontsaina marolafy ao Eoropa [en] :

She [ed's note: Merkel] wanted People from richer nations to embrace and train poorer region folk! It hasn't worked, its cost us all billions and its getting more expensive year on year!  Would you rather have a farmer from romania working in britain, claiming to be poor and sending all the money home to build a mansion! thats whats happening.

Izy [Merkel] dia naniry ny firenena manan-karena mba handray sy hanofana ny olona avy amin'ireo firenena mahantra ! Tsy tafita izany, nosandaintsika miliara maro izany ary tsy isalasalàna fa mitombo hatrany arakaraky ny fandehan'ny taona ! Ho tianao ve hoe mpiompy iray avy any Romania miasa any Grande-Bretagne, milaza tena ho mahantra nefa mandefa ny volany rehetra ho any an-tanindrazany hananganana rovabe ! satria izany izao no zava-mitranga.

Tsy gaga intsony amin'io Tsianjery Maimbo hanoherana ny fifindrà-monina io i Valérie. Manolo-kevitra izy ny hanaovana vakiteny vitsivitsy mba handravahana ny fifanakalozan-dresaka  :

Mba handresena ny tahotra manoloana ireo mpifindra monina avy any Maghreb sy Afrika, mety hahitana tombony kokoa ny famakiana ireo rakitsoratry ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan'ny taonjato faha-20 mba hahatakarana ny fototra iorenan'ireny tahotra ireny sy ny hoe ahoana no tsy manao afa-tsy ny mamerina ireo hevitra nanjaka tamin'ireo taonjato teo aloha ireo. Tari-dàlana ho amin'ny vakiteny :

- toro-hevitr'i Melle S. : A. SAYAD « L’immigration ou les paradoxes de l’altérité » (1. L’illusion du provisoire et 2. Les enfants illégitimes).
- Gérard Noiriel, « Le creuset français ».
- Laurent Dornel, « La France hostile. Histoire de la xénophobie en France au XIXe siècle ”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.