Ejipta: Mandria Am-piadanana Papa Shenouda III

Matroka tanteraka ny filentehan'ny masoandro tao Ejipta omaly [asabotsy] – Nodimandry tamin'ny faha-89 taonany rehefa niady mafy tamin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra  Pope Shenouda III.

Taorian'ny fandrenesana ny vaovao mampalahelo dia an'arivony no nizotra nankany amin'ny Katedhraly Abbaseya haneho fiaraha-miory sy fanajana.

Taorian'ny fanambarana ny fahafatesany dia niely tato amin'ny aterineto ny hafatra matsatso momba ny safidy politikan'ny Papa, mpanohana ny fitondrana sy ny miaramila. Maro no miresaka manokana ny heviny nandritra ny Fandripahana tao Maspero [mg]. Misy ary ny hevitra sy tsikera melohin'ny mpiserasera izay nilaza fa raha tsy jerena ny safidy politikany dia mpitarika ara-panahy nanana fandresen-dahatra manokana tamin'ny Kôpta Ejipsiana ny Papa.

Wael Eskander nanoratra tao amin'ny bilaogy fa ho valin'ny fanaratsiana atao amin'ny Papa farany:

Maro ny ‘mpikatroka’ maneho hevitra amin'ny Twitter na amin'ny Facebook manenjika ny Papa noho ny safidy politikany. Ny olana lehibe amin'ny fanamelohana ny Papa ankoatra ny tsy fananana fo mandeha rà ao amin'izy ireo dia taratra avy amin'izy ireo ny tsy fahalalàna. Mandiso fanantenana ny mahita ny sasany tery saina loatra ka tsy mahita ny zavatra ataon'ny Papa Shenouda III afa-tsy amin'ny lafiny politika. Mitaratra ny fijery ivelambelany ihany tamin'ny nahalasanany.

Notohizan'i Wael avy eo ny dika sy ny herim-panahy ananan'ny Papa Shendoua amin'ny Kôpta:

Fahadisoana ny mieritreritra fa ny tsikera ataon'ny Kôpta amin'ny Papa Shenouda III dia midika tosi-bohontanana na tsy fitiavana. Tsy olona mampiady hevitra ny Papa Shenouda eo anivon'ny Kôpta, mpitarika nohajaina sy notoavina ka nahazo fankasitrahana tokoa izy. Amin'ny maha-mpitarika fiangonana azy dia nahafa-po ny nataony ary bitika ny faniriana hanolo azy. Ny tsikera atao azy amin'ny fihetsiny sasany dia ny mba hanairana azy hanitsiany ny diany fa tsy fanilihana tanteraka ny tenany na ny heviny.

Ao anatin'izany zotra izany ihany, Gamal Asaad (@Gamal_As3d) no manoratra ao amin'ny Twitter  :

@Gamal_As3dمهما إختلفنا مع البابا سياسيا سيظل هو أبونا الروحى ومعلمنا العظيم الذى تعلمنا منه المسيحية

Tsy maniona izay tsy fitovian-kevitra politika anananay amin'ny Papa, mitoetra ho mpitarika ara-panahy anay izy sady ilay mampianatra lehibe nampianatra anay ny votoatin'ny kristianisma

Ao amin'ny Fitoeran'ny Papa anatin'ny Katedraly moa ny nofo mangatsiakan'ny Papa ho an'izay olona haneho fanajana sy hanao veloma farany azy ao antin'ny telo andro mialoha ny handevenana azy.

Ny fanirian'ny Papa Shenouda dia ny handevenana azy any amon'ny monasiteran'i Wadi El Natrun, iray amin'ny monasitera nanaovana sesintany azy nandritra ny fitondran'ny filoha Anwar Al Sadat noho ny nanamelohany ny Fifanarahan'ny Camp David sy ny fandavany ny hitsidika an'i Jerosalema tambany fanapahan'i Isiraely. Adam Makary (@adamakary) mahita izany ho misy esoeso:

@adamakary: Mahaliana fa nisafidy ny ho alevina any amin'ny toerana tsy nahafahany mivoaka nandritra ny fitondran'i Sadat naharitra 4 taona ny #PopeShenouda, monasitera Pishoi

Amin'ny Talata no halevina ny Papa Shenouda III. Mandritra izany fotoana izany dia ny Metropolitana Bakhomious no hanmpo vonjimaika mandra-pahatongan'ny fifidianana. Mandio i Bassem Sabry (@Bassem_Sabry) :

@Bassem_Sabry: Roa volana no hanompoan'ny Metropolitana Bakhomious eo amin'ny toeran'ny Papa farany #Shenouda, ary amin'ny faran'izany no efa voafidy ny Papa #Coptic vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.