India: Aza Miasa Alina Amin'izay Tsy Voaolana Ianao

Tao ao anatin'izay andro vitsy lasa izay, vehivavy mpiasa maro an'isa ao an-tanànan'i Gurgaon no nalaina an-keriny sy naolana , eo amin'ny 30 kilometatra miala ny renivohitra Indiana, ao New Delhi no misy izany tanàna izany. Ho famahana ny olana, dia nandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana amin'ny  fiarovana ny olom-pirenena, tamin'ny alalan'ny fangatahana nalefa tany amin'ny tranombarotra vaventy, ny seha-pivarotana ary ny tompona dokambarotra mba tsy hampiasa ny vehivavy manomboka amin'ny 8ora alina.

Tsy nampino ny mpiserasera Indiana sy nahatezitra azy ireo izany raha tarafina ny ny fanehon-kevitra nataon'izy ireo. Somary maneso ny fanehoan-kevitra sasany, ny sasany amin'ny taratasy misokatra, ny hafa indray manazava ny maha hevi-dravina izany fangatahana izany.

Aamjanata nihevitra fa tsy misy fotony ny fepetra noraisina  satria maro ireo asa no mila mpiasa miasa alina :

[..] raisina ohatra ny polisy vehivavy tsy maintsy miasa amin'ny alina.

Illustration by Samia Singh. CC BY-NC-ND 2.5

Sary fanehoana avy amin'i Samia Singh. CC BY-NC-ND 2.5

Sandip Roy tamin'ny lahatsoratra voalohany, nitsikera ny paikadin'ny polisy mba tsy handraisany ny andraikiny

Raha miala andraikitra ny polisy amin'ny raharaha tokony sahaniny, ity no vahaolana farany, manao izay hampalaza azy ao amin'ny Twitter: Maninona raha mamoaka fepetra tsy fahazoan'ny lehilahy rehetra ao Gurgaon mivoaka aorian'ny amin'ny 8 ora alina?

Bilaogy The Life and Times of an Indian Homemaker nanontany hoe:

Amin'ny maha olom-pirenena anao, hitanao manome antoka ve ny fepetra noraisina? moa ve tsy manome antoka kokoa raha toa ka niala tsiny ny polisy noho ny tsy fandraisany ny andraikiny ary manambara fa tsy hamerina izany fahadisoana izany intsony?

Notohizan'ilay mpamahana bolongana toy izao indray:

Natokana ho an'ny lehilahy ihany ve ny asa, ny fiarovana sy ny làlana ao Gurgaon aorian'ny 8 ora hariva?

Rambling In The City manakiana ny fomba fisainan'ny fiaraha-monina anjakan-dehilahy:

Tonga tao an-tsaiko avy hatrany ny fahatsapana fa mora ho an'ny fiaraha-monina (taratry ny fomba fihetsiky ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny ihany ny manampahefana) tokoa ny miangavy ny vehivavy ‘hametraka fetra’ amin'ny fomba fihetsika. Tahaka ilay trangan-javatra mampalahelo nataon'ny mpiasan'ny voromby nampidina ireo olona manana fahasembanana tsy handeha, ahariharin'ny fomba fihetsika ny fomba fisaina mihevitra ny vehivavy ho malemy, iangarana ary heverina ho olana amin'ny ankapobeny.

Participants at the Delhi Slutwalk shout slogans and hold banners. Image by Rahul Kumar. Copyright Demotix (31/7/2011).

mpandray anjara mihiaka sy mamoaka sora-baventy ao Delhi. Saripika Rahul Kumar. Copyright Demotix (31/7/2011).

Nisahirana namoaka ny heviny ihany koa ny mpisera Twitter:

@anuragsharma137: Fanolanana fahaefatra akaikin'ny tsenambarotra sahara tao gurgaon tao anatin'ny 45 andro. mizotra tsara ny fiainana ny ampitso. Sahisahy ry zareo sa katahotra e?

@Ankursays: Nisy ny fotoana rehareha amin'ny fandrosoan'ny firenentsika i #Gurgaon. Ankehitriny ny faritra #NCR (New Delhy) iray manontolo no henatry ny firenentsika ( toera-panolanana).

@Nadlakha: Noho ny lehilahy roa tsy mahafehy ny fitaovam-pananahany dia tsy maintsy mijanona an-trano ny vehivavy. Hevitra koa izany an! #gurgaon

@saliltripathi: Izany hoe manana ora fiasana ofisiaky ny mpanao an-keriny ao Gurgaon.

@LadyAparna: RT @Harneetsin: Izany hoe nilazana ny vehivavy ao Gurgaon ho tonga an-trano mialoha ny amin'ny 8 ora alina raha tsy te-ho voaolana. Manana ny ora fiasana “ofisialy” iadanany ny mpanao an-keriny eto India. Matesa.

@NameFieldmt: Izany hoe lasa sahala amin'ny amboadia mpihinan'olona ny lehilahy sa ahoana. Masina be ry zareo mandra-pahatongan'ny amin'ny valo ora fa mivadika mpanao an-keriny avy hatrany vao mipaika ny amin'ny valo. #Gurgaon

Raha miresaka momba ny olana sy ny fepetra isorohana izany ny rehetra, manao sosokevitra kosa i Ankita Mahajan:

Tokony haka fepetra henjana ny Governemanta hampitsaharana ny raharaha tahaka itony. Raha misy olona hita fa mpandika lalàna ka voasambotra noho ny raharaham-panolanana, dia tokony ho tokana ihany ny famaizana azy- didiana hovonoina ho faty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.