Korea Atsimo: Mitokona Ny Toby TV Telo Lehibe Indrindra Indrindra Hisian'ny Fanaovan-gazety Tsy Mitongilana

Any Korea Atsimo, taorian'ny fiezahana fatratra ataon'ny mpiasan'ny fahitalavitra lehibe indrindra hanesorana ny filohany noho ny finiavana hampitongilana vaovao sy resaka mandeha fiheverana fa mandeha ny kolikoly, dia nanara-dia ihany koa ny fahitalavitra goavana roa hafa hanohitra ny fomba fitantanana azy ireo, izay miara-dalana amin'ny governemanta ary manivana ny votoaty mitsikera ny fitondrana.

Niditra tamin'ny fitokonana tsy voafetra ny tao amin'ny MBC hatramin'ny Janoary 2012. Miato ny fandaharana sasany efa roa volana izao ary mpanao gazety maro no noroahin'ny filohan'ny orinasa nialoha ny fametraham-pialana faobe nataon'ny namany mpiara-miasa aminy ho mariky ny fanoherana.

Amin'izao fotoana izao ny KBS, fampielezan-tsary lehibe indrindra ao amin'ny firenena, sy ny YTN, fahitalavi-baovao mandeha 24 ora isan'andro amin'ny alalan'ny hosina [cable] no avy koa hanao fivoriana ho fanoherana ny lehiben'izy ireo avy ary manohana ny fitokonana ataon'ny MBC.

Lahatsarim-Panoherana

Ny lahatsary etsy ambany dia nampitondraina ny lohateny hoe ‘Fankalazana ny Fialan'ireo Nampidimpidirina (Parachutés na adika manta hoe nalatsaka an'elon'aina) Tao amin'ny Media ‘ ka ny fanombohany dia ahitana ireo filohan'ny orinasa tsirairay avy avy eny an-danitra ka ahevahevan'ny elon'aina. Ny ‘Parachute’ na elon'aina (na ‘elon'aina manokana’) moa eo amin'ny tontolon'ny asa Koreana Tatsimo dia entina anambarana olona nahazo asa tamin'ny alalan'ny fanapahan-kevitry ny olona ‘ambonimbony’, izay matetika amin'ny alalan'ny fananana toerana ambony eo amin'ny sehatry ny politika na avy any amin'ny tompon'andraikitra ambony dia ambony ka tsy jerena ny fahaiza-manaony. Ny lahatsary etsy ambany dia manazava ny fomba fampitongilanana ny vaovao ataon'ny lehibe hanatsarana ny governemanta (Vakio ato amin'ny Global Voices Teny malagasy ny lahatsoratra momba izany fitokonana izany).

Maro ny rakitsary nampakarin'i mbcunion2012 manazava ny anton'ny fitokonana amin'ny fomba mivaingana sy vaovao. Ity eto ambany ity dia maka ny endriky ny raki-kira tiana halaza, mindrana ny feonkiran'i ‘Itaewon Freedom’ ary mamadika azy amin'ny tononkira hafa, amin'ny lohateny vaovao ‘MBC Freedom’.

Ny sehatra hita dia ny ao anatin'ny tranoben'ny MBC ka ny ekipan'ny MBC ihany no mandray anjara, mihira sy mandihy, izay zava-tsy fanao loatra any amin'ny fanaovan-gazety Koreana, satria antenaina ho tena matotra sy manana henja-pijery (fijerina mpanao didy jadona) ny mpanolotra fandaharana any. Afa-mitopy maso azy ianao ary hahatsapa ny halalin'ny fanoherana aorian'ny 2 minitra 15 segondra, rehefa miara-mihira ao anatin'ny hetsi-panoherana ny mpiasan'ny MBC maro.

Toy izao ny fivakin'ny tononkira sasany:

0 min 20 sec: 요즘 MBC는 안봐 나꼼수면 충분 시청자 왜 눈돌렸나, 정권 비판 뉴스 실종, 누가 MBC 망쳤나. 1 min 비판 실종 MBC, 막장 인사 MBC, 징계 남발 MBC, MB 방송 MBC. 1 min 45 sec 정권엔 충성, 진실 눈감아, 어이가 없어, 더 이상 못 참아.

0 min 20 seg: Tsy te-hijery MBC ny olona amin'izao fotoana izao. Leo mijery Naggomsu. Nahoana ny mpijery no miala aminay? Nanjavona mandritra ny vaovao izay mety tsikera amin'ny governemanta. Iza no mandrodana ny MBC-nay? [Naggomsu no fandraisam-peo mamely am-bava ny filoha sy ny antoko mitondra be mpihaino indrindra ao amin'ny firenena]
1 min : Very ny tsikera ato amin'ny MBC! mampihoronkoditra ny fandraisana mpiasa vaovao ato amin'ny MBC! Betsaka ny fanasaziana [noho ny lonilony manokana] ato amin'ny MBC! MB no mandefa ny MBC! [MB no fanombohan'anaran'ny filohan'ny firenena Lee Myung-bak]
1 min 45 sec : manohana ny fitondrana [ny mpitantana]. Mikantona ny Mason'ny Fahamarinana. Mbola ratsy noho ny fandrabiraby. Tsy zakany intsony.

Mbola nataon'ny mpiasan'ny MBC ihany ny hira sy ny rindram-pihetsika teny amin'ny Garan'i Seoul, toerana be mpandalo indrindra ao Korea Atsimo, hanaovana flash mob [hetsika kintana sy vetivety]. Ho hitanao ny setriny isan-karazany avy amin'ny mpandalo ao amin'ny rakikira eto ambany, miainga amin'ireo zokiolona talanjona dia talanjona ka hatramin'ireo tanora mientanentana tokoa ary ireo lazondazony [40-50 taona] izay tena liana tokoa amin'ny hafatra.

Eny fa na dia ny mpilaza vaovao mandritra ny fotoana be mpanaraka indrindra ao amin'ny MBC, Choi Il-gu, aza dia niala tamin'ny volana lasa teo, ho fanehoana fanohanana ireo mpiara-miasa aminy. Eo amin'ny lahatsary YouTube eto ambany, miteny an-dranomaso amin'ny mpiara-miasa aminy Atoa Choi “Izao no fotoana tery indrindra hamokarana ny vaovao ho an'ny ekipa. Nahoana ianareo ry zalahy no [voatery] manao izao [milaza ny fihetsiketsehana] eto?” (0 min 12 seg).

Avy eo i Choi nimenomenona momba ny fahalalaham-pitenenana any Korea Atsimo ho “nihemotra dia nihemora tahaka izay nirtanga tamin'ny 1987 ary mbola ratsy kokoa noho ny taloha aza”. Tamin'ny faramparan'ny taompolo 1980 manko rehefa ny fitondra-miaramila no nanjaka teo amin'ny firenena, dia nanakombom-bava ny mpanao fihetsiketsehana ary nampangina ny media.

Ho fanohanana ny hetsiky ny MBC, dia niditra an-tsehatra ihany koa ny sendikàn'ny KBS tamin'ny alalan'ny famoahana ity lahatsarim-pamoronana nataon'ny mpiasan'ny KBS manao ‘Sambo Ilbae’ (三步一拜), fomba nenti-paharazana Koreana hanehoana alahelo lalina, fialantsiny ary fanapahan-kevitra hentitra amin'ny alalan'ny fiondrehana ka “miankohoka manakasi-tany ny kiho sy ny lohalika isaky ny in-telo mandingana”.

Asehon'ny lahatsary ao amin'ny KBS ny tati-baovao izay manatsara sy midera ny filoha amin'izao fotoana izao ary mamely amin'ny tsy rariny koa ny mpanohitra azy ara-politika ary avy eo dia mivadika tampoka any amin'ny mpiasan'ny KBS manao ‘Sambo Ilbae’ ny sehatra ho fifonana noho ny fitongilanana nataon'izy ireo.

Ato amin'ity rakikira mitondra ny lohateny hoe ‘Reset KBS’ [averina amin'ny laoniny indray ny KBS] mampiseho ny mpiasan'ny KBS avy any amin'ny birao samihafa any miantso ny famerenana ny fanaovan-gazety tsy mitongilana, izay manavoitra fa ny dingana voalohany amin'izany dia manova ny eo amin'ny fitantanana izay matahotra ny olona ambony fa tsy ny olom-pirenena.

Niditra an-tsehatra ihany koa ny fantso-mbaovao ao amin'ny fahitalavitra azo avy amin'ny hosina [cable] YTN tamin'ny alalan'ny famoahana lahatsary mitondra ny lohateny hoe ‘Angry YTN’ [YTN tezitra], izay lahatsary tafatafa nifanaovana tamin'i Benjamin Ismail, lehiben'ny sampana Azia-Pasifika tamin'ny Reporters Sans Frontières tao Paris. Ao amin'ny tafatafa amin'ny teny frantsay misy dikantsoratra teny Koreana no iantsoan'i Ismail fanohanana iraisampirenena amin'ny fitokonana.

Namoaka lahatsary YouTube [ko] ihany koa ny Sendikàn'ny mpiasa ao amin'ny Yonhap News Agency, fampahalalam-baovao lehibe indrindra ao amin'ny firenena YouTube video [ko] hiala tsiny noho ny fitateram-baovao mitongilana nataony. Fa mbola kely [vitsy] ihany ny hetsi-panoherana ao amin'ny Yonhap.

Indreto ny lahatsary maro hafa navoakan'ny sendikàn'ny MBC momba ny fitokonana. Ny lahatsary manaraka indrindra eto dia hala-tahaka mampihomehy momba ny faharinganan'ny amperora penguins, mampitaha ny krizin'ny penguins amin'ny toe-draharaha atrehin'ny mpiasan'ny MBC, ahitana fa tsy maintsy miady amin'ny toetr-andro mangatsiaka izy ireo hiavotan-tena.

Ity lahatsary manaraka ity dia lahatsary fampiroboroboana hira mahasondriana antsoina hoe ‘Blue Whale’ [trozona manga], hirain'ny mpamokatra sy mpanao gazety ary mpanentana malaza indrindra ao amin'ny MBC. Ny tononkira dia fandrisihana ny olona miady anatin'ny ady sarotra ary ny fihirana dia tarihin'ny mpihira rock Koreana Tatsimo iray malaza indrindra, Yoon Do-hyun.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.