Kolombia: Noafahan'ny FARC Ireo Miaramila Takalonaina 10 ‘Farany’

Tamin'ny Alatsinainy 2 Aprily 2012, miaramila efatra sy polisy enina nalain'ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC) an-keriny  tamin'ny taona 1998 na 1999, no noafahan‘ireo vondrona mpioko mitam-piadiana ireo ihany tao amin'ny faritra ambanivohitra eo anelanelan'i Meta sy Guaviare (atsimo-atsinanan'i Kolombia). Nambaran'ny FARC ny fanafahana ireo takalonaina enina tamin'ny taon-dasa, ary tamin'ny volana Febroary, nanambara ny vondrona fa hiala amin'ny fakàna an-keriny izy ireo ary hoahafahany ireo takalonaina ambiny.

Mbola ilay senatera teo aloha Piedad Córdoba sy ny vondrona antsoina hoe Colombianos y Colombianas por la Paz (Kolombiana ho amin'ny Fandriampahalemana, CCP) ihany no nifampiraharaha tamin'izao fanafahana izao. Angidimby Breziliana roa no niala tao amin'ny seranam-piaramanidina Villavicencio haka ireo takalonaina, niaraka tamin'ny solontena roa ao amin'nyVokovoko-mena Iraisampirenena (ICRC), Ramatoa Córdoba sy Olga Amparo Díaz avy ao amin'ny CCP.

Tamin'ny 17:40 COT (22:40 UTC) niverina tao Villavicencio ny angidimby nitondra ireo takalonaina teo aloha mba hoafahana. Minitra fohy taty aoriana, nalefa natao fizahana ara-pahasalamana vetivety izy ireo alohan'ny nanaterana azy ao Bogotá, toerana nihaonany tamin'ireo fianakaviany sy nandraisany fikarakarana ara-pahasalamana tsara kokoa;

Fanehoan-kevitra an'arivony no nameno ny Twitter mikasika izany vaovao izany.

Diana Lara (@LaCura_) ni-tweet hoe:

Inona no zavatra manafintohina nataon'i Uribistas (mpanohana ny filoha  teo aloha Álvaro Uribe Vélez) tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra? Inona no mba nataony mba hanafaka ny IRAY farafahakeliny? TSY MISY!

Mario Cabrera (@amarilloazulado) kosa nankalaza ny fanafahana ireo takalonaina tao anatin'ny fahamalinana:

Faly tokoa tamin'ny nanafahana ireo takalonaina. Tsy ho adinonay ireo naka an-keriny nihazona azy ho takalonaina nandritra ny 14 taona #nomoreFARC

Angela Ospina (@aodenicholls) nampahatsiahy ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter fa mbola misy olo-tsotra tazonin'ny FARC:

ONG País Libre nilaza fa mbola misy olona 407 [olo-tsotra] tazomin'ny FARC an-keriny. Misy olona [vonona] hifampiraharaha amin'ny fiverenan'izy ireo hody any amin'ny tokantranony ve? Hijanona hangina fotsiny ve isika?
Villavicencio, Colombia. April 2, 2012 -- A group of 10 hostages held for more than 12 years arrive on the tarmac in Villavicencio. Photo by Nestor Silva. Copyright Demotix.

Villavicencio, Kolombia. 2 Aprily 2012 — Vondrona takalonaina 10 notazomina nandritra ny 12 taona mahery tonga tao amin'ny tarmac ao Villavicencio. Sary avy amin'i Nestor Silva. Copyright Demotix.

José Carlos García R (@JoseCarlosTecno) nanoratra hoe:

Taorian'ny 14 taona nitazonana ankeriny mahatsiravina sy mampahonena, tokony hovaliana amin'ny fanapoahana ‘baomba tsara’ izao ‘fanetre-tena tsara’ avy amin'ny FARC izao

Ny sasany nivazivazy, tahaka an'i El Chiflamicas (@elchiflamicas):

The Walking Dead! RT @Hora20: Androany ao amin'ny H20 (fandaharana fanehoan-kevitra isan-kariva ao amin'ny radio): olona nalaina an-keriny 10 no tafaverina ho amin'ny fiainana…

Tsy ny mpisiokantserasera rehetra no nankalaza ny famoahana ireo takalonaina. Ramiro Castañeda (@ramiroski_) ni-tweet:

Mahatsiaro tena ho tezitra sy tafintohina aho ankehitriny, mahita ireto lehilahy izay simba ny ampahan'ny fiainany noho ireo mpampihorohoro FARC. Aoka tsy ho adinoina izany.

Daniel Arango (@stultaviro) nahatsiaro ilay takalonaina teo aloha Ingrid Betancourt izay nikasa hitory ny fanjakana:

Tsara fa noafahana ireo nalaina ankeriny.  Rahampitso,  hitory ny fanjakana izy ireo ary isika rehetra no hizaka izany.

Julieth Beltrán (@JuliethBlues) nahatsiaro fanafahana olona hafa:

Tsy ho adinoko mandrakizay fa tamin'ny nanafahana an'i Moncayo, maro ireo olona nilaza fa toy ny mpikambana ao amin'ny mpioko mitam-piadiana izy. Lasa lavitra tokoa izy ireo amin'izany…

Nandritra izany, Andrea Salazar (@MssSookie) nilaza ny heviny mikasika ity fanafahana ity sy ny fangalana ankeriny amin'ny ankapobeny:

Mandòna ny fireneko ny mahita ny tahaka  izao. Faly satria nahazo ny fahafahany izy ireo. Saingy [izany] hafaliana tsy afaka hihoatra ny fahoriana izay tokony tsy hitranga raha ny tokony ho izy.

Juliana Fitzgerald (@Julianitra naneho hevitra misy esoeso tamin'ity fanafahana ity:

Monina amina firenena hafahafa indrindra manerantany aho, paradisa iray miady amin'ny filazana fandriampahalemana.

Tahaka izany ihany koa, Luis G. Forero (@LuisGForero) nanamarika hoe:

Las liberaciones NO son un acto humanitario que hay que agradecer, pero SÍ son un gesto político que hay que apreciar en toda su dimensión

TSY asa fanasoavana ny fanafahana natao izay tokony hisaorana, saingy NY fomba fihetsika politika no tokony hankasitrahana amin'ny habeny rehetra.

Diego Pava (@salentoq) nanao fanoharana ny amin'i William Domínguez, takalonain'ny FARC teo aloha noahafana tamin'ny taona 2009 ary nisy namono nandritra ny fifanjevona tanaty trano fisotroan-toaka tamin'ny volana Septambra 2011:

Tokony atokan'ny fitondrana tsy hifandrairay amin'ny mpanao gazety ireto takalonaina ireto, tsy te hahita tranga toy ilay miaramila Domínguez intsony izahay
Yoyoma Carrillo (@medio_evo) ni-tweet:

Liberación humanitaria? Después que lo tuvieron en un campo de concentración y encadenados como animales.

Fanafahana fanasoavana? Taorian'ny nitazonany azy ireo anaty toby mihiboka sy nafatotra toy ny biby.

Colombia en ruinas (@PaisEnRuinas) nilaza ny amin'ny andraikitry ny tafika:

Este es un triunfo de nuestro Ejército que nunca cedió a los requerimientos de los terroristas, los asedió y fueron obligados a liberarlos.

Fandresen'ny tafika antsika izao izay tsy nanaiky ny fitakian'ny mpampihorohoro, nanao fahirano sy nanery azy hanafaka azy ireo

Farany, Camilo Martínez N. (@CamiloMartinezN)  nanambara hoe:

OJO, comunidad internacional debe recordad que el criminal, asesino, terrorista y secuestrador son las farc! No olvidar!! No caer en juego!

TANDREMO, tokony hotsarovan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena fa ny mpanao meloka, ny mpamono olona, ny mpampihorohoro, sy ny mpaka ankeriny dia ny FARC!! Aza adino! Aza tratry ny velam-pandrikany!

Ireo noafahana (daty nitazonana azy ireo an-keriny): Serzàn'ny Tafika Luis Alfonso Beltrán Franco (1998-03-03), Serzàn'ny Tafika  Luis Arturo Arcia (1998-03-04), Serzàn'ny Tafika  Robinson Salcedo Guarín (1998-08-03), Serzàn'ny Tafika  Luis Alfredo Moreno Chagüeza (1998-08-03), Polisy Carlos José Duarte (1999-07-10), Polisy César Augusto Lasso Monsalve (1998-11-01), Polisy Jorge Trujillo Solarte (1999-07-10), Polisy Jorge Humberto Romero (1999-07-10), serzà sefo Polisy José Libardo Forero (1999-07-10), ary ny Polisy Wilson Rojas Medina (1999-07-10).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.