Malawi: Fihetseham-po Ao Amin'ny Aterineto Manoloana Ny Fahalasan'i Mutharika

Nitatitra ny tao Malaoi sy manerana izao tontolo izao fa maty ny Filohan'i Malaoi Bingu wa Mutharika. Raha tsy nisy ny filazana ofisialy nataon'ny governemanta tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, vao maika niteraka sahotaka kokoa ny fahataran'ilay filazana [*Jereo ny vaovao farany etsy ambany].

Nanambara ny Radiom-panjakana Malawi Broadcasting Corporation ny Talata hariva fa nalaina tany Afrika Atsimo i Mutharika (voalaza ho 78 taona) noho ny fijanonan'ny fitepon'ny fony ny marainan'ny Talata.

Niatrika fanerena iraisam-pirenena sy tao an-toerana i Mutharika tamin'ny fanarenana ny tontolo politika sy toekarena ary sosialin'i Malaoi.

Raha nandeha sahala amin'ny mahazatra ny raharaha tany Malaoi, nandray izany vaovao izany tamim-pihetseham-po nifangaro ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa aterineto tany anatin'ireo vohikalan'ny media sosialy.

Ao amin'ny vondrona Malawi Fuel Watch ao amin'ny Facebook, manoratra ny mpampiasa aterineto iray:

lol lasa ny filoha ary amin'izao fotoana izao dia hita ny solika!

Nilahatra ora maromaro hividianana solika ireo Malaoita hatramin'ny 2010.

Raha manoratra kosa ny hafa:

Namela an'i Joyce [Filoha Lefitra] handray ny toerana i Peter Mutharika [rahalahin'ny Filoha] raha mijanona tahaka izao ny toe-draharaha, mila solika izahay ankehitriny…

Bingu wa Mutharika tany amin'ny Mozea Metropolitan any New York. Sary Ofisialin'ny Trano Fotsy avy amin'i Lawrence Jackson navoaka azon'ny daholobe ampiasaina.

Nitatitra i Rebekka Chimjeka, mpanao gazety Malaoita sady mpitoraka bilaogy fa haverina any Malaoi tsy ho ela ny vata-mangatsikan'i Bingu. Nilaza izy fa manantena ny filoha lefitra Joyce Banda hiatrika ny mpikambana ao amin'ny mpanao gazety i Malaoi. Nanavao ny bilaoginy miaraka amin'ireo vaovao mahakasika ny fahalasan'i Mutharika ny tenany.

Naneho ny mahadiso ireo tatitra milaza fa naiditra ny hopitaly Milpark any Afrika Atsimo i Mutharika ny mpanao gazety iray hafa, Kondwani Munthali:

Anatina fifanapahan-dalana i Malaoi. Tsy nalefa tany amin'ny hopitaly Milpark araka ny tsikaritra sy ny voalazan'ny Governemanta ny Filoha Bingu wa Mutharika.
Ireo famantarana, ara-medikaly, DPP, ny fianakaviana sy ireo loharano hafa dia mampiseho fa maty omaly ny Filoha ary any anatina trano fiandrasam-paty any Afrika Atsimo izy.
Mampiseho ireo tatitra medikaly avy any amin'ny Hopitaly Milpark fa 16 ireo olona nila fitsaboana araha-maso akaiky tamin'io andro io tao amin'ny Hopitaly ary tsy tao anatin'izy ireo ny Filoha.

Mivavaka ho an'i Malaoi izy ary manantena fa harahina ny Lalàmpanorenana:

Misy tatitra milaza fa misy olona sasany ao amin'ny antoko mitondra miezaka hanery ny Parlemanta hifampiantso sy hanova ny lalàmpanorenana mba tsy hamelana ny Filoha Lefitra handray ny toerana.
Izao no vavak'ity bilaogy ity, mba hanjaka ny lamin'ny lalàmpanorenana ary mba omena haja ny Lova, ny Voninahitra ary ny Fahamendrehana ny filoha mba hanjakan'ny fandriampahalemana sy ny lamin'ny lalàm-panorenana.

Niteraka tahotra ho an'i Malaoi  ilay faminanian'ny Nizeriana TB Joshua tamin'ny Febroary momba ny fahafatesana Filoha Afrikana iray ary mpino maro no manamafy fa mirotsaka an-tsehatra amin'ny zavamisy Andriamanitra.

*Fanavaozana: nanamarina ny Filoha Lefitr'i Malaoi Joyce Banda fa maty ny Filoha Bingu wa Mutharika ary nanambara andro fisaonana maharitra 10 andro. Eo ambanin'ny lalàmpanorenana, mandray ny fahefana ny Filoha Lefitra Joyce Banda. Na eo aza izany, nilaza ny mpitondra tenin'ny Governemanta fa tsy afaka mandimby an'i Mutharika ny tenany satria tsy mpikambana ao amin'ny antoko mpitondra izy. Voaroaka tao amin'io antoko io izy tamin'ny 2010 taorian'ny fifamaliana teo aminy sy i Mutharika noho ny fikasany hametraka ny rahalahiny ho mpandimby azy.

Nitatitra ny Malawi Voices fa nanapa-kevitra ny hanaraka ny lalàmpanorenana amin'ny fanohanana an'i Joyce Banda ireo lehiben'ny tafika:

Nanana anjara asa goavana ny Fiarovan'i Malaoi, nikarakara fihaonana tamin'ireo lehiben'ny tafika ny Jeneraly Odillo ary nanaiky hanaraka ny lalàmpanorenana ny rehetra. Nampandre an'i Joyce banda, Peter Mutharika ary Goodall Gondwe ny Jeneraly fa hanaja ny lalàmpanorenana ny tafika, ny zavatra hafa ankoatra izany dia tsy ho raisina an-tanana. Nijoro teo amin'ny toby miaramila Kamuzu ny andia-miaramila ary ny vitsy hafa kosa lasa niambina ny fonenan'ny Veep. Vaky tamin'izany sy ny faneran'i Etazonia mivantana tamin'i Peter Mutharika ny “tetik'i Peter sy i Gooall”

Niseho tany amin'ny tafatafam-baovao ny vondrona minisitra iray ny alin'ny Zoma mba hanambara fa tsy afaka mandimby ny Filoha Bingu wa Mutharika ny Filoha Lefitra Joyce Banda.

Ity no fotoana voalohany indrindra handevenan'i Malawi filoha amperin'asa.

*Fanavaozana 2: Taorian'ny fahafatesan'ny Filoha Bingu wa Mutharika tamin'ny alakamisy, nanao fianianana amin'ny maha-filoha azy tao amin'ny lapan'ny antenimiera tao Lilongwe ny filoha-lefitra Joyce Banda tamin'ny 7 April, 2012. Izy no lasa filoha fahaefatra saingy filohan'i Malawi vehivavy voalohany ary hanompo hatramin'ny fiafaran'ny fe-potoana sisa tokony niasan'i Mutharika amin'ny Mey 2014.

Vehivavy filoha Malaoita voalohany Joyce Banda. Loharanontsary: Takelaka Facebook Naman i Joyce Banda

Namarana hatreo ny adim-pahefana tao amin'ny Antokon'ny Fampandrosoana Demokratika nisy an'i Mutharika ny lanonam-pianianana noho ny nandroahana an'i Banda tao tamin'ny 2010.

Naneho ny hfaliany noho ny fanjakan'ny filaminana nandritra ny tetezamita ny Malawita manerantany noho ny ahiahy fa noheverina ho nisy fandikan-dalampanorenana ny nandraisan'i Peter Mutharika ny fahefana maha-filoha azy.

Ny filoha Joyce Banda no vehivavy filoha ao Afrika faharoan manaraka an'i Ellen Johnson Sirleaf avy ao Liberia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.