11 Mey 2012

Tantara tamin'ny 11 Mey 2012

Speak Out Tunisia: Fanofànana Olon-tsotra Hanao Gazety Mba Hisian'ny Gazety Malalaka Sy Tsy Mitanila

Rising Voices  11 Mey 2012

Speak Out Tunisia dia tetikasa iray ho fanofanana momba ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra izay mikendry ny hampianatra vondronà olom-pirenena Toniziana samihafa mikasika ny media dizitaly sy ny fanaovan-gazety anaty aterineto.. Taorian'ny Revolisiona Toniziana, Speak Out Tunisia dia mitady izay hamerenana ny tanjaky ny gazety malalaka sy tsy mitanila ho an'ny vahoaka Tonizian. Anne Medley, niaraka tamin'ny Le PaCTE Toniziana, dia nampianatra andian'olona sambany vao niroso ho amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra tany atsimon'ny tanànan'ny Kebili sy andiany iray efa mba mahaihay ihany tao Tunis.

Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina

  11 Mey 2012

Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manotany teny ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany, anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy.