- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mali: Ankona Noho Ny Fanonganam-Panjakana Tampoka

Sokajy: Afrika Mainty, Mali, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nanambara ny miaramila mpioko fa nalain-dry zareo ny fahefana any Mali [1], taorian'ny nitsofohany an-keriny tao amin'ny tranoben'ny televizionam-panjakana sy ny lapam-panjakana.

Nolazain-dry zareo fa tsy nanohana araka ny tokony ho izy ny andian-tafika ao anatin'ny ady ifanaovana amin'ny mpioko Toaregy any avaratry ny firenena [2] izay mandrahona ny hisintaka amin'i Mali ny fitondran'ny filoha Amadou Toumani Touré.

Maro ny olona no sanganehana amin'izay antony nisian'ny fanonganam-panjakana mialoha ny fifidianana izay efa nomanina hotontosaina amin'ny 29 Aprily 2012 ary maro ny petrakevitra amin'izany.

[3]

Ny mpitarika ny fanonganam-panjakana ao Mali ny kapiteny Sanogo via @Youngmalian

Ny Kapiteny Sanogo no mpitarika ny Vaomiera Nasionaly ho Famerenana ny Demokrasia sy ny Fanjakana (CNRDR) izay nilaza fa ry zareo no hitarika ny tetezamita mandrapahatongan'ny fifidianana amin'ny Aprily.

Nanambara ihany koa ny mpitondra tenin'ny Vaomiera , ny Lietnà Kanoré fa na dia nofoanan-dry zareo aza ny rafi-panjakana misy amin'izao fotoana izao dia tsy mihevitra ny hifikitra eo amin'ny fitondrana ry zareo. Mbola mandeha moa amin'izao fotoana izao ny ady eo amin'ny miaramila manohana ny fanonganam-panjakana sy ny mbola manaja ny filoha Touré.

Misy koa araka ny tatitra ny mpanao politika sy ny manamboninahitra ambony voasambotra ao Bamako renivohitra.

Somary ankona amin'ny fihodin'ny toe-draharaha ihany ny Maliana. Indreto ny fihetseham-po vitsivitsy teo am-pandrenensana ny fandrombaham-pahefana nataon'ny mpioko mitam-piadiana [fr sy en]:

@TheSalifou [4]: J'ai peur pour mon pays…#Mali

@TheSalifou [4]: Manahy ho an'ny fireneko aho…#Mali

@Anniepayep [5]: vraiment! La honte! RT @juliusessoka En Afrique, sortir de l'auberge donne sur les caniveaux. #Mali #PauvrePays

@Anniepayep [5]: Izany ve, Mahamenatra RT @juliusessoka Eto Afrika, mivoaka ny fisakafoanana ianao dia mivantana any an-tatatra #mali

“@Abdou_Diarra: [6] Le président malien Amadou Toumani Touré, irait bien et serait « en lieu sûr », selon un militaire loyaliste #Mali”

“@Abdou_Diarra: [6] Handeha sy ho tonga soa aman-tsara any amin'ny “toerana azo antoka” ny filoha Amadou Toumani Touré, hoy ny miaramila mbola manohana ny filoha #Mali””

@Youngmalian [7]: #ATT a été élu démocratiquement par le peuple et son mandat se termine en Juin. de quel droit les militaires agissent au nom du peuple #Mali

@Youngmalian [7] nofidian'ny vahoaka tamin'ny fomba demokratika i ATT (Filohan'i Mali) ary tapitra amin'ny volana jona ny fe-potoana iasany. Inona ny zo ampiharin'ny miaramila hihetsika amin'ny anaran'ny vahoaka izao #Mali

“@ibiriti [8]: democracy is not just about regular elections replacing one incompetent lot with another. it has to deliver goods

Ny demokrasia tsy miompana fotsiny amin'ny fifidianana manolo olon-kafa ny olona tsy mahavita azy iray. Mila mamoaka entam-barotra ihany koa io

@philinthe_ [9]: Banks + petrol stations closed in #Bamako #Mali. Talking to taxi drivers who are asking double their normal price. Sotrama still 100-150CFA

Mikatona ny banky sy ny tobin-tsolika eto Bamako Mali. Miresaka amin'ny mpamily taxi nampakatra avo roa heny ny saran-dalana mahazatra. Sotrama mbola 100-150CFA

@temite: [10] Whatever happens, the loser will inevitably be that unity, fraternal bond between peoples & cultures #Mali

Na inona na inona mitranga ny tsy azo idifiana fa resy dia ny firaisana sy ny firahalahiana misy eo amin'ny mponina sy ny kolontsaina #Mali

Mandeha aoka izany ny petrakevitra momba ny firaisana tsikombakomba noho ny fanonganam-panjakana natao herinandro vitsivitsy monja mialoha ny fifidianana efa fotoam-bita [fr]:

@diatus2 [11]: le coup d'état était prévisible au #mali car ATT laissant durer la rebellion touareg pour avoir un 3e mandat

@diatus2 [11]: Efa noheverina ihany ny isian'ny fanonganam-panjakana ao Mali satria navelan'i ATT hitarazoka ny fiokoana Toaregy hahazoany fe-potoana fahatelo

@Giovannidjossou [12]: #ATT ne faisait rien contre les #terroristes au nord #Mali car ces troubles lui permettaient de repousser les #élections de juin prochain !

#ATT (filohan”i Mali) tsy nanao na inona na inona manoloana ny #fampihorohoroana any avaratr'i Mali ahafahany manemotra ny #fifidianana amin'ny volana jiona hoavy izao!

@Joe_1789: [13] JE DENONCE: Le coup d'Etat ourdi par des bandits armés, à la solde de la Françafrique, contre le Mali et son président démocratiquement élu.

@Joe_1789: [13] MELOHIKO: Fanonganam-panjakana nataon'ny jiolahy mitam-piadiana, nokaramain'i Frantsafrika, hamelezana an'i Mali sy ny filoha voafidim-bahoaka

Tsy namoaka vaovao farany ny kaonty Twitter an'ny filoha Maliana hatramin'ny 21 Marsa raha nitsipaka tanteraka ny lazaina ho fandrombaham-pahefana izy [fr]:

@PresidenceMali [14]: Démenti formel : Le Ministre de la Défense n'est ni blessé ni arrêté. Il est à son bureau où il poursuit calmement sa journée de travail

@PresidenceMali [14]: Fanitsiana ampahibemaso: Tsy maratra na nosamborina ny Minisitry ny Fiarovana. Manohy ny asany milamina ao amin'ny biraony izy