Fanamarihana Ny Voalohany Mey Manerana Ny Tontolo Arabo

Ekena ho andro tsy iasana ny May Day [Andron'ny Mey] na Fetin'ny Asa na Andro Iraisampirenena Ho an'ny Mpiasa any amin'ny firenena Arabo maro, ary manao fivoriana na fihetsiketsehana ny sendikà sy ny antoko maro hanomezam-boninahitra ny anjara toeran'ny mpiasa sy ho fitakiana ny zon'ny mpiasa.

 Nanambara ny Vaomieram-Pirenena Tetezamita ao Libya fa ho andro tsy fiasana ny Andro Iraisampirenena Ho an'ny Mpiasa manomboka amin'ity taona ity. Avy any Tripoli i Hamid no nisioka:

@2011feb17: #Libya's first #MayDay (Worker's Day) holiday since 42 years ago! HAPPY HOLIDAY EVERYONE Yup #Libya has changed 😉

Fetin'ny Asa tsy iasana voalohany ho an'i Libya tao anatin'ny 42 taona! MIRARY FETY SAMBATRA HO AN NY REHETRA. Niova i Libya

Hetsika Lalambe Habib Bourguiba, Tunis. Saripika Amine Ghrabi hita Flickr (CC BY-NC 2.0).

mahatsiaro ireo mpiasa mifindra monina ao amin'ny helodrano ny mpikatroka Bahrainita Maryam Alkhawaja:

@MARYAMALKHAWAJA: On labor day we pay tribute to all the migrant workers who r treated like modern day slaves in #gulf countries

mahatsiaro ireo mpiasa mifindra monina rehetra karakaraina ho toy ny andevo amin'ny andro moderina manerana ny firenen'ny helodrano izahay amin'ity Fetin'ny asa ity.

Hetsika any Barbar, Bahrain. Saripika mpisera Twitter @bahrainiac14.

Notontosaina manerana an'i Bahrain ny fihetsiketsehana mitaky ny fampidirana hiasa indray ny mpiasa an-jatony voaroaka tamin'ny herintaona noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana. Maro tamin'ny fihetsiketsehana no notafihan'ny polisy misahana ny rotaka tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Mitatitra avy any an-tsenan'i (Souq) Manama ny mpanao gazety Mazen Mahdi:

@MazenMahdi: Despite tear-gasing #Manama souq labor day protest still on-going #Bahrain

Mitohy hatrany ny fihetsiketsehana fetin'ny asa eo amin'i Souq Manama na dia eo aza ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso

Hetsika any Khouribga, Maraoka. Saripika mpisera Twitter user @__Hisham.

Misioka momba ny nisovohana ny vohikalan'ny ministeran'ny Asa libaney i Imad Bazzi:

@TrellaLB: special delivery for the Ministry of Labor in #Lebanon on Labor day, a total makeover 😀 loooool http://www.labor.gov.lb/ thanks to #RYV

Entana manokana nalefa tany amin'ny minisiteran'ny asa any Libanona nandritra ny Andron'ny asa, voaravaka niova endrika tanteraka http://www.labor.gov.lb/ ankasitrahana ny #RYV

Niova lasa niteny izao manaraka izao ny vohikala:

We are RYV, short for Raise Your Voice, and we are simply a group of people who could not bare sitting in silence, watching all the crimes and injustice going on in Lebanon. We will not be silenced and brainwashed by your media. We will not stop until the Lebanese people mobilize, demand their rights, and earn them. We will not stop until the standards of living are raised to where they should be in Lebanon. We will not stop until this government's self-made problems are solved, like the power shortage, water shortage, rise in gas prices and rise in food product prices. We are RYV, expect us to break the silence, whether in the streets or on the Internet.
Silence is a crime

Izahay no RYV fanafohezana ny Raise Your Voice [Asandrato ny Feonareo], ary vondron'olona tsy mahazaka ny mangina, mijery ny heloka sy ny tsy rariny mitranga eto Libanona. Tsy hanaiky hangina izahay ary tsy hanaiky no hosasan'ny haino aman-jerinareo atidoha. Tsy hitsahatra izahay mandra-pihetsiky ny vahoaka libaney, hitaky ny zony ary hahazo izany. Tsy hitsahatra izahay mandra-piakatry ny haavom-piainana eto Libanona ho eo amin'ny toerana tokony hisy azy. Tsy hitsahatra izahay raha tsy efa voavahan'ny fitondrana ny olona noforoniny ihany, tahaka ny fahatapahan'ny jiro sy ny rano, fiakaran'ny etona fandrehitra sy ny sakafo. Izahay no RYV ary antenao izahay hamaky ny fahanginana, na eny an-dalambe na amin'ny aterineto. Heloka ny fahanginana

Hetsika any Kairo. Saripika Hossam el-Hamalawy hita Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.