- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny tatitray manokana momna ny Hetsi-panoherana ao Yemen 2011 [1] ity lahatsoratra ity

Andro manan-tantara ratsy ato amin'ny tantaran'i Yemeny ny Zoma 18 Martsa, andro iray voasokitra ao anatin'ny fahatsiarovan'ny Yemenita tsirairay, diso fantatra amin'ny hoe andro Zoman'ny Karamah, izany hoe Zoman'ny Fahamendrehana. Nanangana rindrina teo akaikin'ny kianjan'ny fanovàna ao Sanaa ary nameno izany tamin'ny kodiarana voatondraka solika ka avy hatrany taorian'ny fivavahana isaky ny Zoma dia nandrehitra izany mba hanakanana ireo mpanao hetsi-panoherana raha ireo mpomba an'i Saleh (ilay filoha teo aloha) kosa naka toerana teny ambony tafo, nanokatra ny tifitra ireo mpiara-dia taminy sy ireo trano, nitifitra ireo mpanao diabe ka niteraka zava-doza iray tsy mbola nisy toy izany sy fandatsahan-drà mahery setra. Manodidina ny 52 ireo mpanao fihetsiketsehana no lavo ary manakaiky ny 100 no voalaza fa naratra, araka ny fijoroana vavolombelona sy ireo mpitsabo. Kihon-dalana iray tao anatin'ny revolisiona tao Yemen io, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana

Ireo tranga mahatsiravina [2] ny Zoman'ny Karamah dia voatahirin'ny kameran'ireo mpaka sary telo sy ny fitantaran'ireo nanatri-maso, anaty horonantsary fanadihadiana henjana izay nomena anarana mifanaraka  tsara amin'izany hoe  “Tsy Misy Rindrina i Karamah.” Izy io dia fiaraha-miasa teo amin'ny tanora Yemenita avy ao afovoan'ny kianjan'ny Fanovàna ao Sanaa, izay nahomby tokoa tamin'ny fampitàna ho an'ireo mpijery ny fihetsem-po,  ny tahotra ary  ny zava-doza tamin'izay andro nihoson-drà izay. Ilay fanadihadiana dia teo ambany fitarihana mahafinaritr'ilay Tale vehivavy Yemenita, Sara Ishaq – @yemyogini [3]

Ny ampahany roa amin'ilay fanadihadiana dia nakarin'ny  OfficialSuhailTV [4]. [Fampitandremana: Sary tena henjana]
Ampahany 1
http://www.youtube.com/watch?v=i04i8u_koFM
Ampahany 2
http://www.youtube.com/watch?v=BTyxtSemoY0

Tahaka izay namaritako an'ilay fanadihadiana ao anatin'ny lahatsoratra [5] iray ao amin'ny bolaogiko:

Hafatra lalim-paka momba ny maha-olombelona ity, izay taratry ny helehiben'ny fijaliana, ny haavon'ny hirifiry sy ny fidadasiky ny sorona nataon'ny revolisiona Yemenita. Io koa dia mampanakoako ny fahavononana, ny tsy fihemorana sy fandraisana andraikitr'ireo Yemenita amin'ilay revolisiona sy ny fitakiany. Ambonin'ny zavatra rehetra, izy ity dia fanadihadiana iray sy porofo mivaingana manameloka ny iray amin'ireo fomba maro feno herisetra  & heloka bevava ataon'ny fitondrana manoloana ny maha-olombelona.

Nanomboka tamin'ny Diaben'ny Fahamendrehana ny volana Martsa, nangatahana fiovàna sy fahalalahana, nivadika ho vonomoka, ary indrisy niafara tamin'ny fifanarahana narahana fepetra tamin'ny  GCC ary ny tohiny dia ny tantara no hilaza azy

Mandritra izany fotoana izany, ireo Yemenita dia mahatsiaro io andro io miaraka aminà nenina noho ireo aina nafoy sy izay tokony ho notratrarina nefa tsy tratra. Ireo  Yemenita mpiondana aterineto dia mikonainaina ao amin'ny Twitter.

@SummerNasser [6] nibitsika hoe :

Hapetraka ao anatin'ny tantara  ny #Mar18 : io no andro hahatsiarovantsika ny fomba namonoana tsy aminm-piraharahana ny vahoakantsika satria nitaky ny fahafahany izy ireo. #Yemen

Ilay Yemenita mpaka sary, Abdulrahman Jaber, dia nibitsika andian-tsary izay nalainy tamin'ny fakantsariny tamin'io andro mahatsiravina io :

@ARJaber [7]:

Sarin'ny 18 Martsa tao Sanaa, sary avy amin'ny tahiry ..ampahany amin'ireo fahatsiarovana tsy hay vonoina 18+ http://www.flickr.com/photos/someart/sets/72157627747752035/show/ [8] #yemen

@Afrahnasser [9] nibitsika hoe:

Androany i #Yemen dia misaona ireo olona 52 maty tamin'ny taona lasa noho ny fiarovan-dry zareo ny fahafahana & fiovàna #Yemen

Na ratsy aza ny toetrandro androany teto Yemen, nifamotoana tao amin'ny Làlana faha-60 ireo tanora sy zokiolonazaza amam-behivavy mba hanatrika ny fankalazàna ny tsingerintaona voalohan'ny andro nisian'ny vonomoka tao Karama ny 18 Martsa

@yemen_updates [10] nibitsik hoe :

Tsy noraharahiana izay tafitram-pasika/vovoka mavesatra tao #Sanaa, an'aliny maro ireo nitohy nihazo ny Làlana faha-60 mba hankalaza ny Andron'ny  Karama. #Yemen

@ichamza [11] dia nibitsika tamin'ny fomba somary mandranitra hoe:

#March18th tanora maherin'ny 50 novonoina an-kitsirano ary ireo mpamono dia hitan'ny masonay! saingy mbola tsy misy fantatra foana! #Yemen

@Afrahnasser [12] manontany hoe :

Inona no holazaintsika amin'ireo olona 52 maty taorian'ny namelantsika ny #GCCDeal & hanome famotsoran-keloka ho an'i #Saleh !! #Yemen

Mandritra izany ny Praiministra Mohammed Salem Basendwah dia nanambara [13] fanomezana 50 tapitrisa riyals ho an'ireo fianakavian'ny maritiora amin'ny andro fankalazàna ny Andron'ny Karama. (lahatsary nakarin'i belaquood [14])

Ny fiovàna izay nanaovana mora foana ho sorona ny ain'ireo maritioran'ity andro ity sy ireo hafa nandritra ny herintaona nisian'ny revolisiona dia tsy mbola tratra ary tsy mbola azo ny rariny,  ary ity fihetsiky ny governemanta ity, na dia efa ho taona iray aty aoriana aza, dia tsy ho ny vahaolana nandrasan'nireo Yemenita mihitsy!