Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina

Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Milaza ny fahasahiranany momba ny loza mety ateraky ny ady amin'ny vakoka iraisampirenen'i Tombouctou ao amin'ny fanambarana an-gazety, ny tale jeneralin'ny UNESCO, Rtoa Irina Bokova:

Araka ny vaovao navoakan'ny gazety, niditra tao an-toerana ny mpioko ary nandrenesana tifitra tao. Manana toeram-bakoka telo ankoatra ny ao Tombouctou i Mali : ny Tanàna talohan'i Djenné, ny Hantsan'i Bandiagara (faritras dogon) ary ny Fasan'ny Askia.

Moskea Sankore ao Tombouctou, License Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0

Foiben-kolontsaina sy fampielezana ny finoana miozolomana ny tanànan'i Tombouctou nandritra ny taonjato faha-XV sy XVI ary nihoatra lavitra an'i Mali ny lazany. Maro ny anjerimanontolo ampianaran'ny manampahaizana avy amin'ny tontolo miozolomana [manerantany] ao. Mbola ao avokoa ny moskea telo lehibe Sidi Yahia, Djingareyber ary Sankoré izay miakatra amin'ny taom-bolamenany, saingy tandindonin'ny fasika izy ireo. Ary maro indrindra indrindra ny boky ao aminy.

Saingy, ahiana hampanjavona mandrakizay ny harem-bakoka ny fandosiran'ny olona any amin'ny firenenkafa na faritra hafa noho ny fisian'ny ady faramparany teo. Manombana ao amin'ny africultures.com i Christelle Marot, mpanao gazety sady mpamahana bolongana ao Casablanca, misahana ny tahiry voasoratra ao Tombouctou fa:

Ny kely hita maso fotsiny ireo tahirin-tsoratra 25 000 ireo. Tombanana fa any ho any amin'ny 100 000 any ny tahirin-tsoratra ampelantanany fianakaviana maro ao Tombouctou, raha tsy isaina ny tahiry manokana tazonin'ny mponina any amin'ny faritra Kidal, Gao, Ségou na Kayes, izay mety hahatonga any amin'ny isa mahatonga sainan'ny 700 000, mety ho 1 000 000 ho an'i Mali sy ny manodidina. Misy ny asasoratra mbola miafina any anaty fasika any mba ialana amin'ny tsikilokilon'ny maso sy ny fangalaran'ny vahiny nandritra ny fanjanahantany.

Nandritra ny fampirantiana nomanin'ny tanomboky Fondo Kati tao Tombouctou hampiroboroboana ny fameloma-maso indray ny kolontsaina hispano-miozolomana sy ho fampahafantarana ny fifandraisana akaiky sy vakoka niraisana tamin'ny faritra sy tanandehibe  Espaniola no nanoratan'ny mpanao gazetySalimata DIOUARA :

Araka ny nolazain'i M. HAÏDARA, namela tahirin-tsoratra anarivony voasoratra tamin'ny teny arabo, hebreo ary espaniola ny mpizaha Mahmoud Kati, izay voatahiry ao amin'ny tranombokim-pianakaviana Fondo Kati avy ao  Tombouctou amin'izao fotoana izao. Natsangan'i Mahmoud Kati, zanakalahin'i Ali Ben ZIYAD sy Kadidia SYLLA izay zokivavin'ny amperora Askia Mohamed ny tranomboky. Ahitana tahirintsoratra 14.000 ao ka 7.000 amin'izany no voasokajy.

Hita ao amin'ny tombouctoumanuscripts.org, fa nanampy tamin'ny fananganana ny Ivotoerana Vaovao Ahmed Baba tamin'ny vola miteninta  2,5 miliara Francs CFA [381 000 Euros] ka manana velarana 4 800 m2 ahitana trano mitohatohatra (amphithéâtre) misy seza 500, efitra fivoriana mahazaka olona 300 ary tranomboky i Afrika Atsimo. Io Ivotoerana io dia:

manana tahirintsoratra eo ho eo amin'ny 30000 eo amin'izao fotoana izao ary voangona noho ny ezaky ny olona miavaka tahaka ny Mahmoud Zubayr, tale voalohan'ny ivotoerana sy Abdul Kader Haidara izay niasa tao amin'ny CEDRAB talohan'ny nananganany tranomboky manokana. Mbola vitsy ihany izany tahirintsoratra 30000 izany raha heverina ny isan'ny tahirintsoratra misy ao amin'ny faritra.

Nampahatsiarovin'i Christelle Marot ao amin'ny hafatra efa voalaza etsy ambony ao amin'ny Africultures ihany koa:
nanome hatrany amin'ny 45 tapitrisa francs CFA [Euros 68 602] ho an'ny ivotoerana Ahmed Baba ihany koa i Arabia Saodita sy i Koeïty, ankoatra izay efa notarihan'ny Unesco, Norvezy ary Luxembourg. ” Ho an'ny olo-tsotra, mpanao asasoa malala-tanana tokoa izy ireo….”.

Le drapeau noir des islamistes fondementalistes flotte sur Tombouctou par Boubacar Bah sur Twitter

Hanao ahoana io harentsaina an'olombelona io? Nampisy fitaintainana nanerana ny lafivalo ny mety ho valin'izany fanontaniana izany taorian'ny nahazoan'ny mpioko toaregy sy ny fiaraha-mientana islamista avy amin'ny Ansar Dine sy ny Al-Qaeda Maghreb Islamika ny tanànan'i Tombouctou. Ao amin'ny takelaka mitondra ny lohateny hoe “Après les Bouddhas de Bamyan, les manuscrits de Tombouctou?” [Aorian'ny Boddahn'i Bamyan ny tahirintsoratr'i Tombouctou?] no nandraisan'i Hervé Bar ny tenin'i Hamady Bocoum, talen'ny Institut fondamental d'Afrique noire (Ifan) ao Dakar:
Efa taonjato maro no voatahiry ao Tombouctou, tanànan'ny manampahaizana, tanànan'ny olomasina 333 ny rakitsoratra tsy manampaharoa eo ho eo amin'ny 100.000 eo. Vakoka avokoa ny fari-ponenana tsirairay ao Tombouctou, tranomboky “Fanànan'ny taranaka olobe ao an-tanàna”, tehirizina any amin'ny toerana miafina ao an-trano, any amin'ny tranomboky manokana, arahin'ny loholona sy ny olom-pivavahana malaza maso, ary voatahiry hatrany amin'ny taonjato faha-XII ireny rakitsoratra ireny. Ny ankamaroan'izy ireo dia voasoratra amin'ny fiteny arabo na peul, avy amin'ny manampahaizana avy ao amin'ny ampiran'i Mali fahiny. Voasoratra ao anatin'ireo lahatsoratra ireo ny momba ny islam, ary ahitana tantara, astronomia, mozika, zavamaniry, rafi-pirazanana, fijerena ny taovan'ny biby sy ny olombelona… Taranja tsy dia ankafizin'ny Al-Qaeda sy ny jihadista miaraka aminy ary heveriny ho “maloto” aza. Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny nahazo ny Boddhas ao Bamyan, ao afovoan'i Afghanistan.
 Mampahatsiaro i Guy Alain BEMBELLY fa efa voasoratra ao anatin'ny vakoka ara-kolontsaina manerantany ny tanàna hatramin'ny 1988:

Tombouctou est un vrai grenier du savoir didactique dans les domaines de l’astronomie, de la musique, de la botanique, de l’histoire (sur l’histoire du Soudan au xve siècle). Le centre de documentation et de recherches Ahmed-Baba (Cedrab), fondé en 1970 avec l’aide de l’UNESCO, recueille certains de ces manuscrits pour les restaurer et les numériser. Ce trésor culturel est à préserver. Il faut y aller…

Sompitry ny fahalalàna ampianarina eo amin'ny taranjan'i astronomia, mozika, zavamaniry, tantara (tantaran'i Soudan tamin'ny taonjato faha-XV) tokoa i Tombouctou. Manangona ny ankamaroan'ireo rakitsoratra ireo ny Ivotoeram-panangonana tahirin-kevitra sy fikarohana Ahmed-Baba (Cedrab), niorina tamin'ny 1970 avy amin'ny fanampian'ny Unesco. Fitahiry io haren-kolontsaina io. Tsy maintsy…

Tononin'i Bembelly ao amin'ny takelakany ny fehezanteny vitsivitsy heverina ho avy amin'io manampahaizana niaina tao Tombouctou ary anisan'izany ity nosoratan'i Ahmed Baba (1556-1627) ity izay miteronterona ao amin'ny ivotoerana mitondra ny anarany:

Ô toi qui vas à Gao fais un détour par Tombouctou. Murmure mon nom à mes amis et porte-leur le salut parfumé de l’exilé qui soupire après le sol où résident sa famille, ses amis, ses voisins.

Ianao izay mankany Gao mba mandalova ao Tombouctou. Bitsiho amin'ny namako ny anarako ary ento ho azy ireo ny arahaba mani-pofon'ny sesintany misento ny tany onenan'ny fianakaviany, ny namany ary ny mpifanolobodirindrina aminy.

Indrisy fa tsy isalasalana intsony ny fivadihan'ny toe-draharaha, ny tranga ahiana ho ratsy indrindra no miseho eo amin'ny lafiny ara-tafika. Nihemotra teo anatrehan'ny vondro-kery hafa mahery setra kokoa ny Mouvement national de libération de l'Azawad (MNLA) [Hetsi-pirenena ho fanafahana an'i Azawad], izay mba mirona kokoa ho amin'ny maha-laika azy sy mba mitady haja kokoa. Nanambara i Moussa Haïdara, mpaka sary, nandrakitra an-dahatsary ny fidiran'ny andiam-piaran'ny Ansar Dine, eo ambany fitantanan'ilay Toaregy Iyad Ag Ghaly, voatonona ao amin'ny takelaka navoakan'i slateafrique.com:

Tonga tamin'ny alalan'ny fiara miisa dimampolo ry zareo. Nalainy ny tanàna, noroahiny ny avy ao amin'ny MNLA sady nodorany ny sainany ka nosoloiny ny an-dry zareo tao amin'ny toby miaramilan'ny tanàna.

Tsy misy fisalasalana intsony fa manatrika ny fanombohan'ny fotoam-panjakan'ny horohoro haharitra fotoana maharitra ahiana hamotika tanteraka ny kolontsaina sy hanozongozona ny faritr'i Sahel iray manontolo izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.