- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ginea-Bisao: Sarin'ilay Mpaka Sary

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Manana anjara asa goavana ny Fakantsary nomerika ao anatin'ny tetikasan'ny Rising Voices “Youth Voices of Bandim and Enterramento [1]” any Ginea-Bisao, ary  tahaka ny fihiratan'ny maso ho an'ny sasany ny fitazonana kamera voalohany indrindra eo amin'ny fiainany.  Nisarika ny sain'ny ONG iray ao an-toerana, izay nihevitra fa naka tsara ny fototry ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hanampiana ireo mponina any an-toerana hitantara ny fiainany manokana ity sarin'i Ampote Mango ity, izay iray amin'ireo mpandray anjara ao anatin'ilay tetikasa.

Voalohany indrindra teo amin'ny fiainany i Mango no nampiasa kamera nandritra ilay fivoahana haka sary nataon'ireo mpiara-monina manodidina an'i Enterramento tamin'ny 2011. Ohatra [2] iray amin'ireo sary nalainy sy ireo hafa tamin'io andro fivoahana io tany amin'ny tsena ity sary ity.

Izany dia ampahany aminà fampirantiana [3] iray natao tany amin'ny Casa dos Direitos (Tranon'ny Zon'[Olombelona]) nandritra ny fanokanana ofisialy azy ireo tamin'ny faran'ny Febroary 2012. Mijanona ho hitan'ny maso any amin'ny toerana misy azy ireo ireo sary manazava ny zon'ny vehivavy any Bissau ireo.

Fiaraha-miasanà ONG Bisao-Gineana maro ity tetikasa ity, ohatra amin'izany ny fikambanana AMIC [4] ao amin'ny Rising Voices, sy ireo ONG Paortigey, tahaka ny naman'ny Rising Voices ACEP [5], izay hiasa amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona any amin'ireo sehatry ny fiarahamonina rehetra. Ny ampahany betsaka amin'ireo fikasan'io foibe io dia ny fampiasana ny kianja handrisihana ny famoronana ny mediam-bahoaka avy amin'ireo mpikambana ao aminy mba hanampiana ny fisoloana vava hanajana ny zo mahaolona azy ireo. Azo jerena ao amin'ny kaonty Flickr an'ny Casa ireo ohatra-na atrikasan-dahatsary nomerika [6] sy ireo atrikasa-na  fitorahana bilaogy [7]. Ny manitikitika ny saina dia fonja io foibe io nandritra ny vanim-potoanan'ny didy jadona, nefa ankehitriny ampiasaina hampiroboroboana ny zon'olobelona any amin'ny fiarahamonina Bisao-Gineana. Azonao jerena ihany koa ato [8] ny fiovan'ny tranobe hitanao eo ambany io.