Jordania : Lasa Ny Herintaona, Mitohy ny Fifandroritana

Ny faha 24 Marsa, 2012 – herintaona ilay Faran'ny herinandro izay nanohina ny Jordania iray manontolo, ka nampisondrotra ny finiavana ho amin'ny fanovana. Io no tsingerintaonan'ilay faran'ny herinandro nanaovan'ny andiam-bondrona isankarazany avy ao Jordania hidina an-dalàmbe tao amin'ny lalàmben'i Amman nanaovana hetsika am-pilaminana ary nifanandrina tamin'ny vondrona mifanohitra aminy izay manao azy ireo ho ‘Home Calling’ na ‘Miantso ny Tanindrazana’ (Nidaa Watan). Nihiakiaka ny fanohanana ny Mpanjaka Abdullah ny Nidaa Watan, miaraka amin'ny famantaran'ny fitiavan-tanindrazana, amin'ny filanjana ny sarin'ilay Mpanjaka amin'ny feo sy fiteny ataon'izy ireo mihamahery setra. Nanangona fanehoan-kevitra maromaro nanomboka ny 24 Martsa ka hatramin'ny 25 Marsa, 2011 ny Global Voices .

Miresaka indrindra io faran'ny herinandro io, Mohanned al-Arabiat dia nanoratra tamin'ny taon-dasa  tao amin'ny vohikalan'ny Filazam-baovaon'ny Mponina 7iber hoe :

Tsy te hiditra ao amin'ny resaka fitantanan'izy ireo sy ny foto-drafitr'asan'izy ireo aho, fa mamelà ahy ianareo hilaza ity zavatra manaraka ity : Misy tanàn'i governemanta ao anatin'ilay fikambanana. Fikambanana izay namorona pejy Facebook. Feno fanavakavahana ny fanehoan_kevitra tao, miaraka amin'ny fampitahorana ampihatra herisetra ary hatramin'ny fanaovana sorona ny tena aza ho fanoherana ireo mpanohina ny 24 Marsa. Ny mpitsikera sasany aza nanonona an'i Hitler.  Hitan'izao tontolo izao  ny finiavana hanao ratsy . Mampanontany tena ihany hoe “Mahita” izany ve ny fanjakana.

Amin'ny fiainana andavanandro. Ratsy be ilay fisehoan-javatra, kanefa zavatra IRAY izao no mazava : ny andaniny milamina, ary ny ankilany tsia(vakio ato). Ny iray nitora-bato ary nanompa, ny iray tsia.

Nitohy ny fomba fahitan'i Mohanned :

Aza milaza hoe tsy mbola vonona isika na  tsy mendrika ny amin'ny fahalalahana sy ny hambo-po. Tsy mikasika ny demokrasia izany ,satria ny demokrasia dia atao fitaovana ihany. Fa mikasika antsika kosa. Ny maha olona. Ny hambo-po efa ananantsika ary ny fahalalahana nomen'Andriamanitra antsika.  Tsy mahakasika ny be sy ny maro ny fankahalàna sy ny herisetra aelin'ny andian'olona izay miorina amin'ny hevitra diso, satria tsy mora tohina daholo ny besinimaro ary tsy ratsy saina rehefa  “irery” na rehefa niala tamin'ny fikambanana koa toy izay voalaza tetsy aloha. Andao hanangana fikambanana manodidina ny zontsika.

Mbola mitohy ny hetsi-panoherana ankehitriny, herintaona aty aoriana, miha mahery ny fifanoherana, ary i Jordania aza mizarazara be tsy misy toy izany, fa mandreraka ny resaka tsy misy farany momba ny fanovàna. Amin'ny lafiny iray,  lasa resaky ny olona rehetra ny tranga maro maneho firoboroboan'ny kolikoly nandritra ny taona, ny tsy fahombiazana nisesisesy makany amin'ny fanovàna ara-politika, ny tsy fahaizan'ny governemanta mitantana ny toekarena sy ny tsy fisian'ny lamin'asa miompana amin'ny fiainam-bahoaka, ny herisetran'ireo tanora eny an-dalàmbe sy eny amin'ny faritry ny sekoly no mampisy fisamborana, sy fanasaziana mahery ho an'ny rehetra mikasika ny fanapahakevitra ara-politika sy ara-toekarena tato anatin'ny zato taona teo anivon'ny tsy fahampian'ny fandinihana sy ny fieritreretana lalina ny amin'ny hoe inona ny mety ary inona no tsia. Amin'ny lafiny iray kosa, ny fanamaivanana izany fifandroritana izany na ny fampisehoana tsy firaharahiana eo anatrehan'ny filàna ny fifampihenoana sy ny fanovàna tanteraka ny fahazarantsika. Lavaka Vaovao no miforona, ary ilay taloha nihalalina.
Nahavita nisoroka ny korontana ny Departemantan'ny Filaminam-bahoaka(PSD), Ny Zandarmaria (Darak), ary ny Sampam-pitsikilovana ankapobeny (GID), tamin'ny fifanandrinana madinidinika sy ny herisetra teny an-dalàmbe. Na dia izany aza anefa, mino aho fa ny lahateny natao am-pahibemaso sy ny hetsi-panoherana misesisesy izay mbola mitohy dia maneho ny ara-politika,ara-toekarena, ara-sosialy ary ny fandroana sakafo mitsitsy ara-kolotoraly. Ilay Krizy? Fahadisoana noho ny tsy fisian'ny serasera.

Nampiakatra bilaogy (Ar) omaly alina i Tayseer Al Kloob raha hiresaka ny 24 Marsa sy ny tamin'iny taona iny:

أين الأردنيين؟ هل اكتفوا من هذا الحلم؟ ما هذه الأعداد التي لا توصل الصوت؟ هل سئم الناس؟ هل اكتفوا؟ هل نسوا؟ هل شبعوا؟ هل تحقق حلمهم؟ أين أبطال الديجيتال بالآلاف على الفيسبوك والتويتر؟ أنا يا سادتي المراقبين لا أحرّض بل أتساءل وأستفسر، فأنا شاب أردني بسيط لا يملك لهذا الوطن من خير أو شر إلا حلما يحمله في قلبه الصغير.
Aiza ireo Jordaniana? efa leo izany nofinofy izany ve izy ireo? Firy ny isan'ireo tsy maneho ny heviny? Leo ve ny olona? Adinon'izy ireo ve? Afa-po ve izy ireo? Efa tanteraka ve ny fanirian'izy ireo? Aiza ireo andrarezin'ny serasera marobe ao amin'ny Facebook sy Twitter? Tsy mandrobo aho , fa mba manontany fotsiny ihany, amin'ny maha olontsotra ahy avy eto Jordania ary manana nofy iray aho ato anatin'ny foko kely ato ho an'ity firenena ity.

Tamin'ity herinandro ity tao Amman, tranga maro nifanesy ary ady hevitra maro no nomanina mba hanaovana jery todika ny tamin'ny herintaona, ary ijerena ireo hetsika sivily. Nandritra ny herinandro, hamoaka ireo resaka sasany izay tena noresahina tao ny  Global Voices  :

- #JoDebate,  androany alina, 24 Martsa,miaraka amin'ny Jordan Debate Club  (na klioban'ny Jordana momba ny adihevitra) hoe ilay hetsika izay mitohy eny an-dalàmbe ve mahasolo tena ireo Jordaniana.
– #MaqhaAmman,Talata 27 Martsa, miaraka amin'ny Maqha Amman AlSiyasi (Café Politique-Amman)  (kafe Politika-Amman) adihevitra eo amin'ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana “Circle” tamin'ny taon-dasa tao Dakhliyeh.
– #HashtagDebates, Asabotsy 31 Martsa, miaraka amin'ny 7iber.com miresaka momba ny fiantraikan'ilay hetsi-panoherana ny 24 Marsta teo amin'ny sehatra politika sy ny hetsika fanovàna tao Jordana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.