- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Tanora Mpanoratra Miatrika Sivana Miaramila

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Tojo fahasahiranana noho ny fitantarany an-tsoratra amin'ny antsipirihany ny fiaina-miaramila nandritra ny niantsoana azy, sy ny maro hafa, ho ambany fanevan'ny tafika Armeniana, tao anatin'ny Firaisana Sovietika taloha, ny zatovolahy mpandamina rindrambaiko an-tsolosaina Hovhannes Ishkhanyan, 24 taona.

Na dia 300 isa monja aza ny isan'ny natonta printy, dia notondroin'ny fampanoavana ao amin'ny tafika Armeniana ho manala baraka ny tafika, manompa ny fivavahana sy ny reny ihany koa ny boky. Nesorina teny amin'ny talatalan'ny fivarotam-boky roa farafahakeliny ao Yerevan renivohitra Armeniana ny boky Demob Day (Androm-pitsaharana ara-tafika).

Mampihomehy ihany fa hankalaza ny maha-renivohitry ny boky azy manerantany araka ny UNESCO [1] ny tanàna amin'ity taona ity, fa zavatra bitika ihany izany amin'i Ishkanyan izay hiatrika ny fiampangana araka ny andininy faha-263 amin'ny lalàna momba ny heloka bevava any Armenia noho ny fampielezana vetaveta na fitaovana mifandraika amin'izany.

Demob Day

Fandoavana onitra na figadrana roa na telo taona no azon'i Ishkhanyan raha izy fa voaheloka. Maneho hevitra momba ny raharaha [2] i Ianyan.

Niaritra laza ratsy ny tafika Armeniana tao anatin'ny taona vitsivitsy noho ny fandrenesam-baovao fahafatesan'olona tsy anaty ady mihatra amin'ny rafitra. Ampangain'ny mpikatroka, manao fihetsiketsehana hatrany isaky ny misy fahafatesana, ny miaramila ho tsy mahatontosa ny famotorana hatramin'ny farany ka milaza ny famonoan'olona ho famonoan-tena. Nisy lahatsary tsy matihanina nivoaka tao amin'ny Youtube tamin'ny Septembra 2010 ahitana ny lazaina fa fihoara-pahefana mitranga ao amin'ny Tafika Armenian izay niteraka lohateny lehibe ivelan'ny firenena.

Telo amin'ny tantara foronina 16 hita ao amin'ny “Androm-pameranana ny fitaova[-mpiadiana]” no miresaka momba ny tafika. Ny iray amin'ireo, mitondra ny lohateny hoe “Famindra Miaramila,” miresaka momba ny miaramila tokony ho 100 eo ho eo teny ampandehanana lavitra, ka nifandimby nitantara ny fiainan-dry zareo tao amin'ny tafika, sady asehon-dry zareo ny karatra famantarana no tena nahatezitra indrindra ny manampahefana, raha ny fitantaran'i Ishkhanyan.

The Armenian Observer aza moa somary niato kely hamakiana ny boky [3].

Nahaliana ahy ny toe-draharaha niaraka tamin'ny polisy, ka namaky ny boky aho. Tsorina fa tsy niteraka fifaliana ahy mihitsy ny namakiana azy. Feno herisetra sy fanimbazimbana loatra ho ahy, saingy izay no izy. Sarotra ny hanantena hahita boky momba ny tafika Armeniana ho malefadefaka sy poetika – fa, miresaka rafitra isika izao, ampolony ny miaramaila maty tsy tany an'ady isan-taona, ny ankamaroany noho ny sotasota, herisetra sy fanerena, manery ny miaramila hamono tena.

[…]

Mitantara ny tsindrihazolena ataon'ny manamboninahitra ao amin'ny tafika ireo mahery fon'ny boky, ireo miaramila tanora mady na tapaka (bekotromaroholatra) nandritra ny fanompoam-pirenena.

[…]

Tsy ilaina ny miteny fa miatrika sivana miharihary isika, ary tsy azo ekena izany.

Milaza ny heviny ihany koa i [4] Unzipped, manintona ny fifantohana hitodika any amin'ny fanangonan-tsonia [5] natao hanohanana ilay tanora mpanoratra. “Tsy mampino,” hoy ny mpamahana bolongana. “Vanim-potoana inona no iainantsika izao?! Lazao ny TSIA tsy mihambahamba avy aminao amin'ny fikasana hamerina an'i Armenia any amin'ny vanim-potoana maizin'ny Stalinisma.”

[6]

Hovhannes Ishkhanyan © Nazik Armenakyan, ArmeniaNow

Misy hetsika Facebook nosokafana ato [7]. Misy ihany koa ny tafatafa nifanaovana tamin'i Ishkanyan tamin'ny herintaona [8] izay iresahan'ny mpanoratra ny fahalalaham-pitenenanan sy ny kolontsaina ara-miaramila any Armenia ao amin'ny Artist For Artist.