Alzeria: Fanaovam-beloma Farany Ho An'ny Filoham-pirenena Algeriana Ahmed Ben Bella

Taorian'ny fahafatesan'i Ahmed Ben Bella, nahatsiaro ity lehilahy ity ny mpiserasera Arabo amin'ny maha filoham-pirenena Alzeriana azy voalohany.

Namony ny ainy tamin'ny 11 Aprily 2012 i Ben Bella, noho ny aretina nahazo azy. Iray amin'ireo nanamarika ny Ady ho amin'ny fahaleovantena Alzeriana izy ka voafidy ho filoham-pirenen'i Alzeria tamin'ny taona 1963. Vahoaka an-jatony no tonga nanome voninahitra farany ho an'ny filoha teo aloha, nahatsiaro ny fotoana nitondran'i Ben Bella kosa ny mpiserasera.

Ahmed Ben Bella. Sary ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Mahmoud Siyoucef nilaza hoe:

@mahmoudsiyoucef: ALGER VENDREDI 13 AVRIL…IL PLEUT SUR LA VILLE COMME IL PLEUT SUR MON COEUR…

Alzera, Zoma 13 Aprily…Avy ny orana ato an-tanàna ka tahaka ny (ranomaso) ao am-poko

Mampiseho ny fanaovam-beloma farany an'i Ahmed Ben Bella ity lahatsary manaraka avy amin'i Doualia.com ity:

FreeTunis nanatsonga ny filohan'i Tonizia Moncef Marzouki izay nanatrika ny fandevenana:

@FreeTunis: #Marzouki: L’#Algérie n'est pas la seule à avoir perdu #BenBella. Le Grand #Maghreb l'a perdu aussi, tout comme la nation arabe.

#Marzouki: Tsy irery i Alzeria amin'izao fahalasan'i #BenBella izao. Very olo-manga [BenBella] koa i #Maghreb Lehibe, tahaka ny firenena Arabo manontolo.

Mpanao gazety Libaney Hisham Melhem nankasitraka an'i Ben Bella noho ny fanampiany tamin'ny nahazoana ny fahaleovan-tenan'i Alzeria saingy nitsikera kosa ny lova navelany:

@hisham_melhem: Eny, Ben Bella, Nasser & sy ny “revolisionera” Arabo hafa, nahazo  fahaleovantena, saingy ny didy jadona foana no nanjaka hatrizay.

Blogger Issandr El Amrani nanoratra hoe:

Tamin'ireo mpitondra nifandimby teo aloha, maty ny fahafahana ara-politika Alzeriana — ny fanontaniana dia hoe: mbola ampiharin’ ireo izay ho mpandimby azy ireo ihany ve ny izany rafi-politikan'ny tahotra izany .

Mpamahana bolongana Palestiniana Hisham Shafiq Skalla tonga nanome voninahitra farany ho an'i Ben Bella:

وبن بلة الثائر غير بن بلة السلطوي وكلاهما غير بن بلة المعارض، ومهما قيل ويقال عن بن بلة ومرحلة حكمه يبقى الرجل رمز من رموز الرجال الذين ساهموا في تحرير الجزائر من ربقة الاستعمار الفرنسي
Ben Bella, ilay revolisionera dia tsy i Ben Bella mpanao didy jadona, ary tsy mitovy an'i Ben Bella ao amin'ny mpanohitra koa izy roa ireo. Na inona nolazaina sy mbola holazaina mikasika an'i Ben Bella sy ny fitondrany, mijanona ho olo-manga tao anatin'ireo izay nandray anjara tamin'ny fanafahana an'i Alzeria teo ambanin'ny ziogan'ny fanjanahan'ny Frantsay izy.

Na dia izany aza, tsy ny rehetra no te-hahatsiaro an'i Ben Bella. Mpanao gazety Leila Beratto nanatsonga tanora lehilahy iray niteny tao amin'ny fahitalavitra nasionaly Alzeriana:

@LeilaBeratto: Obsèques de #benbella (devant la tv): commentaire d'un algérien de 26 ans : “Même mort il continue de nous emmerder” #algeriensEtPolitique

Fandevenana an'i #benbella (eo anoloan'ny TV): Fanehoan-kevitra avy aminà Alzeriana 26 taona: “Na efa maty aza izy mbola manorisory anay foana” #algeriensEtPolitique

Amin'ity lahatsary manaraka avy amin'i Doualia.com ity, nanome ny fandinihany farany mikasika an'i Ahmed Ben Bella ny Alzeriana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.