Ginea-Bisao: Toerana Tsara Haleha Kokoa Ao Amin'ny Aterineto

Matetika dia sarotra ny ahatongavana amin'ny hananana fidirana aterineto raitra sy azo antoka any Ginea-Bisao. Eny, misy tokoa ireo trano fidirana aterineto azo ampiasain'ny daholobe any amin'ny renivohitr'i Bisao, nefa mampiteny ny moana tokoa ny hafainganam-pandeha sy ny fikirakirana an'ireo fitaovana. Izany aterineto meda sy lafo izany ihany no zavatra tsy maintsy ianteheran'ireo fikambanana sy biraom-panjakana rehefa hiserasera noho ny asany izy ireo. Ary matetika dia tsy takatry ny fahefa-mividin'ny ankamaroan'ny  olona Gineana-Bisao antonony ny sandan'ny wifi atolotr'ireo trano fisotroana kafe sy trano fisakafoana maro ho an'ny mpanjifany.

Ho fanampiana mba hanentsenana izany hantsana eo amin'ny fidirana aterineto izany, nirotsaka an-tsehatra ny ONG iray mba hanome fidirana mirary kokoa ary hanohana ireo olon-tsotra sy fikambanana liana amin'ny fahitàna fa ahitàna tombontsoa bebe kokoa ho an'ny asan-dry zareo ny fahafahany manàna fifandraisana misosa tsara. Sahanin'ny ONG Nadel ity tobinà solosaina antsoina hoe “CENATIC” ity, izay hita any amin'ny manodidina an'i Missira, miaraka amin'ny fanohanan'ny masoivoho Espaniola mpiara-miasa IEPALA. Na dia azo atao hoe lafo tokoa aza ny sandan'ny fanohanana toby sahala amin'izao, nahatsapa ireo antoko rehetra voakasika amin'izany fa fampiasam-bola manan-danja izy io ho fanomezan-toky ny fahafahan'ireo fikambanana sy olon-tsotra rehetra maka tombony amin'ireo teknolojia mba hanampiana azy ireo hamolavola ny hafany ka hiantraikan'izany aminà mpamaky samihafa.

Tamin'ny Febroary 2012, nanokatra ny varavarany tamin'ny Rising Voices ny CENATIC ho fiaraha-miasa anatina atrikasa fanatsarana natolotra ho an'ireo ONG ao an-toerana izay efa nandray anjara tanatinà fanazàrana teo aloha, niarahana tamin'i Filipa Oliveira avy ao amin'ny ONG Portiogey ACEP. Ampahan'ireo hetsika voalohany natolotry ny Casa dos Direitos ireo fanazarana teo aloha ireo. Nandray anjara tao anatin'ireo atrikasa ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny Rising Voices “Youth Voices of Bandim and Enterramento“. Ho fanampin'izay, nitàna anjara asa tanteraka tamin'ny fanomezana torolàlana manokana vitsivitsy ho an'ireo mpandray anjara i Ector Diogenes Cassamá, iray amin'ireo mpandrindra ao anatin'io tetikasa io.

Anatin'ity laahatsary ity, manome topi-maso an'ireo tolotr'io toby io sy ny fanantenan'izy ireo ny amin'ny fanitàrana izany ny mpandrindra io toby io, i Pascoal Nalanquite. Nanana fahalinana tanteraka amin'ny mediam-bahoaka ihany koa i Pascoal miaraka amin'ny kaonty Facebook-ny, sy ny fikirakirany ny pejy Facebook ary ny bilaogin'ny CENATIC.

Mpandray anjara maro hafa no niresaka momba ny bilaogin'izy ireo vao misondrotra sy ny fomba misimisy kokoa mety hanampian'ny firobohana ao anatin'ny tontolon'ny mediam-bahoaka ny asan'ireo fikambanan'izy ireo amin'ny hoavy.

Bacar Fati, Mpanangana sy Filoha Lefitry ny ONG Senim Mira Nassequê:

Agostinho Dias, mpandrindra ny Guinean League of Human Rights, tetikasa fanohanana araka ny lalàna hanampiana ny renim-pianakaviana sy ny zaza :

Mamadu Ali Jalo, avy ao amin'ilay ONG AD – Development Accion:

Amin'ny maha-iray azy amin'ireo fidirana aterineto haingam-pandeha indrindra ao amin'ny firenena, tsara toerana ho loharano manohana ireo olon-tsotra sy fikambanana manerana ny tanàna ny CENATIC, ary koa satria mbola manohy ny fianarany i Nalanquite, mpandrindra ny toby, avy amin'ny alalan'ny fanazarany ny tenany manokana, hivoatra ho mpanazatra ny mediam-bahoaka mba hanampiany ny hafa izy.

Fisaorana manokana ho an'ny Tonian-dahatsoratry ny Global Voices amin'ny teny Portiogey Sara Moreira tamin'ny nanampiany tamin'ny fandikana teny an'ireo lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.