Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mozambika: Ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo

Tamin'ny fotoana nahitanay tsy an-kiato ny firoborobon'ny teknolojia vaovao izay manamora ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao, toy ny smartphone, tablets, Twitter ary ny Facebook, ao Maputo, renivohitr'i Mozambika, niroborobo ihany koa ny Rindrin'ny vahoaka: ny rindrina lehibe ao ivelan'ny tranobe misy ny gazety Jornal@Verdade, izay afaka ametrahan'ny vahoaka hafatra sy hanairana mivantana ireo mpitondra fahefana ambony.

Sambany nisy fombam-pifandraisana tahaka izany, izay hita amin'ny maha-tsotra azy ny fahombiazany sy ny fahafaha-miditra aminy. Amin’ ny endriny hafa kosa, toy ny “rindrin'ny Facebook tsy mila aterineto” tena izy izany, araka ny voalaza ao amin'ny bilaogin' Menina do Javali:

Ny nahatonga izany hevitra hoe rindrina izany dia ny hamoronana sehatra maharitra sy tsy mila aterineto ho an'ny mpamaky mba hijery izany (mora) sy haneho hevitra ihany koa (tsotra).

Arak'izany, ny tsaoka ihany no fitaovana tokana ilain'ny olom-pirenena mba hanehoany ny fitakiany ampahibe-maso sy tazan'olon-drehetra,  na fitakiana momba ny fampianarana izany, na fahasalamana, na fandriampahalemana, na fitakiana hafa miantefa any amin'ny manampahefana na ny mpitondra mpanao politika. Amin'izany fomba izany, mitombo ny zon'ny olom-pirenena hanao fitakiana sy fangatahana malalaka

The People's Wall – Maputo. Photo from the blog Menina do Javali (used with permission)

Rindrin'ny Vahoaka – Maputo.  Sary tao amin'ny bilaogin'i Menina do Javali (nahazoana alalana)

Avy amin'ny tetikasa “Before I Die” (alohan'ny hahafatesako) noforonon'i Candy Chang ny hevitra, izay napetraka voalohany tao New Orleans (ao Etazonia), ary efa nahazo ny fanohanana iraisam-pirenena sy efa niparitaka manerana ny tanàna maro manerana  izao tontolo izao.  Fiovan'ny rindrindra mankany amin'ny rindrina goavana ahitana fehezanteny hoe “Alohan'ny hahafatesako_____” naverina tsy ankiato, ary nofenoin'ny olona izay mandray anjara amin'izany, amin'ny fizarana ny fanantenany sy ny nofinofiny eo amin'ny toerana natokana ho an'ny daholobe.

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 20 Janoary ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo, ary efa afaka idirana sahady: amin'ny alalan'ny aterineto, azo arahina ao amin'ny Cidadão Repórter (Olom-pirenena Mizara Vaovao) ao amin'ny gazety an-tserasera ireo hafatra marobe nisy nanoratra tao. Fanampin'izany, nokilasiana sy nalamina manokana araka ny toerany sy ny datiny mihitsy ny lohahevitra nosoratana, ka hanamora ny fizahana azy izany any aoriana.

Lohahevitra iray miverimberina matetika eo amin'ny sehatry ny olom-pirenena Mpitati-vaovao ny kolikoly. Tao amin'ny rindrin'ny vahoaka, olom-pirenena iray nandefa ny hafany ho an'ny manam-pahefana

Polícia de transito, parem com a corrupcao. Assim, o nosso país ira desenvolver. Como vamos progredir se tiram-nos o pouco que ganhamos no suor do dia a dia.

Polisy misahana ny fifamoivozana, atsaharo ny kolikoly. Raha tsy manao kolikoly ianareo, handroso ny firenentsika. Ahoana no handrosoantsika raha toa ka alainareo ny kely mba nikelezanay aina mafy nandritra ny andro?
The People's Wall. Photo from the blog Menina do Javali

Rindrin'ny Vahoaka. Sary tao amin'ny bilaogin'i Menina do Javali

Maro koa ireo maneho ny ahiahiny momba ny olana ara-pampianarana, toy ilay hetra vaovao nampihena ny karaman'ny mpampianatra ho famenoana ny fikarakarana ny antokon'ny kongresy FRELIMO [Mozambique Liberation Front], eo koa ny fepetra iainan'ny ankizy any ampianarana, na ny tsy fisian'ny fitaovam-pampianarana any an-tsekoly [amin'ny portiogey -ny rohy rehetra]:

 

Disse o magnanimo 1o Presidente da Republica que: Façamos da escola um lugar para o povo tomar o poder, mas se formos a reparar, meus caros senhores, hoje em dia o poder e que esta a tomar o povo, vejamos uma coisa extremamente importante quando falamos concretamente da educação em todas as escolas secundárias do país nao temos os livros do novo curriculum nas nossas bibliotecas, e com tudo isso os futuros deste pais ficam sem foco e sem saber o que estes escritores falam acerca do mundo. Queremos os livros do novo curriculom nas nossas bibliotecas (Escola Secundaria da Polana)

Nilaza toy izao ilay Filohan'ny Repoblika voalohany malala-tanana: Manao sekoly isika ho toerana ahafan'ny olona maka ny fitondrana saingy, raha manamarika isika, tompokolahy sy tompokovavy, ny fitondrana indray no maka vahoaka amin'izao androntsika izao, mahita zava-manahirana lehibe isika rehefa miresaka fampianarana amin'ny fomba mivaingana. Tsy mba ahitana ireo boky vaovao ao amin'ny trano famakiam-bokin'ireo lisea rehetra eto amin'ity firenentsika ity, ary noho izany rehetra izany, tsy fantatra izay hoavin'ity firenena ity  ary tsy mba hahalala ihany koa izay voalazan'ireo mpanoratra momba izao tontolo izao. Mila boky fampianarana vaovao isika atao amin'ny trano famakiam-boky (Lisea Polana).

Tsirin-kevitra avy amin'ny fampahalalam-baovao an'ny olo-tsotra ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo izay mendrika hodinihana; ahafahana manatanteraka ny demokrasia ho an'ny olom-pirenena izany amin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe sy manatsara ny fifandraisana eo amin'ny olona, amin'ny toerana izay honenany sy ny fiarahamonina rehetra. Iza no mahalala, mety ho lasa fanao manerantany izao, tahaka  ny niatombohan'ny hetsika ihany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.