Tontolo Arabo: Mitodika Any Amin'ny Twitter Mitaraina Noho Ny Vovoka

Namely ny faritry ny Helodrano ny tadiom-pasika, ka nanelingelina ny fifamoivoizana an'habakabaka tany Yemen, sy nampikatona ny sekoly tany Arabia Saodita. Nitodika tany amin'ny Twitter ny mpiserasera avy any Yemen, Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra ary Katàra raha nitaraina.

Tany Dubai, EAM, Iyad El-Baghdadi no nitaraina:

@Iyad_elbaghdadi: Andriamanitra ô feno vovoka na aiza na aiza, anaty masoko, anaty orona, ambony latabatra, anelanelan'ny rantsantanako, ambonin'ny kitendry. Ary dia voafantsika an-trano aho.

Avy any Katàra, Hannah no mingonongonona:

@hshurey: Tena leon'ity vovoka eto Doha ity aho. Tena zara aho raha mahatadidy hoe ahoana moa ny rivotra madio!

Ahmed Al Hashemi, avy any Abu Dhabi, EAM, no nanamarika:

@ADHashemi: Mila fanasana fiara mihitsy aho hanalana ireto vovoka mandrakotra ahy ireto. Ary ny naharatsy azy kokoa dia maromaro ry zareo no tafiditra anaty masoko

Ary Ozair Taher, manakaiky an'i Dubai no nanampy:

@Ozair25: Vovoka, vovoka, vovoka, vovoka ary V.O.V.O.K.A “Tokony hivavaka hiavian'ny orana isika, tena marina an!” #Dubai

Orana ihany koa no ao an-tsain'i Wael Al Jaber. Al Jaber, avy ao an-drenivohitra Saodiana Riyadh no manoratra:

@W_Jaber: Anatin'izao fotoana mahasorena izao no miresaka orana ny olona saingy ny hany hitako dia vovoka #RiyadhWeather

Håkon Gaarder-Larsen, mpanao hotely fatoriana Norveziana monina sy miasa any Riyadh:

@Haakon_G_Larsen: Mampihomehy fa mampanantena ahy sahady ny rivotra maloton'i Kairo amin'ny herinandro ambony ny herinandron'ny tadiom-pasika sy vovoka eto Riyadh

Ary mananihany i Hisham Wyne:

@HishamWyne: Tsy tadiom-pasika io ka. Zavatra rabitrom-bovoka miteraka haingana dia haingana ihany ary io koa. Afaka manambady efatra ihany koa ry zareo.

Mandritra izany fotoana izany, ao Sanaa, Yemen, mikatona noho ny tadiom-bovoka ny sekoly. Manazava i Noon Arabia:

@NoonArabia: Hikatona ihany koa rahampitso sy rahafakampitso “@WomanfromYemen: nampikatona ny sekoly aty Yemen androany ny tafiotram-bovoka”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.