Pakistana: Aoka Izay Ny Fanaovana Anay Ho Toy Ny Fanariam-pako

Matetika dia raisina ho vahaolana amin'ny olana rehetra atrehan'izao tontolo izao ankehitriny ny fanatontoloana. Saingy misy ihany koa ireo zavatra ateraky ny fanantontoloana no tena mahafaty. Ohatra, ny filazana ho foana ny sisintany hahafahan'ny firenena tandrefana manary ny plastika sy ny fako avy tany amin'ny toeram-pitsaboany any amin'ny firenena andalam-pandrosoana. Afa-manao izany tsy misy mpanelingelina ry zareo noho ny tsy fahampian'ny fiampangana sy ny fanaraha-maso any amin'ireo firenena tahaka an'i Pakistana, izay efa iharan'ny fanariana fako nandritra ny 30 taona.

Mitatitra i Skeptic life:

Eny tokoa, tsy misy fomba raikitra ikarakarana an'ireo fako medikaly ao Pakistana. Tsy ireo indostria medikaly rehetra no manana fitaovana fandoroam-pako ary tsy vaovao ny mahita ireo fako voapoizina anatin'ireo toerana fanariam-pako tafo lanitra. Farany  indrindra amin'ny zavatra ilainay ny fako avy amina firenen-kafa manampy trotraka ny olana efa misy, indrindra rehefa hoe  mety ho voapoizina izany fako izany ary mety hiteraka aretina tahaka ny hepatite sy ny SIDA.

Fako medikaly tsy voakarakara hita anatin'ny ranomasina. Sary avy amin'i Raja Islam. Copyright Demotix (1/11/2010)

Mitatitra ny fitsidihany ny tobim-pako tany Lahore i Uroos:

Nandritra ny fitsidihako an'i Lahore roa andro lasa izay, niaraka nidina tany Shadran tamin'ireo namako mpanao gazety hafa aho izay paradisan'ireo mpanefy vy any Lahore. Nahita plastika rotidrotika, fako medikaly nivangongona, fantsona fampiditra anaty lalan-drà sy kitapo fampidirana ranom-panafody mandry amin'ny tany any amin'ny trano fivarotana sy olona tonga hividy izany, niresaka tamin'ny iray amin'ireo ankizy miasa ao ny tenako, gaga sy talanjona aho raha niteny izy fa na ireo orinasa mpamokatra zavatra vita avy amin'ny plastika ao an-toerana, eny fa na dia ireo fitaovana fampiasa amin'ny lakozia aza, dia tonga eny ary mividy izany fako izany mba hampiasain'izy ireo!

Mitatitra mikasika ny fanariana fako plastika any Pakistana ny Green action:

Amin'izao fotoana izao, an-jatony ireo mpampiditra entana sy mpividy izany any Pakistana no manakalo fitaovana sy entana plastika samihafa efa nampiasaina. Ny azo antoka aloha dia ny fahamoran'ireo karazana entana efa nampiasaina ireo izay mahaliana, indrindra ho an'ny mpividy manana fari-piainana antonony eo amin'ny sehatry ny varotra Pakistaney. Saingy, mbola goavana noho ireo vokantsoa sy ireo tombony ireo ny zava-doza eran-tany ateraky ny fampiasàna ireny vokatra plastika efa nampiasaina matetika sy tsy voafehy ireny. Angamba tsy ho fomba iray tsara ho an'ny olona mipetraka any amin'ny faritra manerana izao tontolo izao izay mikolokolo ny fahasalamany ny fisotroana rano aminà tavoahangy PET, nefa maro ireo mpanakalo any Pakistana no mifaly amin'ny tombontsoa ara-toekarena entin'ireo fako sarobidy ireo, izay arian'ny ankamaroan'ireo firenena mivoatra eran-tany

Manomboka manontany tena ny tsirairay hoe ahoana no hamelan'ny manam-pahefana Pakistaney ny fanariana fitaovana mampidi-doza ao amin'ny tanintsika?  Sarotra anefa io raharaha io noho ireny fitaovana ireny tsy mandalo fanaraha-maso sy voasokajy ho “fako plastika” ary ireo sokajy hafa mila fanazavàna sy amidin'ireo mpanafatra entana. Ariany ireo izay tsy azon'izy ireo amidy, araka izany dia tafiditra tanteraka ao anatin'ilay dingana iray manontolo izy ireo. Maro amin'ireo trano fitsaboantsika ihany koa no hita manary fako eny amin'ny tokontany aoriana na ny fanariam-pako mifanila aminy, hany ka ahitana zazarano tsy azo maro manerana ireo fanariam-pakon'i Karachi rehetra.

Nitatitra trangan-javatra tahaka izany ny gazety Day and night tao amin'ny bilaoginy:

Anatina trangan-zavatra antsoina ho famingavingana ny fahasalamam-bahoaka, manodidina ny 900 kg ny  fako ara-pitsaboana (bio medical waste – BMW), isan'izany ireo fitsindrona efa niasa, vovon-dandihazo feno rà sy fehy mivondrona anaty kitapo plastika fanariam-pako, nariana eny ankalamanjana any amin'ny hopitaliben'ny oniversiteran'ny UT, GMCH-32 (Government Medical College and Hospital, Sector 32). Manampy trotraka ny helok'ireo namela izany ny mahatranom-panjakana iray be mpivezivezy sy atokisana indrindra azy io ao amin'ny faritra. Miaraka amin'io, olona an'arivony, isan'izany ny mpiasa, marary sy ireo mpiandry azy ireo no mety ho  tratry ny aretina mety hahafaty.

Plastika tsy levona ho azy mitoby any amin'ny fanariam-pako goavana any Karachi. Sary avy amin'i Syed Yasir Kazmi. Copyright Demotix (15/12/2009)

Niresaka amin'ny antsipirihany mikasika ny hafaliana entin'ny fanafàrana  ireo aretina azo avy amin'ny fako plastika ao Lahore ny Pakistan today:

Mora ny fahazoana aretina any Pakistana. Ny marina, raha te-hahazo aretina avy amina trano fandidiana any Alemàna na Japana ianao, ny zavatra hany ataonao dia ny mandeha any amin'ny iray amin'ireo mpanakalo fako plastika ambongadiny any amin'ny tsenan'i Shahdara ary mangataka azy hanome anao ny VIH, Hepatite C na Raboka. Arakaraky ny fifindran'ny aretina ny sandany, manodidina ny Rs 100 ka hatramin'ny 150 eo ny kg. Mety manontany tena ny anton'izao rehetra izao angamba ianao. Tsy mitsahatra miresaka momba ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra any Pakistana izahay na andro na alina. Miray tiskombakomba amin'ireo mpivarotra fako plastika any Lahore ny manam-pahefana tompon'andraikitra amin'ny fampanarahan-dalàna, zay miantoka ny fampidirana ireo kaontenera mitondra ireo aretina aman-taonina ho ao eny amin'ny tsena anatiny aty aminay.

Ilaina anefa ny fanamafisana sy ny fanavaozana ny lalàna mikasika ny fadin-tseranana sy ny fametrahana fanaraha-maso hentitra amin'ny fampidirana karazan'entana tahaka izany. Laharam-pahamehana ny firotsahana an-tsehatr'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana amin'ny fanadiovana ny firenentsika amin'izany karazam-bokatra izany. Ilaina ny fitaterana mikasika ireo fako mivangongo ireo amin'ity raharaha ity satria efa ela loatra isika no niatrika aretina mampidi-doza noho ny tsy fahampian'ny fitandremana. Izany ezaka izany dia mitaky ny tsy fitondrantsika fiara mandalo an'ireo fako voadoro mivangongo eny ankalamanjana any amin'ny tanànantsika ary tsy hanontany intsony ny hoe maninona na iza no mampifandray antsika amin'ireo fitaovana mampidi-doza ireo. Maro ihany koa no azo atao amin'ny fananganana vondrom-piarahamonina mpanadio izay tsy voafaritra ho an'ny morontsiraka ihany.

Rehefa tena isika mihitsy no mampiseho ny fitandremantsika ny tontolo iainana manodidina antsika, izay isika vao afaka hanao fiovana amin'ny fitazonana an'i Pakistana ho salama sy azo iainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.