10 Mey 2012

Tantara tamin'ny 10 Mey 2012

Madagasikara: Nogidrahan'ny Tafika Ny Mpampianatra Mitokona

  10 Mey 2012

Nitokona nandritra ny herinandro noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vola raisin-dry zareo isam-bolana ny sendikàn'ny mpampianatra. Noteriterena tamin'ny alalan'ny fandefasan'ny tafika mitam-piadiana baomba mandatsa-dranomaso [fr] ny hetsi-panoherana. Niditra tao anatin'ny hetsi-panoherana ihany koa [mg] ny mpianatra (via bolonga-tsarin'i Jentilisa).

Shina, Filipina: Mihenjana Ny Tadin-dokanga Momba Ny Fiandriananm-pirenena Ao Scarborough Shoal

  10 Mey 2012

Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.

Oganda: Atin'akanjo sisa no nanaovan'ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana, noho ny herisetra nataon'ny polisy tamina vehivavy mpitolona iray

  10 Mey 2012

Taorian’ny nandraràna ny  A4C (Mpitolona ho amin’ny fanovàna) tany Ogandà tamin’ny fiandohan'ity volana ity, Novan'ny mpikatroka ho “4GC”, izay midika “For God And My Country [Ho an’Andriamanitra sy ny Tanindrazako] ” (Tarigetra ofisialin’i Ogandà) ny anarany. Tafiditra ho mpikambana   4GC,  ny lehiben’ny mpanohitra  Col. Dr. Kizza Besigye, Mathias Mpuuga, Ingrid Turinawe...

Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny “International Relations and Security Network” (ISN)

  10 Mey 2012

Nifanaiky hiara-hiasa ny Global Voices sy ny International Relations and Security Network (Orinasam-Piarovana sy Fifandraisana Iraisampirenena), mba hampahafantatra ny hevitry ny olona mikasika ny  fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao. Halefa ao amin’ny bilaogin’ny ISN sy ao amin’ny  Global Voices isaky ny faharoan’ny volana ireo lahatsoratra avy...

Indonezia: Lesona Jeografia Ho An'i Justin Bieber

  10 Mey 2012

Teo am-panazavàna ny dingana namoronana ny iray amin'ireo hirany vaovao, dia niteny i Bieber fa noraketina tany aminà "firenena kianjoanjo" izy io. Ilay firenena kianjoanjo eto dia i Indonezia ary dia nahatezitra ireo marobe mpiondana aterineto sy mpankafy azy izany.

Kenya: Loka Bilaogy Bake 2012

  10 Mey 2012

Nanolotra loka ho an'ireo mpamahana bolongana nandefa lahatsoratra, ahitana haisoratra lehibe sy mahasoa, manintona sy ahitana zava-baovao ny Fikambanana Mpamahana bolongana ao Kenya (BAKE) tamin'ny 5 Mey 2012. Avy amin'ny ezaka nataon'ny BAKE ny loka ho fampiroboroboana ny endriky ny famoronana votoaty. Ny fikambananan'ny mpamahana bolongana ao Kenya (Bloggers Association of...

Kolombia: Fitsidihana Ny Toby Karmata Rua Misy Ireo Vazimba Teratany

  10 Mey 2012

Tsy ela akory izay ny vohikala Multimedia TodoLoQueHay[es] avy ao Kolombia dia namoaka fitsidihana an-tsary fohy ny toby misy ireo vazimba teratany Emberá-Chamí fantatra fahiny tamin'ny hoe Christendom, izay ny mponina ao ankehitriny dia miezaka ny hanao izay hahafantarana azy amin'ny fiantso nentin-drazana hoe : Karmata Rua.

Armenia: Nitera-doza Ny Fipoahan'ireo Balaonina Nandritra Ny Fampielezan-kevitra

Niharan-doza ny famoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka tao Yerevan, renivohitr'i Armenia, tamin'ny Zoma 4 Mey, noho ny sigara voalaza fa nandrehitra ireo balaonina mandeha amin'ny entona. Mahery ny 140 ny olona naratra nandritra ny fipoahana araka ny tatitra voaray. Nisy rindran-kira ihany koa ny  fampielezan-kevitra nokarakarain'ny antoko Repoblikana andro vitsy mialoha...

Torolàlana Asongadina: Torolàlana Momba ny Fanaovan-gazety Firaketana – Fomba Vaovao Fitantaràna

Rising Voices  10 Mey 2012

Ny fanaovan-gazety tarihan'ny rakitra dia dingan'ny fanaovan-gazety mifototra amin'ny fandinihana sy ny fisafidianana miaraka amina fitaovana manana loharano misokatra - na 'open source', fitambaran-drakitra midadasika, izay afaka tsidihana malalaka ao anaty aterineto. Ny Novambra lasa teo, tanatina atrikasa naharitra 48 ora tany amin'ny Fetiben'ny Mozilla tany Londona, nanomboka niasa ho amin'ilay torolàlana voalohan'ny Fanaovan-gazety Firaketana ireo mpanao gazety sy Mpandrafitra rindram-baiko marobe. Natomboka tamin'ny fomba ara-dalàna io Torolàlana io ny 28 Aprily 2012, tany amin'ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Fanaovan-gazety tany Perugia (afaka alaina maimaim-poana ao anaty aterineto).