India: Ozinina Tsy Ara-Dalàna Mikirakira Asfalta Miteraka Homamiadana Amin'ny Mponina

Nampahafantatra ny olana atrehin'ny tanàna kely iray ao Rajasthana ny tetikasa Video Volunteers’ India Unheard (Lahatsarin'ny mpilatsaka an-tsitrapo mampiseho an'i India Tsy Fandre), orinasa tsy ara-dalàna maromaro mpamokatra asfalta no mandoto ny tanàna ka niteraka olana ara-pisefoana eo amin'ny 10%-n'ny mponina, ary niteraka fahavoazana teo amin'ny fambolena ihany koa.

Sunita Kasera, monina ao akaiky ny tanàna kely, nanazava ny fitarainan'ny mponina momba ny loto aterak'ireo orinasa ireo izay nahatonga aretina homamiadana sy olàna ara-pisefoana teo amin'ny mponina maro. Mila vola ireo olona marary ireo mba hitsaboany tena kanefa tao anatin'izany, simba ihany ny voliny noho ny loto niparitaka, ka nisy fiantraikany tamin'ny fidirambolany. Nandritra izany anefa, nilaza ny tompon'ny orinasa fa mahazo tombony amin'ny asa foronina ao an-toerana ary mahazo karama ihany koa ny mponina ka tsy nisy ny fitarainana voarain'ny tompon'ny orinasa.

Fanazavana tao amin'ny lahatsary:

Nivadika naloto tanteraka ny rivotra madio niainan'ny mponina tao an-tanàna kelin'i Asthal ao amin'ny distrikan'i Karuali, Rajasthan. Simba alohan'ny fanangonam-bokatra ny voly ary tsy naniry intsony koa ny voankazo. Iray amin'ny mponina folo no tratran'ny aretina homamiadana na tratran'ny raboka mahery vaika. Nanome tsiny ireo orinasa dimy mpamokatra asfalta izay mpamoaka setroka misy poizina sy vovoka mainty isan'andro nandritra ny folo taona avokoa ny rehetra.

Manambatra ny heriny ny fiarahamonina mba hanaporofona fa tsy ara-dalàna ny famokarana ataon'ireo orinasa ka tokony hiala lavitry ny tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.