Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola

Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary  momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora, izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho  ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao  Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany.

Screenshot from the Broken Screen Fundraising Video

Dikasary avy amin'ny lahatsary fanangonam-bolan'ny "The Broken Screen "

Ilay horonantsary, La Pantalla Rota (The Broken Screen) no horonantsary faharoa novokarina tao Nikaragoa nataon'ny orinasa tsy miankina Camila Films mpamokatra lahatsary sy horonantsary ao an-toerana. Tamin'ny taona lasa, dia namokatra ny horonantsary voalohany tato anatin'ny 20 taona ry zareo, La Yuma, miresaka tovovavy iray izay naniry ny ho lasa mpanao ady totohondry:  lasa nalaza teo amin'ny firenena io niaraka taminà mpiantsehatra tsara fantina ary nitondra vola betsaka miohatra amin'ireo sarimihetsika malazan'i Hollywood tamin'ny fotoan'andro. Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, efa nahazo fanasàna taminà fetibe am-polony izy io ary nahazo loka samihafa maherin'ny 15. Saingy tsy ampy izany hanosika ny orinasa famokarana sarimihetsika Nikaragoaiana, ary izany no antony isafidianan'i  Frank Pineda sy Florence Jaugey avy amin'ny Camila Films hiditra amin'ny fitadiavana tohana ara-bola avy eny ifotony mba ho loharanom-bolan-dry zareo, araka izay ambaran-dramatoa Jaugey ao anatin'ity lahatsary fanentanana an'i IndieGogo ity :

Ity horonantsary manaraka ity dia manaraka lalan-jotra tahaka izany, mikendry izay hisorohana ny fahabangan'ny mari-pamantarana ny tena nateraky ny tsy fisian'ny famokarana haino aman-jery. Dia naniry indray izahay mba hijery sy hiresaka mikasika ny tontolo izay iainanay. Ny zava-marina no niteraka ny aingam-panahinay, manandrana mikaroka tantara tena faran'izay mifanaraka amin'ny vanim-potoana hotantaraina, mipetraka ao anatin'ny habaka misy  ny tanora.

Amin'ity indray mitoraka ity izahay dia misafidy ny hamily ny fijerinay ho any amin'ny fiainana ambanivohitra, ny any amin'ny faritra avaratra, ny tanànan'ireo mpiandry omby,  izay ny soatoavina tena manjaka any dia mifàka lalina ao amin'ny tany, ny fomban-drazana ary ny rafitra ambany fitondran-dehilahy. Mifanindran-dàlana amin'ny fiainana eny ambanivohitra, dia te-hikarenjy eny anatin'ny tontolon'ny ‘cyber’ koa izahay, izay mitantana ny fifandraisana ara-tsosialin'ny tanoran'ny taonjato faha-21.

Manantena ny hahazo  $35 000 USD raha kely indrindra ilay fanentanana mba hiantohana ny fandaniana amin'ny fampiantranoana ilay famokarana horonantsary mandritra ny Janoary 2013, tahaka ny hoe sakafo ho an'ireo misehatra, vola ho an'ny fandaniana hafa, pitsopitsony, sehatra, fampiantranoana sy filàna hafa: ity vola ity dia hijanona ihany holaniana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina ao Matagalpa

Ity manaraka ity ny fampahafantarana ny La Yuma, lahatsary Nikaragoaina novokarin'io mpandrindra io ihany ary nahazo loka teo aloha :

Azonao atao  ny mitondra ny fanohananao ho an'ilay horonantsary, amin'ny fandraisana anjara amin'ny dingana tohana ara-bola amin'ny alalan'ny pejy IndieGoGo, amin'ny fanapariahana ilay fanentanana amin'ny tambajotra sosialy misy anao – na izany ety anaty aterineto na tsia, amin'ny fanohanana ilay horonantsary amin'ny anaran'ny fandraharahana na ny orinasanao ary amin'ny fanoratana mikasika ilay tetikasa sy fanelezana ny feo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.