Etazonia : “Izaho no Trayvon Martin”

Ny 26 Febroary 2012, George Zimmerman,'Mpanara-maso An-tsitrapo misoroka ny mety hisian'ny Heloka Be vava’ iray ao Sanford Florida, Etazonia, dia nitifitra ary nahafaty an'i Trayvon Martin izay vao 17 taona raha toa ity farany ka iny nivoaka ny mpivarotra iray iny avy nividy vatomamy.
George Zimmerman moa dia niaiky teo anatrehan'ny polisy fa nitifitra an'i Trayvon teo amin'ny tratra. Araka ny re ao amin'ny fandraketam-peo an-telefaonina lah-911 izay nivoaka ny alin'ny Zoma lasa teo, dia nampandre ny polisy i George Zimmerman misy “olona mampiahiahy, Trayvon Martin, tanora 17 taona iray mainty hoditra, mivoaka ny mpivarotra iray. Ilay tompon'andraikitra tao amin'ny 911 dia niangavy an'i George Zimmerman ny tsy hanenjika ilay zazalahy.

"Izaho no Trayvon Martin" – ireo ankizy nanao diabe ho an'i Trayvon Martin, Sary avy amin'i Gilbert King Elisa tao amin'ny Flickr licence-CC -BY

Ny faharikorikon'ireo mponina ao Amerika sy ireo mponina anaty aterineto momba iny raharaha iny dia mbola miha mitombo ary mbola lohateny lehibe an-gazety ao an-tanànan'i Sanford, izay toerana nitrangan'ilay loza. Ireo andianà polisy nametrahana iny raharaha iny hatramin'izao dia tsy mbola nahavita nanao dosie fiampangana mazava an'i George Zimmerman, izay nanao ilay fihetsika izay nolazain'ny maro fa fanavakavaham-bolokoditra.

Gareth Bryant  tao amin'ny bilaoginy, dia nilaza hoe :

Fa maninona ny mainty hoditra no atao amin'ny lisitr'ireo mpanao ratsy foana?
Toy ny efa anjarako mihitsy izany, ny hoe iharan'izany mandrakizay amin'izao sokajy misy ahy izao.

jrcm.t dia nanoratra hoe :

Zavatra miaraka mora mipoaka indrindra : “Basy iray sy mainty hoditra iray”-!Manana ny tsara indrindra aminy ny Fanavakavaham-bolokoditra!! Ary ny solovavan'ny voampanga hanambara hoe “Zon'ny mponina ny mampiasa basy ho fiarovan-tena.”

Ny saranga sosialy naneho hevitra araka izao raikipohy izao :
Fotsy hoditra > Mpiteny Espaniola > Mainty hoditra.

Mavesatra tanteraka ny fironana fanavakavaham-bolokoditra. Na dia ny Departemantan'ny Fitsarana ao Etazonia sy ny FBI  aza dia nanokatra fanadihadiana mikasika ny “Tranga sy ny zava-misy” manodidina ilay famonoana an'i Trayvon Martin, manao fanerena ny amin'ny fitondrana ao Etazonia ny mpiserasera mba hivoahan'ny rariny tokoa. Anisan'ireo fanehoan-kevitra mendrika indrindra :

""Fahatsiarovana am-pitiavana. Trayvon Martin 1995_2012" nataon'i greendoula tao amin'i Flickr, licence CC-license-by-ND

Tericruz, tao amin'ny “The Huffington Post ” (izay nahitàna fanehoan-kevitra an-jatony hatramin'izay nivoahany izay) nanoratra hoe  :

Afaka renao ny hikiakan'ilay tovolahy ny fahavelomany ao ambadik'ilay antson'ny 911. Nitomany aho satria ny zavatra hany vitako dia ny nieritreritra ny zanako lahy, amin'ny toerana misy ahy, ny fahafantarana fa ho faty izy ary tsy misy olona afaka ny hanampy azy. Ho tahian'Andriamanitra ny fanahiny sy ny fianakaviany.

Claudial nanampy toy izao :

Ny lalàna ao Florida dia tahaka ny manome vahana ireo olona izay te hamono olona, raha toa ka tsy misy ny vavolombelona. Raha izaho no mipetraka any Florida, dia tena mihorohoro aho. Ny lalànan'ny basy ao amin'io firenena io dia tena tafahoatra loatra.

MrScorpio  dia namorona lohateny momba ny DemocraticUnderground.com [En] na (demokrasia ambanin'ny tany) ary nanomboka tamin'izay, ireo mponina anaty aterineto dia nameno ilay vohikala tamin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo, ny fijoroana vavolombelon'izy ireo manokana sy ny fahatsiarovan'izy ireo ny fanaovan'ny fotsy hoditra tsinontsinona azy ireo tao Etazonia.

Tao amin'ny  Change.org efa an-tapitrisany ireo olona nanao sonia ilay fitarainana [En] natao hoan'i Lehiben'ny fampanoavana ao Etazonia, sy ireo hafa, mba ivoahan'ny rariny.

Twitter dia tondraka fanehoan-kevitra mikasika ilay raharaha. Ireo sarin'ilay hetsika tao Florida dia azo jerena amin'ny fanarahana ity tenifototra manaraka ity : #Trayvon.@Black Voices :

Tao amin'ny Lapan'ny tanàna, an-jatony ireo mponina sy ireo mpikatroka nanao antso ho amin'ny fisamborana [an'i George Zimmerman] tamin'ilay fahavoazan'i Trayvon Martin  : #trayvon

@YsanneBueno dia niresaka ilay fanavakavaham-bolokoditra :

@MUTHAKNOWS raha toa ka fotsy hoditra  i Trayvon ary i Zimmerman kosa mainty hoditra,  dia mba manontany tena aho hoe ahoana no mety ho fisehon'izany zavatra izany ? #TrueStory na (tantara marina)

@OmariShakirXo dia nangataka ny rehetra ho fahatsiarovana an'i Trayvon :

Ireo olona rehetra maniry ny hisamborana an'i  Kony, azafady mba zarao ny alahelonareo mikasika ny raharaha Trayvon. Tena tsy hitako hoe fangatahana tafahoatra ve izany…

Betsaka ireo manao hetsika ho fanoherana ny lalànan'ny “Stand Your Ground” (Miarova tena) , izay nihatra tao Florida efa hatramin'ny taona 2005, izay nanitarana ny fiarovan-tenan'ireo mponina ao amin'io faritra io isan-tokantrano hahatratra ny faritra ho an'ny daholobe sasantsasany. Ny lalàna toy izany dia mandrava ny foto-dàlana Anglisy amin'ny “adidy miala ny toerana” rehefa tojo toe-draharaha mampidi-doza ivelan'ny trano misy anao. Raha tsy nisy io lalàna manokana io, dia ny Amerikana iray izay manana fitaovam-piadiana dia tsy voatery hiala raha vao miatrika fampitahorana.
@Karen Hunter dia nandefa bitsika hoe :

Misy olona mba afaka hanazava amiko ve hoe nahoana io “Stand Your Ground”io no misy?

@Touré dia nanampy hoe :

Ilay lalànan'ny “Stand Your Ground” dia tsy nilaza mihitsy hoe “Raha toa ianao ka mahatsiaro tena ho ampitahorinà tanora mainty hoditra iray, dia [Voatery ianao] hamaly amin'ny basy”.

Charles M. Blow tao amin'ny New York Times dia namintina toy izao :

Tsy maintsy miandry ny valin'ny famotorana mikasika ilay famonoana an'i Trayvon isika , fa mazava izao fa tena voina tokoa iny. Mbola voina ratsiratsy kokoa raha lazaina fa tsy nisy fandikan-dalàna tao anatin'izy iny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.