Maraoka: Mihamahazo Vahana Ny Fanoherana Ny Fetibe Mawazine

Mety hampisy fiantraikany [ar] amin'ny fikarakarana ny Mawazine, fetibe maraokana, noho ny toe-javamisy feno tolona isan-karazany manerantany sy noho krizy ara-toekarena. Fetiben'ny hira iraisampirenena fanao isan-taona ao an-drenivohitra maraokana Rabat ary hotontosaina ny 18 ka hatramin'ny 26 Mey [fr] ny Mawazine amin'ity taona ity.

Efa nisy ny mpihira iraisampirenena nandray anjara tamin'ny Mawazine teo aloha ka anisan'izany farany teo i Whitney Houston, ary tafavory ihany koa ny mpizaha tany hijery rindrankira. Tsy zavabaovao ny fanoherana ny fetibe; nanao izay hanafoanana ny Mawazine ny mpikatroka tamin'ny herintaona fa tsy nahomby. Milaza ny mpanao fihetsiketsehana fa fangalaram-bolam-bahoaka ny fetibe, ka nangatahiny mba hafindra hampiasaina amin'ny zavatra mahamaika kokoa ny tetibola ho amin'izany, saingy mamaly kosa ny mpikarakara fa avy amin'ny fanohanana sy ny vidin'ny tapakila ny ampahany be amin'ny tetibola. Araka ny fanatonan'ny andro hanombohan'ny fetibe no isian'ny fanahiana fa mety ho voasakan'ny mpanao fihetsiketsehana izy io.

Syrian singer Mayada El-Hanaoui performing at the Mawazine festival in 2011. Photo from Flickr by Magharebia (CC BY 2.0)

Syrian singer Mayada El-Hanaoui performing at the Mawazine festival in 2011. Photo from Flickr by Magharebia (CC BY 2.0)

Namoaka lahatsoratra ny bilaogy View From Fez :

Tsikaritra fa hiverina indray ny zavanisy teo aloha amin'ny andiany faha-11 amin'ny fetibe Mawazine (18- 26 Mey) fa ho voatsikera indray, tsy noho ny fomba na toetran'ny mpandray anjara, fa noho vola be loatra omena ny artista. Araka ny tatitra maro, Mariah Carey, heverina ho nandray vola mihoatra ny $830.000 i Mariah Carey tamin'ny famaranana ny lanonan'ny fetiben'i Rabat.

Mpampianatra anjerimanontolo Talal no nanoratra hafatra bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Mawazine ou Mahazine” midika hoe “Mawazine (rima) sa vahoaka manjonitra”:

J'aimerais pouvoir partager cette joie avec nos patients qui meurent aux urgences en attendant qu'un infirmier arrive, après 6 heures d'attente. J'aimerais tellement partager cette joie avec ce pauvre licencié en droit qui fait 3 fautes d'orthographe par phrase à cause du systèmes éducatif défaillant dans lequel il a grandi, ou avec cette fillette qui doit parcourir 3km pour 4h de route pour aller à l'école. J'aimerais tellement la partager, cette joie dont vous parlez, avec ces habitants des montagnes de l'Atlas qui sont morts de froid à cause d'un Hiver un peu trop dur, et de conditions de vie médiocres, sans électricité ni eau potable.

Mba tiako ny hifampizara hafaliana amin'ny olona tsaboinay izay maty ao amin'ny efitra mila fitsaboana maika eo am-piandrasana ny mpitsabo mpanampy, tonga ihany rehefa nandrasana 6 ora taty aoriana. Mba tiako ny hifampizara hafaliana amin'ity olona nahazo diplaoma “licence” ao amin'ny sampana lalàna manao fahadisoam-panoratana telo isaky ny fehezantany noho ny faharatsian'ny rafi-pampianarana nanabeazana azy, na amin'ity kilongavavikely tsy maintsy mandany adiny 4 noho ny 3 km tsy maintsy diavina ho any an-tsekoly. Tiako tokoa ny mba hizara izany hafaliana lazainareo izany amin'ny mponina monina any amin'ny tendrombohitra Atlas matin'ny hatsiaka noho ny ririnina mamirifiry loatra, tsy misy rano madio tsy misy herinaratra.
A meeting of the National Campaign for the Cancellation of Mawazine. Photo from Flickr by Magharebia (CC BY 2.0)

Fivorian'ireo mpanentana nasionaly manao izay hanafoanana ny Mawazine. Saripika Magharebia (CC BY 2.0)

Saropady eo amin'ny politika ny fetibe. Misioka ny mpiandraikitra ny Marketing Insouciant [fr]:

@yucefj: Benkirane ordonne la chabiba du #PJD de ne pas se manifester contre #Mawazine…Vive l´expression libre quoi!!

Mibaiko ny tanoran'ny #PJD [Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana] tsy hiditra ao amin'ny fanoherana ny #Mawazine i Benkirane [PraiminisitraMaraokana]… Ho ela velona moa ny fahalalaham-pitenenana!!

Raha mihamahazo vahana ny fanoherana, mitady ny fahaleovantena ara-bola ny fetiben'ny mozika hanoherana ny tsikera. Miaro i Safae El Mansouri:

@safaemansouri: Mawazine funds: 57% SMS games, TV broadcasting ads, 34% #sponsorship, 8% from #Moroccangovernment. STOP blaming #Government for #MAWAZINE.

Fahazoambolan'ny Mawazine: 57% lalao SMS, doka fahitalavitra, 34% fanohanana, 8% avy amin'ny fitondrana maraokana. Atsaharo ny famelezana ny fitondrana amin'ny mawazine

Ny lahatsary manaraka avy amin'ny tahirin-kevitry ny Fanentanana Nasionaly Ho Fanafoanana Ny Mawazine taloha ela:

http://www.youtube.com/watch?v=6EwmZ-YGeXw

Manasongadina ny fanoherana ny Mawazine ity lahatsary avy amin'i MegaMawhoub ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.