05 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 05 Marsa 2012

Singapore: Notsikerain'ny Olom-pirenena Ny Doka ‘Manafintohina’ Avy Amin'ny Governemanta

  05 Marsa 2012

Niteraka fanakianana ny doka fanentanana nataon'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana ny Ambanivohitra, ny Tanora ary ny Fanatanjahatena (MCYS) fa mametraka hatrany ny fanavakavaham-bolokoditra manoloana ireo efa nigadra, ireo niharan'ny fanolanana, ny sarangan'olona kely fidiram-bola, ary ny manana fahasembanana. Ny fanentanana dia ahitana afisy efatra misy ny sarin'ireo mpiasa sosialy sy ny trangan-javatra vitsivitsy efa nanaovan'izy ireo fanampiana....

Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.

Voaheloka Ho Nanitsakitsaka Ny Zon'olombelona Nanoloana Ireo Mpitsoa-ponenana Afrikana i Italia

  05 Marsa 2012

Ny 23 febroary, didim-pitsarana manan-tantara no navoakan'ny mpikambana ao amin'ny fitsarana eraopeana momba ny zon'olombelona manana ny foibeny ao tamin'ny nanamelohany an'i Italia tsy nisy nandà noho ny fisamborana sy famerenana ireo mpitsoa-ponenana avy any atsimon'i Sahara, izay manitsakitsaka tanteraka ireo fifanekena sy fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin'i Italie