Tantara tamin'ny 17 Marsa 2012
Arabia Saodita: Manambatra Ny Heriny Ireo Mpampiasa Twitter Ho Fanaraina Mikasika Ny Mafàna Fo Voafonja
Ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia nanambatra ny heriny mba hanasongadina ny fijalian'i Shaikh Yusuf Al-Ahmad, gadra politika iray, any anaty tranonkala fitorahana bilaogy kiritika. Ny ezak'izy ireo dia nahatonga ny anaran'ilay manampahaizana lalina momba ny resaka Islamika ho malaza be eran-tany, nanaitra ny saina mikasika ny famonjàna azy tsy nisy vesatra sy tsy nahazo fitsarana tsy miangatra.
India: Aza Miasa Alina Amin'izay Tsy Voaolana Ianao
Tao ao anatin'izay andro vitsy lasa izay, vehivavy mpiasa maro an'isa ao an-tanànan'i Gurgaon no nalaina an-keriny sy naolana , eo amin'ny 30 kilometatra miala ny renivohitra Indiana, ao New Delhi no misy izany tanàna izany. Ho famahana ny olana, dia nandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana amin'ny fiarovana ny olom-pirenena, tamin'ny alalan'ny fangatahana...
Iran: Taombaovao Nowruz Tsy Misy Trondro Mena?
Fanamarihana: Trondro mena no ahafantarantsika ny trondro (gasy) mitovitovy aminy antsoina hoe “trondro volamena” raha adika avy amin'ny teny anglisy. Manana ny toerany manokana eo amin'ny taombaovao Iraniana ankalazaina ny andro voalohany amin'ny lohataona (20 marsa) antsoina hoe, Nowruz, ny trondro mena. Saingy isan-taona dia manao fanentanana mandrisika ny mponina tsy...
Etazonia: Tranganà Mpianatra Kolombiana Iray Mamelona Indray Ny Adihevitra Momba Ny Fifindrà-monina
Kolombiana mpianatra monina any Miami i Daniela Peláez izay niseho taminà lohateny vaventy tato ho ato amin'ny maha-tranga iray hafa ny azy amin'ireo mpianatra manana hoavy mamiratra, saingy tsy manana taratasy ara-dalàna ao Etazonia. Ny tranga mahazo an'i Peláez dia mankina amin'ilay rafitra izay efa mahabe resaka ao Etazonia momba ny fifindrà-monina.