Serbia: Tsy Fitovian-kevitra Momba ny Fanomezana Haja an'i Draza Mihailovic Indray

Dragoljub Draža Mihailović dia jeneraly tao amin'ny Tafika Yogoslavy tany an-toerana, nalaza nandritra ny hetsika Chetnik , nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin'ny 1946 dia voasambotry ny fanjakana kômonista Yogoslavy izy, nolazaina fa namadika sy nanao heloka nandritra ny ady, voaheloka ho faty ka novonoina.

Efa hifarana ankehitriny ny fitsarana hanomeza-kasina azy indray, izay nanomboka tamin'ny jona 2010 araka ny fangatahana nataon'ny zafikeliny iray Vojislav Mihailović. Na dia notohanan'ny manam-pahaizana sy ny mpikaroka ary mpanao politika sasany aza izany fanomezam-boninahitra azy izany,  dia mizara ny hevitry ny sivily any Serbia. Ho an'ny sasany, Draža Mihailović dia tsy olo-meloka, ho an'ny hafa kosa, dia fantatra amin'ny naha mpiray tsikombakomba azy tamin'ny mpanjanaka izy, mpanjanaka izay nanao heloka tamin'ny ady tsy tao Serbia ihany , fa hatrany Bosnia sy Herzegovina ary hatrany Kroasia koa.

Mpanao politika, fikambanana tsy miankina sy ny olom-pirenena rehetra tamin'ireo firenena ireo no naneho ny heviny mikasika ity vaovao ity. Mitovitovy ny fomba fijerin'izy ireo raha atao bango tokana, mihevitra an'i Draža Mihailović ho olo-meloka saingy tia tanindrazana izay nanana ilay firehan-kevitra hanangana Serbia Lehibe.

Draža Mihailović. Photo: United States Holocaust Memorial Museum, courtesy of Muzej Revolucije Narodnosti Jugoslavije, in the public domain.

Draža Mihailović. Photo: United States Holocaust Memorial Museum, courtesy of Muzej Revolucije Narodnosti Jugoslavije, in the public domain.

Ivo Josipović, filohan'ny Kroasia, nilaza tao amin'ny Jutarnji List:

Draža Mihailović dia nanao heloka tamin'ny ady… Tadidiko ny tranga maro niraisany[Chetniks] tsikombakomba, tsy amin'ny maha mpanohitra ny fasista azy, fa ny fiarahany niasa tamin'ny Alema, Italiana [Ustaše] fa ny fanoherany ny tia tanindrazana [partisans]… Raha vita ny fitsarana azy araka ny ambaran'ny fampahalalam-baovao – nefa aleo aloha andrasana ny fiafarany tanteraka – dia dingana ratsy ho an'ny ady lehibe faharoa sy ny fanoherana ny fasista izany.

Namoaka fanambarana ny hetsik'ireo niharam-boina tamin'ny ady any Bosnia, izay nilazany toy izao, ankoatra ny zavatra hafa:

Novidian'ny Bosnia sy Herzegovina lafo ny fironan-kevitra Serbia Lehibe, anisan'izany ny famantarana Draza eny amin'ny tsena. Amin'izao fampitsaharana ny fanamelohana azy izao dia manahy mafy ny amin'ny fiandrianam-pirenena sy ny fandriampahalemana eto amin'ny firenenay izahay ary matahotra satria fantatray raha hijanona ho tantara ihany sisa ny tahotra sy ny faty olona niainanay 20 taona lasa izay. Mitovy ihany ny hetsika fasista sy ny fanoherana azy sy ireo nahita faisana sy mpamono olona nandritra ny vanim-potoan'ny herisetra teto amin'ny firenentsika.

Na izany aza, Vuk Jeremić, ministra serba misahana ny raharahambahiny, mihevitra fa ny fampitsaharana ny fanamelohana an'i Draža Mihailović dia raharahan-tokantranon'i Serbia ihany.

Blaogera Serba Filip Mladenović nanoratra :

[…] Somary tezitra ihany aho amin'izao fiverenan'ny tantara izao. Tsy mazava amiko hoe iza no mahazo tombotsoa amin'ny famohazana ny hetsika fanoherana fasista nataon'ny razantsika nandritra ny ady lehibe faharoa ary mihevitra ny hampitsahatra ny fanamelohana ny hetsika Ravnogorski sy ny mpitarika azy dia i Draza. Nahoana i Serbia no miala tsy ho anisan'ny mpandresy ny fasista? Nahoana no atao tsinontsinona ireo namoy ny ainy tamim-boninahitra sy hery nandritra ny ady fanoherana ny fanjakana Nazi an'i Hitler? […]

Ahitana fanehoan-kevitra maherin'ny 350 ao amin'ny soratra nataon'i Mladenovic. Indreto ny santionany amin'ireny.

Johnnyt nanoratra:

Torahanareo vato ny mpiady nahery fo nanohitra ny fasista sy ny kôminista, raha nisonanina fotsiny ao amin'ny Tranom-Boninkazo (Lapam-panjakana) kosa ny mpamono olona [Tito], filohan'ny firenena nanao fandriapham-bahoaka, Yogoslavia,  […]

Dextera nilaza:

Filip, tsy mahafantatra na inona na inona ianao. Tsy nanao afa-tsy ny namaky sy nilaza ny tantara ofisialy noforonin'ny fanjakan'i Tito ianao. Tsy fantatrao fa ny fitsarana an'i Draza dia resaka politika fotsiny, tsy fantatrao hoe inona ny antontataratasy nampiasaina tamin'izany, tsy fantatra ny andraikitry ny[Comintern], tsy fantatrao hoe iza izany Dragić Joksimović izany, tsy fantatrao fa ny anabavin'i Draza dia novonoin'ny miaramila sôvietika raha niditra tao Belgrade izy ireo tamin'ny taona 1944, sy ny sisa. Te hanao zavatra mainty sy fotsy ianao, izany hoe ny nataon'i Tito.

Cult nilaza:

Voararann'ny lalàna ny fanodikondinana ny tantara sy ny fanomezam-boninahitra indray ireo mpamadika sy ireo niray tsikombakomba tamin'ny mpanani-bohitra.

niccolo nilaza:

Tsy ilaina intsony ny iadiana hevitra hoe iza no namono sivily be indrindra – ny Chetnik sa ny (Partisans) Tia Tanindrazana. Na izany aza, fantatry ny mpandray anjara amin'izao ady hevitra izao ve fa ny lalàna ahatongavana amin'ny fanalana ny vesatra iampangana na fampitsaharana ny fanameholana dia tsy avy amin'ny nanatanterahan'ny heloka na tsia, fa avy amin'ny nanatanterahana fitsarana marina na tsia ho an'ilay voampanga?

Mpahay tantara any any Belgrade, Ljubinka Trgovčević nilaza izao tao amin'ny tranonkalan'ny Slobodna Evropa (Eoropa afaka) :

Raha toa ka momba ny fampitsaharana ny fanamelohana nataon'ny fitsarana ambaratonga voalohany ihany izy ity dia ho maivana ihany ny olana. Raha izay, ho tonga hatrany amin'ny filazana fa afaka madiodio izy, tahaka ny hetsika nataony ihany, amin'ny zavatra rehetra nataony na tsia.

Mirko Kovač, mpanoratra fanta-daza any Kroasia, nilaza izao ao amin'io loharanom-baovao io ihany:

Mahafinaritra. Tsy niandry izao zava-nitranga izao mihitsy ny olona, noho izany afaka mampitsahatra ny fanamelohana ny havany koa izy ireo. Mitovy amin'ny Serbia ihany ny toerana misy antsika. Manofinofy an'izany fampitsaharana ny fanamelohana izany ny olona [Ante Pavelić].

Dušan Stefanović avy any Chicago niala tamin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Slobodna Evropa :

Tsy fantatro hoe iza no navadiky Draza tamin'ny ady. Nanohitra an'i Tito sy ny fanjakana kôminista izy, nanohitra ny miaramilan'i Pavelic  [ny Ustaše], nanohitra an'i Hitler sy ny fasista… izay samy fahavalon'i Serbia avokoa nandritra ny ady. Namonjy mpanamory amerikana an-jatony maro izy, eo ho eo amin'ny 500 eo ho eo no nafindra niala tao amin'ny tanànakelin'i Pranjani tamin'ny taona 1943. De Gaulle sy Truman aza nanome mari-boninahitra ambony azy noho ny asa nataony nandritra ny ady. Raha bangoina, tsy namadika an'i Serbia mihitsy ny Jeneraly Draza Mihailovic.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.