BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza

Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao  Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany.  Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika.

Tahaka ny BarCamps rehetra teo aloha, ny BarCamp ao Siem Reap dia mikendry ny hampitambatra ireo mpianatra sy mpankafy ny teknolojiam-pifandraisana mba hifanakalo hevitra sy hianatra zava-baovao eo amin'ny tontolon'ny teknolojia, ny fampandrosoana ny rindrambaiko ary ny rindraimbaiko momba ny fitantanana.

Mahafinaritra tokoa ny mahita fa mpankafy BarCamps iray monina any Phnom Penh sahabo eo amin'ny 314 kilometatra miala ao Siem Reap, no nampandre ny mpamaky azy an-tserasera fa moto no handehanany hamonjy ny hetsika.

Sary ao amin'ny http://barcampsiemreap.org/

Be Chantra, lehiben'ny mpikarakara ny BarCamp Angkor nanazava ny antony nitondrana ny hetsika tao Siem Reap.

Hetsika misokatra malalaka, maimaim-poana, tsy misy fandaharam-potoana manokana na mpandaha-teny notendrena ny BarCamp, ary amin'ny ankapobeny dia ao afovoan-tanàna no karakaraina, tahaka ny BarCamp  tao Rangoun, ny BarCamp tao Bangkok, ary ny Barcamp tao Chiang Mai. Araka izany, hotontosaina ao Siem Reap indray ny BarCamp mba hahafahana sy hitarihana ny fandraisana anjaran'ny tanora sy ireo mpankafy ny teknolojiam-pifandraisana ao an-tanàna. Manaraka izany, mety hahasarika ny fandraisana anjaran'ireo vahiny hafa mpankafy sy ireo avy ao an-drenivohitra Phnom Penh koa izany, amin'ny maha toeram-pizahantany malaza an'i Siem Reap.

Fantatr'i Chantra tsara ny fanamby hatrehin'ireo ekipany amin'ny fanentanana ireo tanora ao an-toerana mba handray anjara mavitrika. Nilaza ihany koa izy fa  mpilatsaka an-tsitrapo monina ao Phnom Penh avokoa ireo ekipa mpikarakara.

Manantena i Chantra fa hahatratra hatrany amin'ny 500 mahery any ho any ny olona hanatrika ny hetsika ka olona eo amin'ny 80 avy ao Phnom Penh no efa nanamafy ny hahatongavany amin'izany. Manantena ihany koa izy fa hanampy ny olona ao an-toerana mba hitovy ny hafa eo amin'ny resaka nomerika ny fampahafantarana ny BarCamp Angkor voalohany. Irìny ihany koa ny fandraisana anjara mavitrik'ireo tanora ao an-toerana amin'ny resaka fandrosoan'ny teknolojia.

Vondrona fampahalalam-baovao Sabay, iray amin'ireo mpanohana ny hetsika, no namporisika amin'ny fandraisana anjaran'ireo tanora ao amin'ny faritany mba hiara-hiasa amin'ireo mpankafy ny teknolojiam-pifandraisana fanta-daza ao an-drenivohitra sy ny tanàna mifanolobodorindrina.

BarCamp d'Angkor 2012ជា​ឱកាស​ពិសេស​សម្រាប់​យុវជន យុវនារី​ក្នុង​ខេត្ត​សៀមរាប​ជួប​ជាមួយ​វាគ្មិន​ដែល​អញ្ជើញ​មកពី សៀមរាប រាជធានី​ភ្នំពេញ សិង្ហបុរី ម៉ាឡេស៊ី ថៃ វៀតណាម ។

“Manome tombony lehibe ho an'ireo tanora lahy sy vavy ao an-tanànan'i Siem Reap ny BarCamp Angkor 2012 mba hiara-hiasa amin'ireo mpandray anjara manampahaizana ao an-tanàna, Phnom Penh renivohitra, sy ny firenen-kafa, toa an'i Singapore, Malaisia, Thaïlandy ary Vi'netnam.”

Ekipan'ny Sithi.org, tranokala voalohany miompana amin'ny zon'olombelona ao Kambodza izay tohanan'ny Foibe kambodziana miaro ny zon'olombelona, no handray anjara amin'ny hetsika mba hanentana amin'ny ny zo hiditra aterineto sy ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.