Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany

Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby.

Kenyan family

Lusina avy ao Kenya, iray tamin'ireo nanaovana fanadihadiana tamin'ny IMOW

Mama to Be (Ho reny atsy ho atsy) no zoro miresaka ny fanantenana rehetra momba ny maha-reny sy ny fitondrana vohoka, ary ahitana ihany koa ny fomba fandraisana sy fiatrehan'ireo vehivavy isan-karazany ireo lohahevitra ireo, ary ny sasany amin'ireo aza mbola tsy tafala amin'ny fahatanorana nefa miandry andro.

Firy amin'ireo vehivavy manerantany ankehitriny no afaka manapa-kevitra eo amin'ny fiainany, toy ny hoe rahoviana vao hanorina tokantrano, ary amin'ny fomba manao ahoana? Inona ny antony mahatonga ny vehivavy ankehitriny hisafidy – na tsia – hiditra eo amin'ny sehatry ny fiterahana?

Tao amin'ny Healthy Mama, Healthy Baby (Renim-pianakaviana Salama, Zaza Salama ), natao hanehoana mazava tsara ny fomba fiterahana sy ny fahasalamana  avy amin'ny kolontsaina samihafa ananan'ireo renim-pianakaviana ny tantara nozarain'izy ireo mikasika ny traikefa niainany tamin'ny fiterahany.

Vehivavy an'arivony manerantany isan'andro no miteraka. Ka maro amin'izy ireo no   nisosa tsara tao anatin'ny fifaliana sy fahombiazana ny fiterahana, ary an-jatony kosa ireo maty teo am-piterahana. Ahoana ny fiantrakain'ny jeografia, fidiram-bola, sy ny taona eo amin'ny tahan'ny fiterahana lavitry ny loza? Inona no efa natao nampihenana ny tahan'ny fahafatesana am-piterahana, ary ahoana ny fomba andraisanao anjara amin'izany?

Ao amin'ny Featured Voices section, nandefa ny tantarany manokana ny mpihaino ary tantara 6 tamin'izany no nofinidin'ny mpitsara iraisam-pirenena hahazo ny Loka avy amin'ny Safidim-bahoaka. Iray amin'izany ohatra ity sombi-tantara milaza ny toe-java-tsarotra iainana ao amin'ny toera-piterahana iray ao Kolombia, notontosain'i Caballero ho an'ny Gusano Films.

Tao amin'ny Birth Journal Maternity Excerpt (Sombim-baovao momba ny fiterahana), renim-pianakaviana manan-janaka 6 no tonga nanao fizahana ara-pahasalamana  sy hiteraka ny zanany faha-fito. Nandritra ny fizahana ara-pahasalamana natao azy no nanomboka ny tantarany noho ny fanontanian'ny mpitsabo azy, niova ny fihetsik'ilay mpitsabo manoloana ilay renim-pianakaviana, ka niafara tamin'ny fanomezany soso-kevitra azy hanao famatorana ny fantson-taova-pananahana mba tsy hiterahany intsony. Nandritra ny fiterahany, irery tao anaty kalesy (chariot)  ilay renim-pianakaviana , tsy mba nisy fotoana namindrana azy hoentina hampiterahana ao amin'ny efi-trano natokana amin'ny fiterahana, fa niteraka tao amin'ny fandrian'ny hopitaly izy.

Mifantoka manodidina ny vehivavy sy ny tantarany manokana kosa ny resadresaka ifanatrehan-tava tao amin'ny Meet the Mamas (Fantaro Ireo Reny), ohatra tamin'izany, ny fampitahana ny toe-javatra isan-karazany misy eo amin'ny tanora reny ao Liberia, miaina amin'ny fari-piainana mafaitra, sy ny tanora reny ao Etazonia, izay afaka mandroso sy manohy ny fianarana noho ny fanohanana ara-tsosialy.

Ny hampafantatra amin'ny olona marobe mikasika ny toe-pianana sy ny fahasalaman'ny vehivavy no tanjon'ny fampiratiana ao amin'ny Mozea Iraisam-pirenena momba ny Vehivavy, ao amin'ny Get Involved page (pejy raiso ny andraikitrao),  mandrisika ny mpamaky izy ireo mba handray anjara hanatsarana ny antontanisa sy hifanentana bebe kokoa momba ity lohahevitra mafonja ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.