Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra

Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nandeha dia nandeha ny resaka tao Korea Atsimo sy Japana, ity farany izay vao avy nikarakara ny rafi-piarovana amin'ny balafomanga raha toa ka miditra amin'ny faritra an'habakabak'i Japana ny mpitondra zanabolana.

Amin'ny maha firenena namana akaiky an'i Korea Avaratra, somary malina ihany ny filoham-pirenena ao Shina, Hu Jintao amin'ny filazana ny heviny. Tao amin'ny tambajotra sosialy, nanintona ny sain'ireo mpiserasera ny vaovao saingy samy manana ny heviny kosa izy ireo.

Tamin'ny adihevitra mikasika ny vaovao ao amin'ny Sina Weibo, mpiserasera sasany mahita fa manana herim-po i Korea Avaratra hifanatrika amin'ny fanjakazakana tokan'i Etazonia:

 

superman哥哥:这本来就是,别的国家凭什么就不让人家发射卫星。就你可以吃肉别人就不可以啦!!!

@superman哥哥:Voalaza tsara. Ahoana no fomba ahafahan'ny firenena hafa manakana firenena iray tsy handefa zanabolana. Ahoana no fomba hanakanana ny hafa tsy hihinan-kena kanefa ianao tia mihinan-kena!!!

称成:支持朝鲜。有能力有勇气。

@称成:tohano Korea Avaratra. Manana ny fahaizana ilaina sy ny herimpo izy.

肥鸭KidAtCardiacSurgery:一个独立主权的国家为什么没有发射卫星的权利?!搞笑! 别的国家有什么资格管制

@肥鸭KidAtCardiacSurgery:Marina tokoa, tokony hanana ny zony handefa zanabolana ny firenena mahaleotena. Mihoatra ny loha ny vazivazy! Ahoana ny fomba ahafahan'ny firenena hafa mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena hafa?

LGX9930:发射卫星不仅是主权国家的合法权利,也是促进经济发展的必要条件,所以不会放弃卫星发射计划。大国可以,小国不行吗?

@LGX9930:Tsy zo aman-dalàna ihany ny fandefasana zanabolana ho an'ny firenena mahaleotena iray. Fa ilaina amin'ny fampandrosoana ny toekarena ao amin'ny firenena ihany koa. Eny, tsy hiala amin'izany izy. Afaka mandefa zanabolana ny firenena matanjaka fa  ny firenena kely kosa tsy afaka manao izany?

长河落日故乡人:各方为何不呼吁美国和朝鲜共同放弃核?

@长河落日故乡人:Ahoana no tsy misy mandrisika an'i Etazonia sy Korea Avaratra mba samy halalaka eo amin'ny lafiny nokleary?

路殿下:卫星发射需要钱,研究导弹也要钱,有了核武器维护更要钱。可是,如果不这么做,叙利亚伊朗那边就快扛不住了。这三个让美国头疼的铁三角,其实比和中国的关系更休戚相关。其实朝鲜也知道不能再靠大哥了,只有继续发展军事饮鸩止渴。此举符合我国的短期利益,否则金再鲁莽,也没这胆量,同时得罪中美。

@路殿下:zanabolana, bala-tafondro sy fitaovam-piadiana nokleary, mila vola avokoa izany rehetra izany. Raha hiala amin'ny fampandrosoana ny teknolojia ara-miaramila izy ireo, tsy afaka hahafehy ny fireneny intsony i Syria sy Iran. Fahoriana ho an'i Etazonia ny tanjaky ny Firenena manana nokleary. Fantatr'i Korea Avaratra tsara  fa  tsy afaka miankina amin'ny rahalahiny goavambe [Shina] intsony izy, fa afaka mihazona fotsiny ny fifehezany ny fampandrosoana ny herin'ny miaramila. Tombotsoa ho an'ny Shina mandritra ny fotoana fohy ny paikady toy izany, na koa mety tsy hanana herimpo hifanatrika an'i Etazonia izy.

子虛烏有-先生:奧巴馬在這件事上歇斯抵里,朝鮮不給面,不為五斗米折腰,全世界人看美國出丑,霸權主義去死吧。

@子虛烏有-先生:Sorena mafy amin'izany sehatra izany i Obama. Tsy hiala mihitsy anefa i Korea Avaratra na hatakalo fanampiana ara-tsakafo aza, manao izay haha-fihomehezana an'i Etazonia. Fanjakazakana tokana, mandehana manjavona.

穗海原川:Tsarovy fa matin'ny hanoanana isika tamin'ny taona 1958, mbola nandefa zanabolana maro foana anefa isika. Hatsarao endrika [i Korea Avaratra] ka avelao handefa ny zanabolany na zanabolana miafin'endrika.

Tao anatin'izany, nanamafy ny hafa fa mety hanimba an'i Shina ny fandrosoan'ny zanabolana ao Korea Avaratra:

Daniel桑:回复@昊孟中月:用点脑好不好,你这样说就等于说为什么警察可以配枪,小偷们就不可以?朝鲜卫星升空意味着什么你知道吗?这颗卫星升空最头疼的就是中国

@Daniel桑:namaly an'ny @昊孟中月: ampiasao ny atidohanao azafady. Ahoana no fomba hamelantsika ny mpitandro ny filaminana hitondra basy raha toa ka tsy mamela ny mpangalatra hanao toy izany koa. Fantatrao ve ny dikan'ny fandefasana zanabolana kasain'i Korea Avaratra atao? Aretinan-doha ho an'ny Shina izany.

热气青年3代:这就好像一把利刃握在一个疯子手中。

@热气青年3代:Tahaka ny manome antsy voaranitra tsara ho an'ny adala.

mjintokyo:朝鲜的导弹最远只能飞到美国的阿拉斯加,不过中国全境都在其射程内。那些支持朝鲜的脑残,你们以为中国不用担心么。

mjintokyo:Alaska ihany no mety ho tratran'ny balafomangan'i Korea Avaratra. Fa tratrany avokoa ny zoro rehetra ao Shina. Ho an'ireo izay manohana an'i Korea Avaratra, mihevitra ve ianao fa tsy manahy amin'izany i Shina?

Nisy koa ny fanehoan-kevitra  esoeso tahaka ity manaraka ity:

吉普寨老农:好,朝方一定要坚持到底!届时打一场硬仗,各国争取一个月内消灭独裁政权

@吉普寨老农:Tsara. Tokony hijoro hatrany i Korea Avaratra ary miatrika ady mafy. Fa raha vao manomboka ny ady dia  hanjavona ao anatin'ny iray volana ny mpanao didy jadona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.