Malawi: Ny Fihaonana Tamin'ny Mpisolovava Be Mpanaraka Indrindra Ao Amin'ny Facebook Ao Malawi

Nanjary iray amin'ireo sehatra lehibe amin'ny fampitam-baovao misongadina farany sy amin'ny adihevitra sosio-politika ao Malawi ny Facebook. Ohatra, ny fisamborana ilay mpisolovava fanta-daza an'i Malawi sy ilay mpitolona Ralph Kasambara tamin'ny volana Febroary 2012, nisarika ny sain'ny olona marobe tao amin'ny Facebook izany. Taoriana ny vaovao naparitaky ny mpiara miasa aminy sy ilay mpisolo vava Wapona Kita tao amin'ny pejiny  Facebook, voatery nanaraka ny vaovao farany avoakany ao amin'ny Facebook-ny ny fampahalalam-baovao lehibe mba hampita ny vaovao ihany koa amin'ireo mpamakiny, ny mpihaino sy ny mpijeriny.

Tamin'ny resadresaka manokana niarahana tamin'ny Global Voices Online ny amin'ny antony mampazoto azy amin'ny fampiasana Facebook, namaly i Kita fa manampy azy hifandray amin'ny olona marobe araka izay tratra ny Facebook amin'ny firesahana lohahevitra lehibe mahakasika ny firenena:

Tsy vahaolana intsony ny tambazotra-tsosialy amin'izao andro izao. Azo arahina hatraiza hatraiza ao anatin'ny segondra vitsy ankehitriny ny vaovao farany misongadina raha mbola miandry andro na volana izany vao mivoaka teo aloha. Tahaka ahy izay manana tombony amin'ny fanarahana ny vaovao farany alefan'ny olona, mahatsiaro tena voatery mampita izany vaovao farany izany amin’ ny namako koa aho ary raha anisan'ny manana tombony amin'ny fanarahana vaovao ihany koa ianao, maninona koa raha zaraina izany raha mahasoa ny vahoaka!

Wapona Kita, mpahay lalàna be mpanaraka indrindra ao Malawi. Loharanontsary: Pejy Facebook-n'i Kita.

Nilaza ihany koa i Kita fa nahatratra ny farany ambony indrindra, 5000 ny isan'ny namany tao amin'ny Facebook ary mbola nahazo fangataha-namana 2000 ho valiana ihany koa izy.

‘Omeko lanjany avokoa ireo namana rehetra ireo na iza na iza ka afaka manome sy mizara vaovao ho azy ireo aho amin'ny fomba azo ekena

Mpamahana bolongana tahaka an'i Mbachi Joyce Ng'oma, nandefa hafatra ho fanohanana an'i Kasambara. Natao ny fisamboarana sy ny fanagadrana an'i Ralph Kasambara, mpampanoa lalàna teo aloha, taorian'ny fifamaliana teo amin'ny asany momba ny fampiharana ny lalàna nifanaovana tamin'ny olona nolazainy fa nokaramain'ny fanjakana mba hanafika azy sy hitoraka koktaily molotov ny birao fiasany.

Kita, mpiara-miombona asa maharitra  ao amin'ny Ralph and Arnolds Associates ao Lilongwe, dia nalaza tamin'ny fandraisana ny raharaha nahatafiditra an'i Jim Jumani Johannson izay nanambara fa zanaka lahin'ny filohan'i Malaw teo aloha Kamuzu Banda. Tamin'ny herintaona indray dia nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Sampan-draharaha Malaoita misahana ny Angovo izy tamin'ny fanitsiana ny vidin-tsolika hiakatra 20 isan-jato eny amin'ny tobin-tsolika.

Araka ny Antontan'isa Manerantany momba ny Aterineto tamin'ny 31 Desambra 2011 dia misy mpisera aterineto 716.400 any Malawi. Amin'izao fotoana izao dia  127,740 ny mpisera Facebook any Malawi. Ny laharana misy an'i Malawi dia eo amin'ny faha-134 raha amin'ny antontanisan-daharana fiseraserana Facebook isaky ny firenena.

Taorian'ny krizy tsy fisian'ny akoran'afo tao Malawi, dia mpisera iray, Frederick Bvalani, no nanaganana vondrona Facebook ho fitaovana ho an'ny olom-pirenena hanomezana vaovao farany amin'ny tobin'akoran'afo vao nahazo solika hovidian'ny mpanjifa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.