Bolivia: Manery Hahazoana Aterineto Tsara Kokoa Ireo Mafana Fo

Misolovava ny fahafahana miditra anatin'ny Aterineto eran-tany ary  “amin'ny hafainganam-pandeha faran'izay ambany indrindra azo ekena” ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mafana fo any Bolivia.

Araka ny voatatitra farany tao amin'ny Global Voices, natao tamin'ny Janoary 2012 lasa teo ny National Meeting to Promote Connectivity in Bolivia (Fihaonana Nasionaly Hanandratana ny Serasera Any Bolivia)  [es] voalohany. Taorian'ilay hetsika, nisy vondrona mafana fo nanohy nisolo vava, tahaka ny mpitoraka bilaogy Mario R. Durán avy ao amin'ny Palabras Libres [es], izay nihaona [es] tamin'ny Filohan'ny Fitsarana Ambony ao Bolivia, Ramatoa Gabriela Montaño.

Mikatsaka ny hampahalala sy hanentana mikasika ireo olana sy fetra tratran'ny serasera amin'izao fotoana izao ihany koa io fanentanana io.

Manangona ireo fanohanana ao amin'ny vohikala Más y mejor internet para Bolivia [es] (Aterineto Betsaka sy Tsara kokoa ho an'i Bolivia) io vondrona io. “Mikatsaka ny fitoviana amin'ny fidirana Aterineto ho an'ireo Boliviana […] Tsy manofinofy hafainganam-pandeha raitra dia raitra fa mangataka ny hafainganam-pandeha farany ambany indrindra azo iafina” io vohikala io.

Misy “taha antsary” [es] iray mivezivezy any amin'ireo sehatra fiadian-kevitry ny media sosialy mampiseho fa anivon'ireo toerana farany taraiky indrindra amin'ny serasera sy ny fatran-tosa-pifandraisana  zakany (bande passante) any Amerika Latina i Bolivia. Mampiseho ihany koa izany fa lafo avo 6 ka hatramin'ny 11 mihoatra noho ny vidina Mbps iray any amin'ireo firenena manodidina tahaka an'i Paragoay, ny vidina Mbps iray any Bolivia.

Ombay mitady – Aterineto tsara kokoa ho an'ny Boliviana rehetra. Sarin'i IICD ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0

Ny Manam-pahaizana Elektrika Sergio Toro, Manam-pahaizana Boliviana amin'ny TIC, mitsikera anatina lahatsoratra ao amin'ny bilaogin'i TIC para el desarrollo [es]:

el costo de una banda ancha superior a un megabyte es de 700 bolivianos, eso significa el 98% del salario mínimo, mientras que en Corea del Sur –por ejemplo- el mismo servicio cuesta un 0,2% del salario mínimo

700 bolivianos (manodidina ny 102 dollars Amerikana) ny sandan'ny tosa-pifandraisana iray megabyte, mira 98% -n'ny karama ambany indrindra, raha any Korea Atsimo, ohatra, ny sandan'io tolotra io dia 0.2% -n'ny karama ambany indrindra

Anivon'ireo misolo vava ny seraseraAterineto i Edgar Yana avy ao amin'ny Nuestra Cultura Primero. Mpitoraka bilaogy iray mipetraka any amin'ny vondrom-piarahamonin-janatany Chaguaya i Edgard, adiny 3 sy sasany raha mandeha fiara fitaterana avy eo amin'ny tanànan'i El Alto. Nanatrika ny National Meeting to Promote Connectivity in Bolivia (Fihaonana Nasionaly Hanandratana ny Fifandraisana ao Bolivia) voalohany izy, ary manoritra ny toerana misy azy ny tatitry famintinana an'ilay hetsika [es]:

Edgar Yana, comunario de Chaguaya menciona que tiene que viajar a El Alto para subir contenidos a su blog y que tener internet en su casa es una necesidad.

Milaza i Edgar Yana, mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Chaguaya, fa tsy maintsy mandeha any El Alto izy hampiakarany ny lahatsorany ao amin'ny bilaoginy, noho izany dia ilainy ny fananana aterineto ao an-trano.

Miaraka ao anatin'ny ilay vondrona Facebook ADSL Bolivia [es] ny mpiserasera ary manana ny pejy Facebook Más y mejor internet YA [es] (Aterineto Raitra IZAO) ihany koa ary misioka ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny fampiasàna ilay tenifototra #mejorinternetYA [es].

Fintinin'i Mario R. Duran anatina lahatsoratra ho an'ny El Eco de los Pasos blog [es] ny tanjon'izany fanentanana izany:

la meta es que en el 2014, todos los hogares bolivianos tengan acceso a 1 mbps (como velocidad mínima) a un costo menor a 20 dólares

Ny hananan'ny tokantrano Boliviana rehetra mbps 1 (tosaka ambany indrindra) [Aterineto] amin'ny vidiny latsaky ny 20 dollars Amerikana, amin'ny taona 2014 no tanjona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.