Sénégal : Ry Zareo Senegaly Sy Ny toerana Misy Ny Demaokrasiany

Raha toa mbola variana mitehaka an'ila Filoha teo aloha Abdoulaye Wade sy ny Demaokrasia Senegaly izao tontolo izao, ny tontolon'ny bilaogy senegaly kosa dia feno fanakianana ny tomban'asan'ilay filoha voahilika,  A. Wade. Ampahatsiahiviny indrindra indrindra ireo niharan-doza nialoha ny fifidianana, ireo fanitsakitsahana ny zon'ny fanaovana gazety ary ireo ohatra mikasika ny faharatsiam-pitantanana.

Abdoulaye Wade (sary tao amin'ny wikipédia CC-license-2.0)

 

Manoratra i Fabienne Fatou Diop ao amin'ny lahatsorany hoe Sénégal*, le 25 mars 2012 Honneur à notre peuple! (25 Martsa 2012 Voninahitra ho an'ny vahoakantsika!)

Tsia, tsy domaokraty izany i Abdoulaye Waderaha niantso an-telefaonina an'i Macky Sall. Tsy nanan-tsafidy izy. Isika no nanery azy hisafidy ny 23 Jona, isika no nanery azy hisafidy nandritra ireny hetsi-panoherana ny firotsahany ho fidiana fanintelony ireny. Natosiny ho amin'ny fetra farany indrindra ny fanaovany tsinontsinona tamin'ny nanitsakitsahany ny Lalam-panorenana, tamin'ny fandrefesana hoe hatraiza isika no leo ary tamin'ny fanindriana ny hany mba fahalalahana sisa tavela ho antsika, dia ny fahafahana manao fihetsiketsehana.

Ao amin'ny bilaoginy, i Mr. BoOmbastic PlO dia mampahatsiahy ny fitondràna tsy mahombin'i Abdoulaye Wade

Tsy ny voalohany tamin'ny fifandimbiasana demaokratika teto Senegal akory ny nandaniana an'i Macky Sall. Ho fononteny mahonena fotsiny ihany i Wade satria teo ambany fahefany ny fahalalahana no natao tsinontsinona tamin'ny alàlan'ny vono-olona … Mpanao gazety & mpanohitra maro  no nofonjaina (toy ny mahazo ireo tanora sosialista Malick Noel Seck sy Barthélémy Diaz) ary indrindra fa ireo namoy aina tamin'ny korontana nialoha ny fifidianana.

Sainam-pirenena senegaly teo amin'ny kianjan'ny obélisque, avy amin'i Nd1mbee tao amin'ny FlickR ary nahazoana alàlana taminy

wirriyamu ao amin'ny Adieu Wade manohy hoe:

Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia natetika i A. Wade no nanana fotoana mba azo nijerena kely ny hetahetan'ny vahoakany… Tsy nisy na iray aza tamin'ireny fotoana ireny no mba noararaotiny. Ny mifanohitra amin'izay fa rehefa tsy valiany amin'ny fnaovana tsoinontsinona ireny (« izaho no manana ny maro an'isa » « olona kanosa ireny » « tsy hisy na inona na inona hitranga eo ») dia ny herisetra no namaliany azy.

Haby Ba ao amin'ny Président Macky Sall dia miteny amintsika fa ny firotsahan'i Wade no nanakana ny firenena tsy hahita izany atao hoe tena fampielezan-kevitra marina amin'ny fifidianana izany :

Tokony ho tamin'ity taona ity isika no nahita izany hoe fampielezan-kevitra mitondra amin'ny tena safidin'ny vahoaka izany. Ahoana no hataontsika hananganana ny sekoly snegaly izay mibaribary loatra fa mikoroso fahana ? Ahoana no handrindràna ny firaisankinam-pirenena mba tsy hoe fotsiny tafiditra an-tsekoly ireo tsy manan-katokona fa koa ho voaara-maso ara-pahasalamana? Ireny fanontaniana ireny dia tsy nokitihana mihitsy satria isika dia nifantoka kokoa tamin'ny filàna ny hanaovana izay hampangarahara ny dingam-pifidianana.

wirriyamu manohy hoe:

Aty am-parany, tamin'ny fihazonana ny firotsahany ho fidiana, dia angamba nanakorontana ny fizotry ny tantara eto Senegal i Wade. Nosakanany ny tena fifandonan-kevitra marina dia izay tena fifidianana mendrika izany anarana izany. Nifanotrona manodidina tanjona tokana ny avy amin'ny fanoherana : ny hanàla an'i Wade. Ho fanatanterahana izany, tsy mahalala zavatra betsaka akory amin'ireo tetikady i Senegal sady tsy mahalala izay hahazo azy afa-tsy ny hoe tsy hiaraka amin'i Wade …

Iraisan'ny rehetra tsy misy mitsipiaka ny famintinana sady azo ny rariny. Fabienne Fatou Diop :

Tsy tianay ho zava-poana tsy misy dikany  ireo fahafatesana sy ratra nandritra ny hetsi-panoherana nandàvana ny firotsahana fanintelon'i  Abdoulaye Wade. Takianay ny hitondràna ho eo anatrehan'ny fitsarana ireo rehetra nanatanteraka sy mpaniraka tamin'ireo heloka bevava ireo.

Haby Ba

Tant que les politiciens ne seront pas conscients que leurs actes ont des conséquences -y compris pénales- ils continueront à piller ce pays. Seule la justice peut nous éviter de retomber dans la même spirale.

Mr. BoOmbastic PlO

Mihevitra ireo fianakavian'ny niharam-boina fa tsy tokony ho entin'i Wade sy ny tariny hiala maina fotsiny «io tsy rariny io ary ilaina koa ny hivoahan'ny zavatra rehetra hazava tsara mikasika ireny vono olona ireny.»

Ao amin'ny Twitter @astouka dia nanonmboka fanangona-tsonia iray hangatahana ny  hampanaovana Fitsirihana ny Governemanta Senegaly teo aloha sy Hanokafana Fanadihadiana Ara-pitsarana Vaovao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.