Teny Farany Momba ny Fifidianana Filoham-Pirenena Timor Atsinanana

Nanaiky ny fahareseny ilay Filoha avy ao Timor Atsinanana efa nahazo ny loka Nobel antsoina hoe Jose Ramos-Horta tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ireo kandidà roa nahazo vato be indrindra dia i Francisco “Lu Olo” Guterres avy amin'ny Antoko Fretilin (antoko ankavia) sy ilay lehiben'ny miaramila teo aloha Taur Matan Ruak. Ry zareo ireo  no hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana ambony.

Filoha Ramos Horta nanaiky ny fahareseny nandritra ny fifidianana. Sary Brian Thomson hita twitter

Alex Tilman ao amin'ny Di'ak Ka Lae? manaiky fa nanjaka ny filaminana nandritra ny fifidianana

Fahombiazana aloha hatramin'izao ny fifidianana filoham-pirenena, ary nizotra tao anatin'ny filaminana sy ny fahamiramiranan-tava, ka hita mivaingana ny faniriana hampiseho amin'izao tontolo izao ny dingana lehibe vitan'i Timor-Leste hatramin'ny nahazoany ny fizakantena

Hita soritra ho manjaka ny fientanam-pandresena ao anatin'ireny hafatra sy ny hafa mitovy karazana aminy ireny, fifampitantanana ao anatin'ny foto-javatra azon'ny vahoaka antenaina amin'ny mpitondra azy ireo. Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amim-pifaliana sy amim-pilaminana ity no hanehoan'ny mponin'i Timor-Leste amin'izao tontolo izao, ary indrindra amin'ny mpitondra azy fa fantany tsara ny zo sy andraikitra maha-olom-pirenena azy ireo, ary tsy mitady zavatra hafa ankoatra ny maha-firenena demokratika ahafahany mampihatra ny zony hisafidy malalaka sy ahafahan'ny manaraka ny nofinofy mety ananany ry zareo. Anjaran'ny mpitondra voafidy indray izao no manatontosa ny fampanantenana nataony sy mitarika azy ireo ho amin'ny ho avy tsaratsara kokoa.

Nangonin'ny mpanoratra ihany koa ny fihetseham-pon'ny mpifidy izao afa-po amin'ny fizotry ny fifidianana. Ireto ambany ireto ny fihetseham-po avy amin'i Estanislau Saldanha, Abuty Soares ary Josh Trindade. Dikantsoratra [ho amin'ny teny anglisy] avy amin'ny Alex Tilman

Estanislau Saldanha midera ny fandresen'ny vahoaka Timorey

Tsy fandresen'ny kandidà ho filohampirenena izao fa fandresen'ny vahoaka Timorey satria nizotra am-pilaminana ny fifidianana. Mila miaraka isika amin'ny fanandratana ny vavaka amin'andriamanitra mba isian'ny filaminana sy ny firoboroboana eo amin'ny vahoaka sy ny firenena Timor Leste.

Abuty Soares nananmarika ny tsy fisian'ny herisetra nandritra ny fampielezan-kevitra

Arahabaina sy hajaina ny vahoakan'i Timor-Leste (dadabe sy nenibe, dadatoa sy nenitoa, ny tanora hatramin'ny mpnao politika) izay nandray anjara tamin'ny fiodinana voalohany tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena omaly teto Timor-Leste. Ny fahombiazana voalohany tamin'iny fifidianana iny dia ny fandriampahalemana. Nasehonareo omaly ny fitiavanareo ity firenena ity tamin'ny alalan'ny fandraisanareo anjara tamin'ny fifidianana sy ny nanalaviranareo lavitra tokoa ny herisetra. Tamin'iny hetsika iny ny fanantenantsika dia ho tsara kokoa noho ny hatramin'izay i Timor-Leste. Viva Timor-Leste.

Josh Trindade nanamarika fa tsy mba nanao tatitra araka izay tokony ho izy tamin'ity fifidianana filoham-pirenena manantantara ity ny media iraisampirenena

Miarahaba ny Timorey rehetra nandray anjara tamin'ny fampielezankevitra sy ny fifidianana tamim-pilaminana sy tamim-pitoniana! Andeha hovaintsika ny lazan-kerisetra ho lazam-pilaminana… Voamarikay fa tsy nanao ny tatitra ny fampielezan-kevitra sy ny fotoam-pifidianana, voamariky ny fandriampahalemana ity, ny gazety iraisampirenena. Mirehareha amin'ny maha-TIMOREY ahy aho!

Foibe fanisam-bato. Sary Edward Rees hita twitter

Indreto indray ny fihetseham-po tamin'ny twitter nampiasa ny tenifototra #eleisaun2012

@meaganweymes lu olo niteny fa ‘tonga avy amin'ny lafivalo ny fanohanana’ RE milaza hanohana azy ny kandidà hafa amin'ny fiodinana faharoa

@ashbetteridge ny zavatra tena nanohina ahy momba ny famepielezankevitra teto tamin'ny herinandro na mihoatra dia ny lehilahy no tena navitrika #eleisaun2012

@malaebulak Hamela ny heloky ny rehetra ve ny Filoha Jose Ramos Horta mialoha ny hialany?

@MikhailShoaib Filoha Jose Ramos-Horta, mahafinaritra ahy ny fanetre-tenanao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.