Tonizia: Nofoanana Ny Fandraràna Tsy Hanao Fihetsiketsehana

Nisento ny mpiserasera rehefa nofoanana ny fandraràna tsy hahazo hanao fihetsiketsehana eo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba [mg].

Io no lalambe malaza indrindra ao Tunis sady toerana nanaovana fihetsiketseham-bahoaka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona toniziana. Nahitana fihetsiketsehana indray teo vao tsy ela izay, nataon'ny tsy an'asa [mg] tamin'ny 7 Avrily sy ny mpikatroky ny fiaraha-monim-pirenena tamin'ny 9 Avrily (Andron'ny Maritioran'i Tonizia), sy ny mpikambana sasany tao amin'ny antenimieram-panorenana tamin'ny 10 Avrily. Natao ny hetsika roa farany “hanafahana” ny lalambe. Nisy ny fifandonana mahery vaika nandritra ny Andron'ny Maritiora ka nandratran'ny polisy olona maro [mg], niteraka fifanenjanana izany sy ny hetaheta hanesorana ny fandrarana. Nanao diabe ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana ny ampitso ka nihaona tamin'ny minisitry ny atitany hifampiresaka ny raharaha 9 Avrily. Nanapakevitra ny hanafoana ny fandrarana teo amin'ny lalambe ny governemanta ny 11 Avrily.

Lalambe Habib Bourguiba. Saripika mpisera Flickr Tab59 (CC BY-SA 2.0).

Nilaza ny fahafaliany amin'ny fahafahana manao fihetsiketsehana malalaka eo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba ny mpiserasera, saingy nivoady fa tsy hijanona amin'izao fotsiny.

Nanondro ny revolisionera ho anton'ny fanesorana ny fandrarana ny bilaogera sady mpanao gazety Sofien Chourabi:

@Sofien_Chourabi:بفضلكم يا أحرار تونس تم صباح اليوم الغاء قرار منع التظاهر في شارع الحبيب بورقيبة من طرف مجلس وزاري.
Noho ianareo, ry vahoakan'i Tonizia afaka no nanesorana ny fandrarana tsy hanaovana hetsika teo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba nandritra ny filankevitry ny minisitra

Nisioka ny mpanao gazety  Tounsiahourra:

@tounsiahourra:اتحاد عام طلبة تونس يدشن قرار إلغاء منع التظاهرات في شارع بورقيبة , بالتظاهر امام المسرح البلدي ‎‪#UGET‬‏ #HBAVENUE
Nandray an-kafaliana ny fanapaha-kevitra hanafoana ny fandrarana tsy hanao hetsi-panoherana eo amin'ny Lalambe Bourguiba ny sendika jeneralin'ny mpianatra toniziana (UGET) tamin'ny alalan'ny fanaovana hetsika teo anoloan'ny Teatra Monisipaly

Mampiseho ny fanombohan'ny hetsika indray teo amin'ny Lalambe Habib Bourguiba ity lahatsarin'i WebdoTN manaraka ity. Nifamory teo anoloan'ny Teatra Monisipaly ny UGET ary nihiaka antso samihafa:

Nisioka ny bilaogera mazoto sady mpanao gazety Haythem El Mekki:

@ByLasKo: التراجع عن هذا القرار لاهو حكمة لاهو مزية، بل هو أقل القليل !!!
Tsy midika ho fahendrena na fanomezana vahana io fanapaha-kevitra io – fa ny farafahakeliny indrindra!!!

Mitaky ny hialan'ny minisitry ny atitany Toniziana Ali Larayedh ny mpianatra Haykal Fakhfakh:

@HaykalFakhfakh: L avenue bourguiba est libre maintenant passons a la demission du ministre de terreur #tunisie #9Avril

Afaka ankehitriny ny Lalambe Habib Bourguiba, andao hanao izay hampiala ny minisitry ny horohoro #tunisie #9Avril

Miantso fahamailoana ny mpanao gazety Emna Ben Jemaa:

@Emnabenjemaa: Ne vous faites pas arnaquer par l annulation de l interdiction.faut que les responsables soient punis #MI

Aza manaiky hofitahan'ny fanafoanana ny fandrarana. Aoka hosaziana ny tompon'andraikitra #MI

Niarahana nandika tamin'i Jentilisa

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.