India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra  any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary izy ireo manokana koa avy amin'ny alàlan'ny zava-bitany.

Young girls from the Hderabad Slums in India learn filmmaking

Tovovavy avy ao Hderabad faritra mahantra ao India mianatra mamokatra lahatsary

Namita Singh, izay manomana ny Diplaoma “doctorat” momba ny Lahatsary Firotsahana an-tsehatra dia manana andraikitra roa ao anatin'ity dingana ity. Sady mpanofana iray ampy traikefa amin'ny famokarana lahatsary avy any amin'ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony hatraminà mpanoratra mikasika ireo fitaovana sy torolàlana amin'ny fanofànana nitantana ireo ankizivavy sy ankizy ireo, izy ihany koa dia nandalina ny dingam-panabeazana azon'ireo ankizivavy ireo. Nandritra ny famokarana ilay lahatsary fanadihadiana ny dingam-panabeazana azon'ireo ankizivavy ireo, dia nangatahan-dry zareo ihany koa ny hanofanany azy ireo misimisy kokoa mikasika izany famokarana lahatsary izany raha sitrany. Mitondra fanamarihana mikasika io zavatra niainany io izy ao amin'ny lahatsoratra iray ao anaty bilaoginy Namita Singh, Mpanofana Vs. Namita Singh, Mpikaroka : Ny zavatra nampianariko sy ny zavatra nianarako!

 

Tricky! Ahoana no fomba hahafahako miteny tsia? Ry zareo aza manome ahy ny fotoanany ho an'ny asa fikarohako. Mandray anjara ao anatiny mihitsy ry zareo. Ny hany irin-dry zareo dia ny hianatra misimisy kokoa, amin'ny maha-ao anatiny azy ireo. Amin'ny lafiny iray, fikarohana izy ity, tsy te-hanohintohina ny angona ataoko aho, mandritra ny fanofanana azy ireo sy fanafangaroana  zavatra roa samihafa. Ho fikarohana ihany ny fikarohana, rehefa tsy mifanelingelina ny zavatra rehetra?
Nioho izany, navelako any amin'ny sisiny ny ahiahiko, ary  hoy aho hoe, ‘Izay izany, azoko atao ny manome endrika ilay famokarana lahatsary hanana endrika atrikasa. Efa nanao izany aho tamin'ny naha-mpampiofana ahy, satia dingana iray faran'izay tena mampirotsaka an-tsehatra izy io. Afaka manao ny toy izay aho, amin'ny maha-mpikaroka ahy koa.
Tsy mor mihitsy araka ny niheverana azy izy io. Misy zavatra nataoko tamin'ny naha-mpampiofana ahy, izay tsy azoko atao amin'ny maha-mpikaroka ahy, ary koa ny mifamadika amin'izay

Nanaraka izany ity lahatsary ity, nitondra ny lohateny amin'ny teny Anglisy hoe :

Ramatoa Singh dia manipika ao anatin'ny lahatsorany ohatra iray amin'ny fomba fahatakaran'ireo tovovay ny herin'ny lahatsary izay vokarin-dry zareo sady mandray h anaty kajikajy ny endrika samihafa amin'ilay vokatr'izy ireo. Misy ifandraisany amin'ny fisafidianana ny teny ampiasaina ao anatin'ilay izany. Rehefa natolotra ny soso-kevitra hoe azon-dry zareo vokarina amin'ny teny Anglisy ilay lahatsary, mba ho lalàna iray hahitàna mpamatsy vola sy ONG, dia namaly izy ireo hoe :

Nefa notsipihan'ireo tovovavy hoe, ‘Ny vondrom-piarahamoninay tsy miteny Anglisy. Tsy ho takatr'izy ireo izay ambaranay. Na dia hametraka dikanteny mandady aza izahay, tsy ho hain-dry zareo akory ny hamaky azy. Ireo izay mahay ny teny Anglisy indray afaka mamaky. Noho izany aleo ihany ny dikanteny ery ambany no ho teny Anglisy’. Tena sarotiny amin'ny vondrom-piarahamoniny ireo tovovavy, ary dia niteny mikasika izany koa. Amin'ny maha-mpampiofana, ny ifantohana mandrakariva dia ny  ny hamaly ny filàn'ny vondrom-piarahamonina toy izany. Raha ny marina, ny fampiasàna ny teny eo an-toerana, fandrisihana ny hira avy eo an-toerana, sns. dia tafiditra tanteraka ho kasinga ao anatin'ilay dingana. Sady izao koa, ho azy ireo, ho an'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana no tena antom-pirotsahana amin'ilay lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.