Shina: Voasambotra Ilay Vehivavy Mahery Fo Tao Ambadik'ilay Fitsoahan'i Chen Guangcheng

Tafatsoaka ny Vohitr'i Dongshigu any amin'ny faritanin'i Shangong ihany ilay jamba, Chen Guangcheng, mafàna fo amin'ny zon'ny olom-pirenena , izay teo ambany fanaraha-maso akaiky nandritra ny 20 volana hatramin'ny famoahana azy tany amin'ny fonja ny 8 Septambra 2010. Ankoatra izay, nosamborin'ny mpitandro filaminana tany an-tranony ny Zoma 27 Aprily 2012 teo tany Nanjing i He Peirong (“Pearl”) izay nanampy an'i Chen handositra tany Pékin.

Hatramin'ny Febroary 2011,  niezaka hitsidika an'i Chen Guangcheng izay teo ambany fanaraha-maso akaiky i Pearl He raha nanentana ny amin'ny hamotsorana azy. Volana vitsy lasa izay dia nanadihady azy aho momba ny làlana nodiaviny amin'ny maha-mafàna fo azy ho ana tetikasa fikarohana momba ny Miralenta sy ny Maha-olom-pirenena notarihan'ny fikambanana IT for Change. Ity ambany ity ny famintinana an'ilay fanadihadiana tao anaty aterineto:

Iza moa i He Peirong?

Sary famantarana an'i He Peirong ao amin'ny Twitter

Mipetraka any an-tanànan'i Nanjing, faritanin'i Jiangsu i Pearl. Mpampianatra teny Anglisy izy hatramin'ny 2008 rehefa nitranga ilay horohorontany tao Wenchuan. Niala tamin'ny asany izy ary lasa tany Sichuan ho mpirotsaka an-tsitrapo hanampy an'ireo tsy manan-kialofana tamin'io horohorontany io. Volana vitsy taty aoriana, nanomboka nanakantsakana ny  hetsik'ireo vondron'olom-pirenena mpanampy ireo tsy manan-kialofana tamin'io loza voajanahary io sy ny famotoran'olom-pirenena mikasika ny fananganana tranobe fampianarana “bean-dreg” ny governemantan'i Sichuan. Mafàna fo maro no voasambotra tamin'izany, isan'ireny i Tan Zuoren sy i Huang Qi. Taorian'izay dia nanapa-kevitra i Pearl ny hiditra anatinà vondrona mafàna fo hanome tohana ho an'ireo gadra politika sy ny fianakavian'izy ireo. Mikasika ny fangatahana tohana ara-bola tao amin'ny Twitter no hetsika fanentanana voalohany nataony tamin'izany. Avy amin'ny alalan'io hetsika fanentanana io, nifandray taminà tambajotran'olona mitovy fisainana aminy midadasika kokoa izy ary taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanao hetsika fanentanana ho an'i Chen Guangcheng.

Ny Septambra 2011, rehefa nahafantatra fa tsy afaka manatrika fampianarana any an-tsekoly ny zanakavavin'i Chen 6 taona noho ny fanaraha-maso akaiky azy, nanentana ireo mpampiasa aterineto hafa hitsidika ny fianakavian'i Chen any amin'ny vohitr'i Dongshigu izy. In-droa ny tenany no niezaka hiditra ny vohitra  nefa nodarohin'ireo jiolahim-boto tao an-toerana. Taorian'ireo ezaka maro tsy nahomby,  nanova ny paikadiny amin'ireo hetsika fanentanana ao anaty aterineto amin'ny alalan'ny fanairana ny vahoaka sy izao tontolo izao mikasika ny fepetra iainan'i Chen izy. [Maro ireo mpiondana aterineto no nirotsaka avy hatrany  nanolo-tanana tamin'ilay fanentanana hanafahana an'i Chen]. Iray tamin'ireo hetsika fanta-daza indrindra ny “Avotsory i Guangcheng: Sarina Solomaso mainty“nataon'i Hexie Farm :

Tsy narian'i Pearl mihitsy ilay hevitra hanala an'i Chen ao amin'io vohitra io. Ankehitriny dia afaka i Guangcheng ary niresaka tamin'izao tontolo izao momba ilay fisamborana tsy ara-dalàna nataon'ny governemanta tao an-toerana any amin'ny “comté” an'i Linyi, faritani'i Shandong

Kanefa, nanjavona i Pearl hatramin'ny 27 Aprily, fotoana fohy taorian'ny niparitahan'ny vaovao milaza ny fitsoahan'i Guangcheng nanerana ny Aterineto. Momba ny fiarovana ny rahalahin'i Guangcheng ny bitsiny farany [zh] :

可有山东境内以及临近网友,请开车沿205国道,寻找可贵,提供必要的帮助,拜托大家了!我已经不能出发了,否则,一定第一个驾车前去。

@pearlher: Misy namana mipetraka manodidina an'i Shandong ve? Miangavy anareo handeha any amin'ny làlambe 205 ary hijery an'i Kegui [rahalahin'i Chen Guangcheng]. Tohano izy, miangavy anareo hanampy azy. Tsy afaka miala ny tranoko intsony aho, raha tsy izany dia izaho mihitsy no nankany.

Fanentanana ho famotsorana an'i Pearl

Manoloana ny fanamarinana mikasika ny fisamboran'ny China Aid an'i Pearl, nipoitra ireo bitsika Shinoa manentana ny hamotsorana azy. Poon Siu To, mpanentana anatin'ny radio any Hong Kong, nidradradradra [zh] hoe:

今天起,請大家記住這位南京女俠,網名「珍珠」的何培蓉!她犧牲為了拯救陳光誠,赴湯蹈火。壯哉!高貴的勇士! 還我珍珠!還我美麗的珍珠!(拜托,轉發和吶喊吧!)

Manomboka androany, tadidio ity mpamonjin'i Nanjing ity, “Pearl” no anarany, He Peirong. Nanao sorona ny tenany hamonjy an'i Chen Guangcheng izy. Mpitolona mafàna fo sy manana ny hambony izy. Avereno aminay i Pearl, avereno i Pearl mahafatifatinay! (Miangavy anao hanaparitaka izany)

Zeng Jinyan, izay nihaona tamin'i Chen Guangcheng ny vadiny Hu Jia mikasika ny fitsoahany, dia nitaraina [zh] ihany koa:

要求:1.释放何培蓉@pearlher;2.释放陈光诚的妻女母亲兄长家人及村民;3.确保陈光诚全家今后的自由;4.停止骚扰迫害维权人士及家属;5.追责每一位具体参与迫害行凶的官员和社会闲杂人等

Fitakiana: 1. Ny famoahana an'i He Peirong @pearlher; 2. Ny famotsorana ny vadin'i Chen Guangcheng, ny zanakavaviny, ny reniny, ny fianakavian-drahalahiny sy ireo mponina; 3. Fanomezan-toky fa halalaka ny fianakavian'i Chen Guangcheng amin'ny hoavy; 4. Fanajanonana ny fanaovana antsojay sy ny fanenjehana ireo mpiaro ny zo sy ny fianakavian'izy ireo ; 5. Tokony hiatrika fitsarana ireo manam-boninahitra sy dahalo nandray anjara tamin'ilay fanenjehana tsy ara-dalàna.

Ny hevitra fonosin'ilay fitsoahan'i Chen ny fonja

Mamintina [zh] ny hevitra fonosin'ilay hetsika fitsoahan'i Chen sy ireo mpanohana azy ilay mafàna fo malaza amin'ny lahatsary sady mpampianatra, Ai Xiaoming:

从冲破鬼门关接走陈光诚,简直堪比一部大型劫狱片。而被破解的禁锢,更在于人们的心狱。为什么那么多罪恶可以大行其道,除了体制作恶,还有一个更简单的原因,那就是人们的沉默。声援陈光诚的行动打破了沉默,而救援的成功则显示了行动的可能。它标志着,勇气是在追求自由的行动淬炼的;智慧、筹谋和协力团队,也是在挑战恐惧的过程中赢得的。陈光诚能有今天,证实了珍珠、玉闪等英侠非凡的勇气和战斗力;而所有那些前往东师古找打的公民,也都起到破除恐惧的表率作用。那些在推特上、微博上呼吁的网民、那些自戴墨镜者和展示车贴的朋友,大家都曾经属于沉默的大多数;而一旦在公益的目标下集结起来,就能相互给力。这表明,暴力尽管强悍,它对精神的控制却很有限;正义常遭挫败,它的能量却是源源不绝。正如珍珠在google+上的留言:每个人都发出声音,这才是最重要的。

Fitsoahana fonja mampihorohoro ny famakiana ny vavahadin'ny helo sy ny fakàna an'i Chen Guangcheng hiala tao. Tsy ny toerana hita maso fotsiny ny fonja fa any anatin'ny fon'ny vahoaka. Ahoana ny fomba ahafahan'ny devoly mihetsika malalaka toy izao? Tsy avy any amin'ny rafitra fotsiny ihany ny olana fa avy any amin'ny fahanginan'ny vahoaka ihany koa. Nandrava izany fahanginana izany ny hetsika fanentanana hamoahana an'i Chen Guangcheng. Mila hetsika mahery vaika tahaka izany ny fitsoahana lavorary. Mipoitra avy amin'ny fampiharantsika ny fahalalahana ny fahasahiana; ny fahendrena, ny ezaka iraisana sy ny fandaminana dia vokatry ny fitohitohizan'ireo dingana izay mandingana ny tahotsika. Vokatry ny herim-po sy ny faharetan'i Pearl sy i Yushan ny fahafahan'i Chen. Eo amin'ny fara-tampon'ny ady handresena ny tahotra sy ny fampihorohoroana ireo vahoaka nitsidika ny vohitr'i Dongshigu sy voadarok'ireo jiolahim-boto tany an-toerana. Raha teo aloha ireo maro tsy niloa-bava nanome antoka tao amin'ny Twitter na nampiseho niharihary ireo sarinà solomaso fiarovana amin'ny masoandro, ankehitriny kosa dia nifanome tànana izy ireo hiaro ny hatsarana. Tsy afaka manitatra ny fahefany mankany amin'ny fanahin'ny vahoaka ny famoretana feno herisetra. Na lasibatry ny fampanginana foana aza ny fahamarinana, manam-petra ny heriny. Tahaka ilay voalazan'i Pearl tao amin'ny Google Plus: Ny hetsika manan-danja indrindra dia ny fitenenan'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.